Nikatso Tamin'ny Andro Voalohany Handefasana Azy Ilay Tranonkala Vaovao Ho Fanaovana Fitakiana Ety Anaty Aterineto Tao Shina
Nikatso tamin'ny andro voalohany handefasana azy ilay tranonkala vaovao ho Fanaovana fitakiana ety anaty aterineto tao Shina, niteraka fanarabiana sy fanakianana avy amin'ireo mpampiasa aterineto.
Nanokatra vohikala vaovao ny fitondrana Shinoa ho fandraisana ny fitakian'ny Shinoa rehetra ety anaty aterneto ny 01 Jolay 2013, ezaka izay natao haha-haingana ny dingana arahana ary narahana fanomezan-toky manao hoe “ny tranga rehetra atao amin'ny alalan'io tolotra vaovao io dia hahazo valiny avokoa,” araky ny nambaran'ny Xinhua Nouvelles [zh].
Kanefa dia nikatso ilay vohikala vaovao ny maraina voalohany nisokafany noho ny habetsaky ny mpiserasera. Na dia niverina nandeha indray aza ilay vohikala ny tolakandro dia mbola nisy olana maro hafa. Ohatra iray izao, tsy mahazaka Internet Explorer ilay izy.
Fomban-drazan-dry zareo Shinoa ny mandeha manatona mivantana ny Amperora any Beijing hitondra ny fitarainany raha toa ka tsy raharahian'ny governemanta ao an-toerana ny fitakian'izy ireo. Kanefa ankehitriny, na mbola azo atao aza izany fitarainana dia tena tsy tsara amporisihana mihitsy. Matetika no mitady ny rariny amin'ny alalan'ny rafitra ara-dalàna na ireo birao eo an-toerana ny mpanao fitarainana. Na dia izany aza, manatona any amin'ny birao Nasionaly any Beijing ihany ireo izay tsy afa-po tamin'izay heverina ho tsy nahazo rariny. Vao tsy ela izay, nirona tany amin'ilay White House Petition Website (Vohikalan'ny Trano Fotsy atao Ho Fitarainna) ny vahoaka hitady fanampiana.
Nametrahana fanontaniana maro mikasika ny fahamatorany amin'ny fiatrehana io tetikasa vaovao io ny governemanta noho ilay fikatsoana. Tao amin'ny Sina Weibo, ilay vohikala malaza indrindra fitorahana bilaogy kiritika, ny fikarohana ny hoe “fitakiana tanaty vohikala ” dia ahitàna serasera mihoatran'ny 525.364 [zh] ny 02 Jolay 2013. Maro tamin'ireo mpampiasa aterneto no niahiahy be ihany ny amin'ny hahatanteraka io rafitra fitakiana anaty aterneto io, ary misy mihitsy ireo matahotra fa mety hampiasain'ny governemanta ho amin'ny fanaraha-maso ireo mpitaraina io vohikala io.

Sarin'ilay vohikala fitarainana
Ilay gazety “Yunxin Shiping” ao Yunnan dia namoaka ampahana fanehoan-kevitra mitondra ny lohateny hoe “Inona no dikan'ny Aretin'Ilay Tranonkala fanaovana fitakiana” :
正是因为基层行政机关、司法机关积压了太多的纠纷,才导致公众“不信法而信访”,万事往上走。可关键是,信访也并不是坦途,网上投诉开放之后,网站被挤瘫虽是在情理之外,倒是在意料之中。公众挤瘫国家信访局门户网站,鼠标背后,有多少权利被压抑,有多少权力的冷漠与傲慢,有多少基层组织不作为甚至乱作为……似乎不难想象。
Satria be loatra ny fitarainana tsy raharahian'ny sampan-draharaham-panjakana sy ny sampan-draharahan'ny fitsarana, izany no mahatonga ny vahoaka tsy mahatoky ny lalàna fa ny fitakiana, tsy maintsy ampakarina amin'ny sehatra avo avokoa ny zava-drehetra. Fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe tsy mora ny làlana mankany amin'ny fitakiana, mihoatra lavitra noho ny lojika ny fikatsoan'ilay vohikala taorian'ny fisokafany, kanefa efa nampoizin'ny maro ihany. Aorian'ireny fanapotsirana ny “souris” ireny, firy ny zo voahosihosy, firy ireo tomponandraikitra mody fanina sy miavona, ary firy ireo fikambanana ao an-toerana no tsy nanao inon'inona na nanao zavatra tsy araka nytokony ho izy…… Tsy sarotra ny alaina sary an-tsaina izany.
“Qingwa Mading” dia nitaraina [zh] momba ilay rafitra fitakiana amin'ny ankapobeny sy ny tsy fandehanan'ilay vohikala tsara. Nolazainy ihany koa fa mamatsy torohay mora foana ho an'ny governemanta ny olona manoratra ny tena anarany ao, izay hanamora ny fanakànany azy ireo tsy hanao fitakiana intsony :
在一个公民需要通过信访寻求公正的国度,谈民主和自由是可笑的事情,因为法治的社会一切不公都能通过法律解决。中国网上信访局成立,用Chrome打开竟提示不支持,看来网站建设的费用又被哪个官员的亲戚装口袋了。注册须用身份证号码进行实名验证,减轻了今后地方截访的工作量。
Ao anaty firenena iray izay ny fanangona-tsonia fanaovana fitakiana no ianteheran'ny olona hikatsahany ny rariny, mampihomehy be ny hiresahana demokrasia sy fahalalahana, satria raha any amin'ny firenena manara-dalàna, dia voavahan'ny lalàna avokoa ny tsy rariny ara-tsosialy rehetra. Natsangana ny Birao Fitakiana Anaty vohikala ao Shina, kanefa tsy mahazaka Chrome akory, toy ny hoe lasa any am-paosin'ny fianakavian'ny mpitondra sasantsasany ny vola tokony hampiasaina tamin'ny fananganana ilay vohikala. Mila fanamarinana amin'ny nomerao karapanondro ny fisoratana anarana, izay hanampy hanamorana ny asan'ny manampahefàna eo an-toerana mihevitra ny hanakana ireo mpanao fitakiana.
Ilay bilaogera “Laoshu Jiazi Beiyong” dia nanazava[zh] ny antony nilazany fa tsy hanjary io fitakiana anaty aterneto io :
从以往一些信访纠纷来看,多数基层或边远地区的访民,都不太善用网络,号召他们通过网络渠道表达诉求,可能难以收到良好成效。另一方面,很多访民“信访不信法”“信国家信访办不信地方信访局”,是因为与后者相比,通过到北京上访的方式伸张正义,概率相对大一些。但是,很多访民都曾遇到“踢皮球”或“冷处理”的对待,即便通过网络上访,同样不能避免这种问题;而那些惯于以“堵”“捂”“压”的方式应对访民的地方政府,只需将以前的“进京截访”变成“网络截访”,就同样可以抹掉所谓的“负面信息”。
Raha tsy hijery afa-tsy ireo mpanao fitakiana teo aloha, dia hitantsika ao fa avy any amin'ny toerana lavitra andriana tsy dia ahitàna aterineto avokoa ny ankamaroan'ny mpanao fitakiana, mety tsy handeha mihitsy noho izany ny filazana amin'izy ireo ny tokony hampiasàny ny aterineto ho fitaovana hanaovany fitakiana. Amin'ny lafiny iray, maro amin'ireo mpanao fitakiana no tsy mahatoky ny fitsarana fa aleony fitakiana, tsy mahatoky ny birao fametrahana fitakiana ao an-toerana izy ireo fa aleony ny birao nasionaly satria fantany fa manana hirika kokoa izy ireo raha mankany Beijing hitaky ny rariny. Na dia izany aza anefa, maro amin'ireo mpanao fitakiana no tratran'ny fanilihana andraikitra (pass the buck) na ny “fandraisana mangatsiatsiaka”. Ary na dia manao fitakiana anaty aterineto aza izy ireo, dia tsy afaka misoroka ireo olana voalaza ireo ihany. Tokony hanova paika indray ny governemanta ao an-toerana izay zatra “mandrara”, “manafina”, ary “manery” mba hifandraisana amin'ireo mpanao fitakiana “Amin'ny fanakànana ny olona tsy ho any Beijing” ka hatramin'ny famafàna ny atao hoe “fampahafantarana ratsy.
Ilay mpanao famakafakana Wang Chuanyan dia nampitandrina [zh] ny mety hisian'ny fanaraha-maso anaty aterineto ataon'ny governemanta :
上访民众的网络安全,首先应该是上网过程的安全,到底有没有被当地政府监控,自身的信息资料是不是已经被冻结,其网络信息是不是也已经被监控等等。
Mbola olana ny fiarovana ireo mpanao fitakiana anaty aterineto. Voalohany, ny fitandroana fahazoana antoka ireo dingana ao anaty aterineto, moa misy ve ny rafitra fanaraha-maso apetraky ny governemanta eo an-toerana? Efa voaara-maso ve ny fampahafantarana avyamin'izy ireo? Efa voasivana sahady ve ny torohay ety anaty aterneto?
Ilay mpanoratra Jin Maolou dia namintina toy izao [zh] :
在基国,执法就是打人,税收就是抢劫,信访就是踢皮球。今日国信局宣布全面接受网上投诉并承诺“事事有着落、件件有回音” 。下午,网站瘫痪。其实民众何必这么热情呢。信访局本就是违宪怪胎,指望它那是缘木求鱼。办法不是没有,取缔信访局,司法真正独立,不从根子上解决问题,作秀自嗨有何用。
Eto amin'ny firenentsika, miafara amin'ny herisetra ny fampiharana ny lalàna, halatra ny haba, ampiasaina fotsiny ny fitakiana mba hialàna bala tsy handraisana andraikitra. Anio, namoaka fanambarana ilay birao fa ekeny ny fanaovana fitakiana anaty aterineto ary nanome toky fa “ny tranga rehetra atao amin'ny alalan'io tolotra vaovao io dia hahazo valiny avokoa.” Na dia izany aza, nikatso ilay vohikala ny tolakandro. Ny marina, Inona no tena itiavan'ny olona ilay vohikala ? Ilay biraom-pitakiana izy tenany aza biby mampitahotra, tsy ilaina ny mametraka fitokisana aminy. Iray ihany ny làlana, rafitra lalàna iray mahaleotena tanteraka. Raha tsy vahana ifotony ny olana, inona no ilàna io fampisehoana io ?
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...