Ali Abdulemam, mpitoraka blaogy Barhaini iray misongadina sady mpanoratra ho an'ny Global Voices Advocacy, dia nosamborin'ny manampahefana Barhaini vao maraina tamin'ity androany ity noho ny fiampangana azy ho nanely “vaovao tsy marina” tao amin'ny vavahadin-tseraseran'ny BahrainOnline.org, iray amin'ireo mpanome vaovao isan'ny malaza be sady mpandala ny demokrasia ao Bahrain, nandritra ireo vanim-potoanan'ny jadona ara-poko sy tsy refesi-mandidy an-taona maro nataon'ny governemanta. Ny vavahadin-tseraseran'ny The BahrainOnline dia voasakana izao ao Bahrain. Vao maraina dia nandefa hafatra mailaka izy nilazany ny naharaisany antso avy amin'ny Sampam-piarovam-pirenena Bahraini, izany dia talohan'ny nisamborana azy mihitsy, avy eo dia nosamborina izy ary notondroina ho nikasa handositra.
Araka ireo tatitra, ny governemanta Bahraini dia efa goaika antitra mitàna ny loha-laharana amin'ny fampiasana herisetra amin'ireo tsy mpankasitraka http://bit.ly/9kZyJQ ary ny Tv an-dry zareo dia nandefa hafatra feno fankahalàna ara-poko mba hanamarinana ny herisetra ataony
Ali dia nosamborina koa tany aloha noho ny votoaty navoakany tao amin'ny vavahadin-tseraserany, ary mandray anjara arakarak'izay fahafahany ao amin'ny Global Voices Advocacy sy ny Global Voices Arabic Lingua.