Tantara tamin'ny 07 Jolay 2013
Ny Mpiseraseran'ny Tambajotra Shinoa Faly Mitsaho sy Iva Fari-Pahaizana Hoy ny Tatitra
Tati-baovao avy amin'ny Akademia Shinoa Misahana ny Siansa Sosialy izay tantanin'ny fanjakana ka manome marika ny tambajotra sosialy ao Shina ho milina mpandefa tsaho sy ny mpisera amin'ny tambajotra sosialy ao Shina ho iva fari-pahaizana sy fidiram-bola no nanaitaitra indray ny ao amin'ny mpiserasera.
Tadjik Mpikambana Ao Amin'ny Parlemanta Mitsipaka Ny Mariazy Mifangaro “Indrindra Amin'ny Shinoa“
Tsy fandre matetika hoe lasa resabe nasionaly ny hevitry ny Solombavambahoaka malemy paika iray ao Tajikistan, kanefa vetivety dia latsaka am-bavan'ny maro ny anaran'i Saodat Amirshoeva, vehivavy iray mpikambana ao amin'ny Parlemanta (MP) izay manana hevitra mafonja maro mikasika ny mariazy mifangaro.
Morales Sy Snowden : Tezitra Noho Ny Olana Diplaomatika Ireo Filoha Any Amerika Latina
Lasa sehatra ara-diplomatika isan'ny sarotra indrindra tao anatin'izay taona vitsy lasa izay ny tanànan'i Vienna, Aostralia, tamin'ny fotoana nanaovan'ny fiaramanidin'ilay Filoha Boliviana Evo Morales fipetrahana maika tao, nohon'ny fisian'ny fanakanana [es] an'habakabaka nataon'ny Espaina, Frantsa, Portiogaly ary Italia azy amin'ny fiahiahiana azy ho nanampy an'ilay mpamoaka tsiambaratelom-panjakana Edward Snowden hivoaka an'i Rosia. Naneho ny heviny mikasika ilay raharaha ara-diplomatika tao amin'ny Twitter ireo Mpitondra any Amerika Latina.
Hoy Ejipta : “Tsy Fanonganam-panjakana io”
Ny fitsabahan'i Etazonia amin'ny raharahan'ny Ejiptiana - sy ny resaka resahan'ny filazam-baovao anaty aterineto, indrindra ny CNN, mikasika ny fivoarana ara-politika ao Ejipta - no namaivay be ny alina lasa teo. Nahitàna fankalazana nanerana ny firenena ny fanalàna ilay filoham-pirenena Mohamed Morsi taorian'ny herintaona nitondràny, teo ihany koa ny andianà herisetra nifanaovan'ireo mpanohana sy mpanohitra an'i Morsi.
Miala Amin'ny Maha-Filohan'ny Anjerimanontolo Azy Fa Marary Mafy Ny Rain'ilay Rindrimbe Aro Afo Goavana Ao Shina
Fang Binxing, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ny torohay, nomena solon'anarana hoe “rain'ny Great Firewall - Rindrimbe Aro Afo Goavan'i Shina”, dia niala tamin'ny toeran'ny filohan'ny Anjerimanontolon'i Beijing misahana ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Nampitraotra ny tao anaty aterineto ary nahatezitra ny vondrom-piarahamonin'ny manampahaizana mikasika ny Aterineto ny fanapahan-keviny tampoka ny hiala--nataony nandritra ny kabariny fanokafana taom-pianarana teny amin'ny anjerimanontolo.
Nikatso Tamin'ny Andro Voalohany Handefasana Azy Ilay Tranonkala Vaovao Ho Fanaovana Fitakiana Ety Anaty Aterineto Tao Shina
Nikatso tamin'ny andro voalohany handefasana azy ilay tranonkala vaovao ho Fanaovana fitakiana ety anaty aterineto tao Shina, niteraka fanarabiana sy fanakianana avy amin'ireo mpampiasa aterineto.
Ejipta : Ady Amin'ny Herisetra Ara-nofo Eo Amin'ny Kianja Tahrir
Ny andron'ny tsingerintaona voalohany nitondran'ilay Filoha teo aloha Mohamed Morsi, Ejiptiana an-tapitrisany no nanao hetsika ho fanoherana ny fitondrany. Raha iny nihafeno iny ny kianja Tahrir, izay ivon'ny revolisiona Ejiptiana tao afovoan-tanànan'i Kairo, dia nijoro nanohitra ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana ireo fikambanana miady amin'ny herisetra ara-nofo. Nahitàna fitomboany mantsy ny herisetra ara-nofo nandritra ilay famoriam-bahoaka farany teo alohan'io, indrindra fa teo amin'ny kianja Tahrir.
Sempotry Ny Zavona i Singapore Sy Malezia
Nahatakatra haavony mampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra any Singapore sy Malezia taorian'ny nandrakofan'ny setroky ny doro ala ny mpiray vodirindrina aminy, Indonezia. Io no zavona ratsy indrindra hita tany Azia Atsimo tanatin'ny taona vitsy. Nampiato ny fianarana tany amin'ireo toerana tratr'izany i Malezia raha nanome sosokevitra ny vahoakany hiomana amin'ny fihitaran'io zavona io. Efa nanao fialantsiny ofisialy i Indonezia manoloana io zavona io.
St. Kitts & Nevis: Eo Am-Panoherana ny Praiminisitra
Tsy fahita firy ao amin'ny politika any Karaiba, izay masiaka ny firaiketam-po amin'antoko, saingy tafakatra avo kosa ny fifanenjanana politika ao St. Kitts and Nevis taorian'ny fialan'ny minisitra zokiolona roa...
Lahatsary : Miely Manerana An'i Brezila Ny Hetsi-panoherana ‘Fitroarana Vinaigitra’ Mitsipaka Ny Fiakaran'ny Saran-dalana
Efa miparitaka manerana ny tanana ilay onjam-panoherana manohitra ny fiakaran'ny saran-dalana ao São Paulo ary lasa hetsika nasionaly mihitsy.