Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

25 Jolay 2013

Tantara tamin'ny 25 Jolay 2013

Voarara Ny Fanatrehan'Ireo Vehivavy Saodiana Ny Fitsarana Azon'ny Rehetra Atrehina

Na dia ny vadiny sy ny Renin'ilay mpitarika ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Umar Al-Saeed aza dia tsy navela hanatrika ny fitsarana azy.

Manohitra Ilay Tetikasa Fitrandrahana Arina Ao An-drenivohitr'i Filipina Ny Mponina

Hanaratsy endrika an'i Davao amin'ny maha-tanàna tsy ahitan-tsetroka azy any amin'ny faritra Azia Atsimo ny fametrahana orinasa mpanao arina.

Profesora Taiwaney Nosamborina Noho Ny Fanoherany Ny Fandravan-Trano An-katerena

"Androany ianareo mandrava an'i Taipu, rahampitso izahay mandrava ny governemanta" hoy ny hiakan'ilay profesora Taiwaney Hsu Shih-Jung raha noraofin'ny polisy izy nandritra ny fihetsiketsehana. Mizaka ny mafy tokoa ny fitolomana hisian'ny rariny sy fitandroana ny zo fototra mahaolombelona.

@InsakaChat : Sehatra Ao Amin'ny Twitter Miainga Ao Zambia Ho An'ireo Zambiana, Hiresahana Trangam-Piarahamonina

Nilaza i @InsakaChat, Mpanoratra sady blaogera Zambiana monina ao Etazonia, fa manome "toerana azo antoka ahafahana miresaka ny tena zava-misy marina" ho an'ny Zambiana izy.

Nampiditra Am-Ponja Mpisera Facebook Fito i Arabia Saodita Noho Ny Antsom-Panoherana Nataon'Izy Ireo

Tsy azo ekena ny fananana hevitra politika manohitra ao Arabia Saodita, fitondram-panjaka tokana. Voafonja ankehitriny ny lehilahy fito noho ny fiampangana azy ireo ho manohintohina ny filaminam-bahoaka sy miantso fanoherana ao amin'ny Facebook.

MaheriSetra Ve Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Ankohonana?

Nankatoavina ny lalàna fiarovana ny vehivavy amin'ny herisetra an-tokantrano tao Libanona saingy nahitsy hiarovana ny rehetra ao amin'ny ankohonana. Nandresy lahatra ny mpiserasera fa tsy mbola ampy izany.