“Milamina Any Damaskosy “: Tatitra Rosiana Avy any Syria

Tsena iray any Syria, araka ny nandefasan'ny Televisiona NTV azy tamin'ny 3 Septambra 2013. Lahatsary nalain'i Anhar Kochneva. Dikasary avy amin'ny YouTube.
Tsy araky ny politika any Rosia intsony ny fanohanana ny fitondran'i Bashar al-Assad. Ny fanahiana lalina ny amin'ny fidiran'ny tafika tandrefana miampy ny fisian'ireo vondron'ny mpikomy Silamo any an-toerana no mitarika ireo tsy tia ankitsirano an'i Kremlin hiatrika an'i Vladmir Putin momba ny olana any Syria. I Maria Baronova, mpikatroka mafàna fo avy amin'ny mpanohitra ohatra izay tsaraina noho ny nandraisany anjara tamin'ilay fivoriana nivadika ho herisetra tamin'ny taona lasa, dia nibitsika an'ity momba ilay fanafihana miaraka amin'ny fitaovam-piadiana simika tao akaikin'i Damaskosy tamin'ny 21 Aogositra:
Господа, я надеюсь все понимают, что история с использованием химического оружия – это какая-то крайне мутная американская тема?
— Maria Baronova (@ponny1) August 26, 2013
Tompokolahy isany, antenaiko fa azon'ny rehetra ilay resaka fampiasana fitaovam-piadiana simika izay karazanà tetika maizina narafitry ny Amerikana ?
Tahaka ny vaovao avy amin'i Sergey Ponomarev, mpaka sary, izay tany Damaskosy tamin'ny fotoana nisehoan'ilay fanafihana ary nibitsika nametra-panontaniana momba ny tatitry ny MSF milaza fisianà fahafatesana noho ny entona mahafaty fotoana fohy taorian'izay no voarain'i Baronova :
@AltePute @ponny1 я был в трех больницах, мне сказали что там пострадавших нет. если известно каким больницам помогает msf я бы туда съездил
— Sergey Ponomarev (@SergeyPonomarev) August 25, 2013
@AltePute @ponny1 Tobim-pitsaboana telo izao no efa nalehako, nambaran-dry zareo tamiko fa tsy misy maratra ao amin'ireo. Raha misy mahafantatra tobim-pitsaboana miara-miasa amin'ny MSF, mba te-ho any aho.
Rosiana iray hafa i Nigina Beroeva, mpanao gazetin'ny Komsomolskaya Pravda, nibitsika avy any Damaskosy, nisalasala ny amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana simika :
@madoleroyer мы были здесь, если бы атака была такой силы,что погибли 1300 человек,газ дошел бы до нас
— Beroeva (@NiBeroeva) August 25, 2013
@madoleroyer teto izahay, raha tena mafy tokoa ny fanafihana ka nahafaty olona 1.300, tokony ho nahatratra anay koa ny entona.
Taty aoriana kely, nitanisa loharano avy any an-toerana i Beroeva :
Поговорила с человеком, который живет с семьей с рядом с зоной военных действий.говорит, химического оружия не было.они бы почувствовали.
— Beroeva (@NiBeroeva) August 21, 2013
Niteny tamin'ilay lehilahy mipetraka miaraka amin'ny fianakaviany any akaikin'ny faritra misy ny ady aho. Fa tsy misy fampiasana fitaovam-piadiana simika izany teo, hoy izy. Tokony ho reny ilay izy.
Ankoatra izay, ho an'ireo mpanao gazety toa an-dry Beroeva sy Ponomarev, izay nankany Syria fotoana fohy mihitsy mba hitatitra ny zava-misy any, misy Rosiana maro, mpitoraka bilaogy, monina any amin'izao fotoana izao ary mitoraka bilaogy avy any amin'io firenena io. Tahaka ny ankamaroan'ny vahoaka Rosiana dia manohana ny fitondran'i Assad ireo mpitoraka bilaogy ireo. Iray tena miavaka amin'ireny i Anhar Kochneva, vehivavy Rosiana-Palestiniana monina any Damaskosy. Niasa taminà orinasa misahana ny fizahan-tany izy talohan'ny nanombohan'ny ady, saingy dia nanoratra haingana ho an'ny mpiteny Rosiana mikasika ilay ady izy. Nahazo manokana ny fahalinan'ny olona izy tamin'ny taona lasa, rehefa nalainà vondrona heverina ho mpihoko an-keriny ary nanao izay handosirany rehefa notànan-dry zareo nandritra ny 152 andro.
Na dia teo aza izany traikefa ratsy amin'ny ady any Syria izany dia te-hanome antoka ireo mpamaky ny asa sorany momba ny fahamarinan-toeran'ny fitondrana i Kochneva :
Ничего плохого не происходит. Люди ходят в кафе и рестораны, шастают по магазинчикам и даже посещают достопримечательности. Давайте, будем показывать ПРАВДУ. А не делать все, чтобы во всем мире сложилось впечатление. что в Сирии камня на камне не осталось!
Tsy misy zava-doza mitranga izany eo. Mandeha any amin'ny trano fialana hetaheta sy fisakafoanana ny olona, miantsena ary mandeha mitetitety mizaha tanàna ao an-toerana. ‘Ndao lazaina ny MARINA. Ary aza manao na inona na inona mba hiheveran'izao tontolo izao hoe tena mifotetaka amin'ny tany i Syria !
Raha izao tontolo izao niandry ny daroka baomba hamelezana an'i Assad tamin'ny 29 Aogositra, dia izao indray no nosoratany :
Хомс, Хама, Тель-Калях, Месьяф, Беньяс, Джебла, Латакия, Тартус… ВЕЗДЕ ВСЕ ПОД КОНТРОЛЕМ ГОСУДАРСТВА. В Дамаске все тоже спокойно.
Homs, Hama, Tel Kalyah, Masyaf, Banias, Jableh, Lattakia, Tartus… EO AMBANY FIFEHEZAN'NY GOVERNEMANTA NY ZAVA-DREHETRA. EVERYTHING IS UNDER GOVERNMENT CONTROL. Milamina ny zava-dretra any Damaskosy.
Amin'ny ankapobeny dia tahàka ny miombon-kevitra i Beroeva sy Ponomarev. Nibitsika i Beroeva fotoana fohy taorian'ilay fanafihana tamin'ny entona :
И не поверите, в Дамаске все спокойно. Люди сидят в кафе, ходят по улица и очень далеки от всемирной истерии
— Beroeva (@NiBeroeva) August 26, 2013
Tsy hino ianareo, saingy milamina ny rehetra any Damaskosy. Mipetraka eny amin'ny trano fisotroana kafe, mandeha eny an-dàlana ary lavitry ny fitaintainana ny olona
Nolazain'i Ponomarev ihany koa fa “tsy niova” ny firenena hatramin'ny 2009, somary afangarony amin'ny hanihany kely ny zava-misy marina amin'ny ady mitam-piadiana izay nampidina ny hofan'ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana :
Отели за 300€ в даунтауне сейчас стоят 50-70$, ужин на троих с вином 20$
— Sergey Ponomarev (@SergeyPonomarev) August 11, 2013
300€ [isan-kalina] ny hofan'ny trano fandraisam-bahiny ao afovoan-tanàna [taloha] manjary 50$ ka hatramin'ny 70$ izany izao, 20$ ny sakafo ho an'olona telo miampy divay
Misy zavatra hafahafa nefa mahazatra ny vahoaka rosiana ao amin'io fitantaràna io — rehefa omena io endrika io ny tsy fifankahazoana dia ohatra ny hoe tsy nisy ady be sy tsy misy herisetra misoko miadana izany any Dagestan sy Ingushetia. Eny, misy ireo jiolahy/mpampihorohoro/ mpikomy/ jiadista saingy lavitra izy ireo ary mitoka-monina ara-jeografia. Marina fa nisy ny maty, nefa ny 90%-n'ny vahoaka dia mbola ao– farafaharatsiny aloha mandra-panimbàn'ny hetsika ataon'ny tafika eny akaikin'ireo toerana fialan-tsasatra. Fantatry ny Rosiana tsara izany.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Hiresaka koa
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Fantaro i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, hitantana ny kaonty Twitter...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
1 hevitra