Tantara tamin'ny 05 Septambra 2010
Pero: Ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny ‘Nubeluz’
Nanao hetsika mikasika ny Fitsingerenan'ny faha 20 taonan'ny fandaharan'ny Fahitalavitra Nubeluz ireo mpitoraka bilaogy Peroviana, fandaharana nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 1990 ary nanjary ho fandosiran'ireo tanora sy lehibe ireo fotoan-tsarotra natrehan'ny firenena nandritra ireo taona ireo .
Kambodza: Mihamanakaiky ny BarCamp Phnom Penh 2010
Ny BarCamp Phnom Penh 2010, izay ho tontosaina ny 25 ka hatramin'ny 26 Septambra, dia manantena handray 1.000 zo ho eo amin'ireo mpandàla mavitrika ny IT (Teknolojian'ny Informatika).Ity no hetsika BarCamp fahatelo any Kambodia hatramin'ny 2008
Malezia: Fanafihana nitranga nohon'ny fanavakavaham-bolon-koditra tamin'ny Andro fitsingerenan'ny nahazoana ny fahaleovantena
Tamin'ny takarivan'ny Andro fitsingeren'ny nahazoan'i Malezia ny fahaleovantenany dia nisy tantara iray notaterina tao amin'ny Facebook momba ny fanafihana nitranga nataon'ny tanora maro nohon'ny resaka fanavakavaham-bolon-koditra. Ireto manaraka ireto ary ny sombitsombiny amin'ny fomba fijery sy fisainan'ny Malezia mikasika izany fanavakavaham-bolon-koditra ao Malezia ankehitriny izany.
Bahrain: Nosamborina i Ali Abdulemam, mpitoraka blaogy sady mpanoratra ho an'ny Global Voices
Ali Abdulemam, mpitoraka blaogy Barhaini iray misongadina sady mpanoratra ho an'ny Global Voices Advocacy, dia nosamborin'ny manampahefana Barhaini vao maraina tamin'ity androany ity