Mandinika ny fihatsarambelatsihy ilay mpitoraka blaogy Alzeriana Salim (Ar) ary manontany hoe: Lasa lamaody ve ny fihatsarambelatsihy?
Ao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Gossip, Thanks to Hypocrisy [Fosafosa, Misaotra noho ny Fihatsarambelatsihy], manontany i Salim:
ذاك الذي يضحك في وجهي و يسعد بتشويه صورتي عند الناس في ظهري ، هل يستمتع ؟ . و ذاك الذي يلعن أم الحكومة في غيابها و يضحك للشرطي في الطريق و يهتف للرئيس في جولته ، هل هو مستمتع ؟ . ذاك الذي ينصحني و يفكر في أمري و يشغل باله بي ، هل يفعل ما يفعله في ظهري ؟ ..
Ny valinteniny amin'ireo fanontaniana ireo dia:
Manohy ihany ilay mpitoraka blaogy:
أعود للأسلة وهذه المرة سؤال بإجابته ..
بذمتك يا سليم، هل كنت سعيدا حقا أمس عندما تراقصت مع أصدقائك الستة الذين تحصلوا على البكالوريا ؟ كنت تقود بتهور و تشغل الموسيقى العالية و تصفق و تصرخ … وربي لم تسعد، كنت في هدوء صاخب، داخلك كان هادئا جدا باثر الحرقة .. على كل شيئ، و الصخب يملأ كل مكان حولك حتى جسمك ، من أيديك إلى أحبالك الصوتية المهتزة .. كم لوعة مرت عليها لتصرخ، إخراج كبت هو أم نفاق ؟؟
Hiverina hametra-panontaniana aho, nefa amin'ity indray mitoraka ity dia hisy valiny ny fanontaniako.
Resaka matotra ry Salim, tena faly tokoa ve ianao omaly raha niara-nandihy tamin'ireo namanao enina izay vao nahazo ny diplaoma Bakalorea-ny? Nitondra fiara tsy am-pitandremana ianao ary nandefa ny mozika faran'izay mafy, dia nitehaka dia nihorakoraka… Nefa ny marina dia tsy faly mihitsy ianao! Nikorontan-tsaina mangiana ianao. Tany anatinao tany, nangina ianao ary niakatr'afo noho ny zava-drehetra… nanodidina ny tenanao dia fikorontanana tanteraka, nanomboka tany amin'ny tananao hatramin'ireo tadim-peonao mihetsiketsika. Fanaintainana toy inona no efa nodiavinao ka nahatonga anao hihorakoraka be toy izao? Namoaka ny tao am-ponao ve ianao sa nihatsaravelatsihy?
Mamarana i Salim:
أذا كان هذا نفاقا فمن الأكيد أن ذاك الذي يطعنك في ظهرك و ينافق الحكومة ليس مستمتعا ، لأنك أنت يا سليم حزين بنفاقك مع نفسك .. ومع الكل الذي لاحظ الحزن عليك ..
Lasa lamaody koa ve ny fihatsarambelatsihy any amin'ny fiarahamonina misy anao? Mandraisa anjara amin'ny adihevitra amin'ny fanehoan-kevitra amin'ity lahatsoratra ity.