Tantara tamin'ny 26 Marsa 2011
Yemen: Nitaky ny fametraha-pialàn'i Saleh ao Sanaa ireo vahoaka maro be
Fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana tao Yemena taona 2011 ity lahatsoratra ity. Vahoaka an'arivony no nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny Fiovana, tao an-drenivohitra Yemenita Sanaa, mba hitaky ny fialan'ny Filoha Ali...
Syria: ‘Zoman'ny Voninahitra’ Hetsi-Panoherana Mipongatra Manerana ny Firenena
Hetsi-panoherana gaovana no nipoaka tany amina tanàna maro tany Syria tamin'ity Zoma ity ho setrin'ny antso hanaovana “Zoman'ny dignité” taorian'ny famoretana tan-kerisetra nataon'ny fanjakana, nahafatesana mpanao fihetsiketsehana ampolony mahery tany amin'ny tanàna atsimon'i Daraa sy tany amin'ireo tanana manodidina.
Paragoay: Fahasarotana am-piterahana asehon'ny bilaogin-tsary
Ny olom-pirenena ao Asuncion, renivohitr'i Paragoay, dia tsy mahatsiaro matetika ireo zaza vao teraka ho toy ny antom-pahafatesana iraisan'ireo vehivavy Paragoayana. Mbola tsy tafita tsara any amin'ny haino aman-jery be...
Myanmar: Sary Avy Amin'ilay Faharavana Nentin'ny Horohorontany
Horohorontany iray nanan hery 6.8 no namely ny ilany avaratsa-atsinanan'i Myanmar ny harivan'ny Alakamisy 24 Martsa 2011, izay re hatrany akaikin'i sisintanin'i Thailand ary hatrany Vietnam sy Shina lavitra any mihitsy aza. Ilay fihetsehana dia namoizana aina 70 ary nandrava trano maherin'ny 240 tao Myanmar fotsiny. Tao an-tananan'i Tachilek, vatampaty maro no lafo ora maro taorian'ilay horohorontany.
Syria : Horonantsarin'ny famoretana tao Daraa
Mitohy ny famaizana ny fihetsiketsehana ao Daraa ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona maty sy maratra, misy ny sary nalaina tao amin'ny YouTube an'ireo olo-tsotra mpaka-sary ao an-tanàna, YouTube izay tranokala vao noesorina...