
Raikitra ny sakoroka tao amin'ny fivoriam-baomiera tao amin'ny antenimiera tao Japana. Pikantsary avy ao amin'ny fantsona Youtube ofisialin'ny ANN .
Nandritry ny herinandron'ny 14 Septambra, ny ambony ambany no nanjaka tao amin'ny antenimiera Japoney satria natomboky ny governemanta iaraha-mitantana tarihan'ny Praiminisitra Shinzo Abe ilay dingana famaranana ilay fanaovana lalàna vaovao izay hanome alàlana an'i Japana handeha hiady.
Nanambara i Abe fa iriany ny hahita ny fahalanian'ilay tolodalàna mba ho lasa lalàna rehefa ampandalovina ao amin'ny Tranoben'ireo Mpanolotsaina, ny antenimiera ambony ao amin'ny parlemanta misy rafitra roa any Japana, ny alin'ny Zoma 18 Septambra raha tara indrindra.
Nanao izay ho afany ny mpanohitra mba hamingànana ny fikasàn'ny vondron'ny eo amin'ny fitondrana ary nandrisika ireo an'aliny maro nanao hetsi-panoherana nihiaka teny an'arabe tsy lavitra ny afovoan'i Tokyo.
【New】安保法案、大詰め 与野党が激しく対立、国会前は抗議デモ http://t.co/KG6NSke1ho pic.twitter.com/4F5XqjLZGg
— ハフィントンポスト日本版 (@HuffPostJapan) septiembre 16, 2015
Vaovao mafàna: nametraka ady mivaivay ny mpanohitra [hanoherana ny fandaniana] ny Lalàna momba ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana, raha ny vahoaka kosa nitangorona hanohitra teo ivelan'ny Antenimieram-pirenena ao Japana.
Ady sy Fandriampahalemana
Raha vantany vao lany, ilay Lalàna momba ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana dia hanitatra be dia be ny anjara asan'ny Hery Fiarovan-Tena hivoaka lavitra ny ranomasina ary hanome alàlana an'i Japana hampiasa ny “zony amin'ny fiarovantena iombonana” ary handray anjara aminà hetsika miaramila miaraka amin'ireo firenena hafa toa an'i Etazonia.
Arakaraky ny olona ametrahanao fanontaniana, dia azo jerena ho tsy mifanaraka ara-teknika amin'ny lalàm-panorenana ilay tolodalàna, manohitra ny Toko faha-9 ao amin'ny “Lalàm-panorenan'ny Fandriampahalemana” natao tao Japana talohan'ny Ady Lehibe Faharoa.
Ny Alarobia 16 Septambra, natomboky ny governemanta ny dingana hampandaniana ilay tolo-dalàna ho lasa lalàna. Tany amboalohany dia tsy vitan'ilay kaomity manokana tao amin'ny Antenimeran-doholona ny nanomboka azy satria ny varavarana voabahan'ireo mpanao lalàna nanao fanoherana, araka ny hita ato anatin'ity lahatsary eto ambany ity:
Marobe ireo mpanao lalàna nibahana ny fidirana no nitondra fehiloha nivaky hoe “Atsaharo ny fanorisorenana ara-nofo!” (セクハラやめろ!). Mety entina hanondroana ny zava-misy izay raha kely indrindra dia 50% amin'ireo vehivavy mpanao lalàna ao Japana no nitatitra ho niharan'ny fanorisorenana ara-nofo.
Tsy ny fanehoankevitra rehetra akory no nisy fangorahana.
【緊迫・安保法案】「触るな!セクハラだ!」の警告に鴻池委員長、入室できない状態つづく 元近鉄の石井議員も“冤罪”被害か-産経 http://t.co/yZzCon4CPt セクハラの意味も痴漢との違いも分からない哀れなピンク鉢巻! pic.twitter.com/xN4p8ehbWR — Atsuo Kawasaki (@Atsuo_Kawasaki) septiembre 16, 2015
Fihenjanana mikasika ny Lalànan'ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana: Satria reny ny fampitandremana hoe “Aza mikitika ahy! Filàna vaniny ara-nofo izao!” tsy afaka niditra tao amin'ny efitranon'ny kaomity ny filohan'ny kaomity, Konoike Yoshitada. Voampanga tsy ara-drariny koa ve i Ishii Hiro mpilalao baseball fahiny tao amin'ny Kintestu? Sankei: http://www.sankei.com/politics/news/150916/plt1509160079-n1.html Ireto mpanao fehiloha mavokely mahonena ireto no angamba tsy mahafantatra ny fahasamihafàna eo amin'ny atao hoe fanorisorenana ara-nofo sy ny fibedabedàna fahatany any anaty fiarandalamby.
Tonga amin'ny fifampikasihan-tànana ireo mpanao lalàna
Farany dia navela hiditra tao amin'ny efitranon'ny kaomity ihany ireo mpanao lalàna, toerana izay nanaovan'ny mpanohitra izay fara-heriny hanataràna ny fifidianana ilain'ny kaomity atao mba handefasana ilay tolodalàna ho amin'ny dingana manaraka amin'ireo zotra fanaovana lalàna. Nisy mihitsy aza fikasàna hametraka fitsipahana fitokisana an'i Konoike Yoshitada. filohan'ilay kaomity.
Ny niafaràny, nitondra drafitra iray feno hafetsena ireo mpanao lalàna ka tao anatin'izany no nankatoavan-dry zareo ilay tolodalàna tao amin'ilay kaomity. Nanao ny fara-heriny ireo mpanao lalàna manohitra azy io, nihazakazaka haingana nankeny amin'ilay mpandray fitenenana, niafara taminà sakoroka kely tao amin'ny efitranon'ny Antenimiera.
紙面【一面】強行採決再び。安保法案 参院委で可決。野党 内閣不信任案案提出へ。反対聞こえた 野党「引けない」ほか 詳しくは本日(9月18日付)東京新聞朝刊にて。 pic.twitter.com/l8IVRuZc5K — 東京新聞ほっとWeb オフィシャル (@tokyohotweb) septiembre 17, 2015
Avy amin'ny pejy voalohan'ny Tokyo Shimbun: Tohizan'ny governemanta hatrany ny fampandaniana ilay tolodalàna. Nankatoavina ny Tolodalàna momba ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana. Efa vonona ny hametraka fitsipahana fitokisana ireo avy amin'ny antoko mpanohitra, nivoady ny “tsy hanao marimaritra iraisana.” Raha mila antsipirihany, vakio ny gazety Tokyo Shimbun nivoaka ny marainan'ny 18 Septambra.
‘Nivoady hamàrana ny demaokrasia i Japana’
Tombontsoa manokana ho an'ny Japoney maro ny fanesorana ilay ranamana be volombava eo ankavanana amin'ny sary, ny Kolonely Masahisa Sato. Mipetraka ho solontenan'ny antokom-panjakana ao amin'ny Tranoben'ny Mpanolotsaina ao amin'ny Antenimieran'i Japana, efa indray mandeha i Sato no nitarika ny Vondrona Japoney ho Fanarenana sy Fanohanana an'i Iràka tamin'ny Janoary sy Febroary 2004, fivoahana iraisampirenena voalohany indrindra nataon'ny tafika Japoney taorian'ny Ady Lehibe Faharoa.
Tany am-piandohan'ity herinandro ity, talohan'ilay fifandonana, niditra tao amin'ny Twitter nitaraina momba ny toedraharaha henjana iasàna ao amin'ny Antenimiera ao Japana i Sato :
夕方からずっと理事会室に缶詰め状態。委員会室に委員長共々移動出来ず。トイレに行くのもバリケード中の野党議員の許可制状態。 — 佐藤正久 (@SatoMasahisa) septiembre 16, 2015
Laninay nihitsoka tao an'efitrano fivoriana ny hariva tontolo, ary dia voabahana tanteraka tsy ho afaka ho ao amin'ny efitranon'ny kaomity. Nofefen'ireo parlemanteran'ny mpanohitra hatrany an-kabone mihitsy aza izahay.
Tsy ny rehetra no nahatsaro nalahelo an'i Sato sy ireo hafa mpanao lalàna avy amin'ny governemanta, izay tsy nahazo aina noho ny fitondrantena tsy mendrika nataon'ny mpanohitra:
@SatoMasahisa @emi_mumemo わかっているね佐藤正久、すべてあんたらが憲法違反をしているからだよ。
— washiroh (@alexbk09) septiembre 16, 2015
Tsy maintsy fantatrareo anefa, Sato Masahisa, fa tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ny zavatra nataonareo.
Mandritra izany, polisy marobe no tonga nibahana ireo mpanao hetsi-panoherana avy tao amin'ny Antenimiera ao afovoan'i Tokyo.
しかし、非暴力なデモに対して、この異常でヒステリックな弾圧の絵を作って見せたことは、世界に対しては「日本は民主主義やめます宣言」にしか見えないのでは。 pic.twitter.com/11N93WfrGY
— emi kiyomizu (@kiyomizu5) septiembre 17, 2015
Na tsy tamin-kerisetra aza ilay fihetsiketsehana, dia manan-tantara ny hamaroan'ireo polisy hitantsika eto. Ambaranay amin'izao tontolo izao fa “Nivoady hamàrana ny demaokrasia i Japana.”