11 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 11 Marsa 2011

Filipina: Fanaraha-maso Tsunami sy Tsaho Horohorontany

  11 Marsa 2011

Taorian'ilay horohorontany nahery vaika namely an'i Japana, navoaka ny fampitandremana ny mety hisianà tsunami hamely faritra amorontsiraka 19 any Filipina. #Batanes sy #Samar dia lasa lohahevitra nironan'ny rehetra tao amin'ny twitter. Batanes dia ny faritra tena faran'ny avaratra raha i Samar dia miresaka ny tatitra diso hoe nisy horohorontany namely ny faritanin'i Samar.

Maraoka: Ny kabarin'ny Mpanjaka ao amin'ny Twitter

Tamin'ny Alarobia, nanao ny lahateniny voalohany ho an'ny firenena ny Mpanjaka Mohammed VI hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana mandàla ny demokrasia. Tsy niteny mivantana momba ny hetsika, fa nampanantena "fanovàna lalampanorenana mazava" sy fitsapakevi-bahoaka momba ny "fitsinjaram-paritra tsara," mikendry izay hanomezana fahaleovantena tanteraka ny faritra manoloana ny governemanta izy

Japana: Ny ao Tokyo taorian'ilay horohorontany

  11 Marsa 2011

Ny Zoma, 11 Martsa 2011 tamin'ny 2:46:23 tolakandro ora any an-toerana, horohorontany manana tanjaka 8.9 no niantraika tamin'i Japana, ny goavana indrindra voarakitry ny tantara. Ora 5 no efa lasa...

Roandà: Bilaogera nanasa Filoha tamin'ny alalan'ny Tweeter

  11 Marsa 2011

Ity dia tantara milaza ny fanasana nataona bilaogera Kenyana iray mipetraka ao Roandà an'ny Filoha Roandey Paul Kagame tamin'ny alalan'ny Twitter mba hamangy ny ankizy ao amin'ny kianjan'ny Tennis Ibirunga ao an-tanànan'i Musanze. Namaly ny antso ny Filoha Kagame ary dia niafara tamin'ny famangiana azy ireo izany

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.