Tantara tamin'ny 30 Oktobra 2015
Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe
Shiita an-tapitrisany no manamarika ny tsingerintaonan'ny mahamaritiora ny Imam Hussain bin Ali, izay maty novonoina tokony ho 1.300 taona lasa izay, isan-taona. Mandaka ny fomba fandraisana diso ataon'ny fampitam-baovao lehibe ny mpiserasera.
Manampahefana Okrainiana Voaroaka Noho Ny Fampiasana Tolotra Mailaka Rosiana Tamin'ny Fifandraisana Ofisialy
Mihevitra ny manampahefana Okrainiana fa mety "hanohintohina ny fiarovam-baovaon'ny firenena" ny fampiasana ny tolotra mailaka Rosiana.
Mitafiotra Media Sosialy Ny Hetsika #FreeAlaa (Avotsory i Alaa) Raha Feno Herintaona ny Nanagadrana Azy
Herintaona tany am-ponja i Alaa Abd El Fattah noho ny fikatrohana ataony. Mbola mamita sazy efa-taona. Miaka-peo ny mpiserasera tamin'ny fankalazana ny herintaonan'ny nanagadrana azy mba hitaky ny famotsorana azy.
Nahazo Fanohanana Tamin'ny Vahoaka Ilay Mpanankato Shinoa Ai WeiWei Rehefa Nolavin'ny Lego Ny Fangatahany
"Tsy asiana Lego amin'ny lisitry ny entana hovidiana amin'ny Krismasy. Mandiso fanantenana ny tsy fanohanana an'i Ai Wei Wei "
Tantaranà Mpifindra Monina: Fiainana Voazaran'ny Ranomasimbe Atlantika
Nandao an'i Arzantina, firenena nahaterahany, i Natalia Carruego mba hitsapa vintana tany Eoropa. Isanandro izy dia mahatsiaro ny fianakaviany sy ny loza mitatao amin'ny fireneny.