Tantara tamin'ny 25 Septambra 2015
Antson'ny Mpikatroka Hampitsaharana ny Ady An-trano Naharitra 60 Taona Ao Myanmar
Nankalaza ny Andro Iraisampirenena ho An'ny Fandriampahalemana ny vondrona isan-karazany ao Myanmar tamin'ny alalan'ny diabe tao an-drenivohitra teo aloha Yangon tamin'ny 21 Septambra, mitaky ny famotsorana ireo gadra politika sy ny famahana ny olan'ny ady an-trano naharitra dimampolo taona mahery tao amin'ny firenena.
“Eto Izahay Manohana Anao”: Holandey Mandray Mpitsoa-ponenana
Nitambatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Gara Afovoany ao Amsterdam mba handray sy hanohana ny fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana. "Ny tsy nampoiziko hoy i Faten Busheri nanoratra dia ireo tantara nolazain'izy ireo tamiko."
Toekarena: Fandraharahàm-Behivavy Miasa Ho An'ny Fampandrosoana Afrikàna
Hatrany hatrany ireo fiarahamonim-pirenena ao Afrika, ary indrindra fa ny vehivavy, dia maniry ny handray anjara amin'ny fitomboana ara-toekarena amin'ny alàlan'ny fandraharahàna
Atena Farghdani, Artista Sady Mpikatroka Mafàna Fo Voafonja, Manohitra Amin'ny Alàlan'ny Fitokonana Tsy Misakafo Ny Fampijaliana Azy
“Nolotoin-dry zareo tao am-ponja ny hajan'ny zanako vavy. Ny maha-olona azy no lalaovin-dry zareo amin'ireo teny [ratsiny]."
“Nandositra” Ny Mpandraharaha Ambony Iray Ao Hong Kong. Manontany Ny Mpiserasera Shinoa hoe, Nahoana Kosa Izy No Tsy Tokony Handositra?
Tamin'ny lahatsoratra izay voafafa avy hatrany, nanaratsy an'i Li Ka Shing noho izy namindra ny fandraharahanany ivelan'i Hong Kong sy Shina tanibe ny mpandini-draharaha'ny governemanta Shinoa.
Mandray Anjara Goavana Amin'ny Fampianarana Ao Japana Ny Sakafo Atoandro Any An-tsekoly
Nanatontsa lahatsary fampahafantarana manome fomba fijery lehibe mikasika ny maha-zava-dehibe ny sakafo atoandro any an-tsekoly amin'ny fianarana any amin'ny sekoly Japoney ny Cafeteria Culture (CafCu) (Kolontsaina Hotely Fisakafoanana).
Ny Tantaran'i Raiza Ruiz, Nolazaina Fa Maty Nefa Velona Mirijarija Be
Nambara fa maty i Raiza Ruiz taorian'ny fidarabohan'ny fiaramanidina iray tao Amazona. Na dia hita velona nony andro maro taty aoriana aza, hafahafa tsy mahazatra ny toerana misy azy manoloana ny lalàna.