MaheriSetra Ve Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Ankohonana?

Portrait of Roula with her mother sitting at the protest in Akkar on Sunday the 21st of July,2013.  Taken by Joey Ayoub

Sarintavan'i Roula miaraka amin'ny reniny mipetraka eo amin'ny fihetsiketseha-panoherana ao Akkar tamin'ny alahady 21 Jolay 2013.
Nopihan'i Joey Ayoub

Nisy lalàna miaro ny vehivavy amin'ny herisetra ao an-tokantrano nekena sy nahitsin'ny komitin'ny vondrona parlemantera maromaro tafaraka mba haharo ny ao amin'ny ankohonana manontolo tamin'ny 23 jolay 2013. Tonga izany ny ampitson'ny fihetsiketseha-panoherana iray nitranga tao Halba, Akkar, tanàndehibe misy an'i Roula Yaacoub, vehivavy 31 taona izay nodarohan'ny vadiny mandra-pahafatiny tapabolana lasa izay. Ity hetsi-panoherana ity dia iray monja amin'ireo maro izay efa nitranga hatramin'ny 2008 nitakiana lalàna feno hiarovana ny vehivavy amin'ny herisetra ao an-tokantrano amin'ny endriny rehetra.

Haingana ny mpiserasera Libaney tamin'ny famoahany ny fisalasalàny izay nifantoka tamin'ny fanjavozavoan'ny resaka momba ny firaisan'ny mpivady an-terisetra, tsy fisian'ny miralenta, miaraka amin'ny lalàna momba ny ankizy sy ny lalànan'ny fivavahana arahina momba mifehy amboniin'io lalàna io.

Nadine Moawad, mpikatroka malaza momba ny fandalàna ny mahavehivavy, no iray amin'ireo nanasongadina ny tsy fahampiana ao amin'ilay lalàna:

Maro ny fahabangana hita ao amin'ny lalàna fiarovana ny vehivavy tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, noho izany ilainay ny mahafantatra hoe iza no kinova lahara-pahamehana mialoha ny hifalianay

— Nadine Moawad (@nmoawad) 22 jolay 2013

Mitady fanovana lehibe efatra izahay ao anatin'ny lalàna fiarovana ny vehivavy: 1) Heloka ve ny firaisan'ny mpivady an-terisetra? Nofoanan'ny depiote io andinin-dalàna io.

— Nadine Moawad (@nmoawad) 22 jolay 2013

2) Ahitana fifantohana momba ny mralenta ve ao? Nesorin'ny depiote ny “vehivavy” ao anatiny ary natao ho an'ny ankohonana manontolo ilay izy – izay nanimba ny tanjona tao anatiny. #fiarovananyvehivavy

3) Fitondrana ny ankizy? Nesorin'ny depiote ny fepetra mamela ny vehivavy haka ny zaza hiaraka aminy rehefa mila fiarovana ireo.

— Nadine Moawad (@nmoawad) 22 jolay 2013

4) Ny tena zava-dehibe: Nampian'ny depiote andininy manome alalana ny lalàm-pivavahana isam-batan'olona ho ambonin'ity lalàna ity raha misy ny mampifandìtra.

— Nadine Moawad (@nmoawad) 22 jolay 2013

Saingy hita ihany fa dingana voalohany mankany amin'ny fanatsarana ny lalàna hiaro tanteraka ny vehivavy ao Libanona  izy ity. Nanampy i Ahmad Yassine, bilaogera ao amin'ny lobnene.com:

Tsara ilay lalàna raha raisina ho dingana voalohany mankany amin'ny fiarovana ny vehivavy eto Libanona, saingy TSY MBOLA AMPY.

— Ahmad M. Yassine (@Lobnene_Blog) 22 jolay 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.