14 Avrily 2012

Tantara tamin'ny 14 Avrily 2012

Jordania : Lasa Ny Herintaona, Mitohy ny Fifandroritana

Ny faha 24 Ny faha 24 Marsa, 2012 - herintaona ilay Faran'ny herinandro izay nanohina ny Jordania iray manontolo, ka nampisondrotra ny finiavana ho amin'ny fanovana. Io no tsingerintaonan'ilay faran'ny herinandro nanaovan'ny andiam-bondrona isankarazany avy ao Jordania hidina an-dalàmbe tao amin'ny lalàmben'i Amman nanaovana hetsika am-pilaminana ary nifanandrina tamin'ny vondrona mifanohitra aminy izay manao azy ireo ho 'Home Calling' na 'Miantso ny Tanindrazana' (Nidaa Watan)

Arzantina: “Tsy Matoky Ny Sekoly Aho Fa Mino ny Soa Azo Avy Amin'ny Fanabeazana”

  14 Avrily 2012

Namoaka ny voalohany indrindra amin'ny andian-dahatsary manindry letam-pahefana ny rafi-pampianarana mahazatra mitondra ny lohateny hoe Tsy matoky ny sekoly aho fa mino ny soa azo avy amin'ny fanabeazana ny Educación Viva (Miaina ny Fanabeazana). Ao amin'ny lahatsary ahitana dika an-tsoratra no ahitana lahy sy vavy mihoatra ny 20 miantsa an-tononkalo ny mahasamy hafa ny rafi-pampianarana sy izay heverin'izy ireo ho fanabeazana.

Tonizia: Entona Mandatsa-dranomaso Sy Kobay Hanaparitahana Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'Asa

Nikarakara hetsi-panoherana any amin'ny vohitri' Tunis ny Fiombonan'ireo Manana Diplôma Tsy an'asa ny 7 Aprily 2012. Nampiasa entona mandatsa-dranomaso sy kobay ny mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanohitra rehefa nikasa ny handika ny fandraràna hanao fihetsiketsehana tao amin'ny Kianjan'ny Habib Bourguiba, kianja lehiben'ny renivohitra, izy ireo.