· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Cap Vert tamin'ny Aogositra, 2018

Cap Vert: Nahoana No Misondrotra Ny Vidin'ny Solika?

  28 Aogositra 2018

Miaina ao anaty firenena iray tena mahantra isika, izay miankindoha tanteraka amin'ny ambin'izao tontolo izao mikasika ny famatsiana azy. Ao an-tokantrano ihany ny famokarantsika ary izay rehetra hanintsika sy sotrointsika dia avy any ivelany avokoa. Vokatr'izay, ry mpitondra malala, na eo aza ny mampiavaka ny firenentsika sy ny toekarena erantany, dia ilaina ny mamorona safidy hafa amin'ny fiankinantsika loha amin'ny solitany. Tsy mila mamorona kodiarana isika. Maro ireo ohatra eran'izao tontolo izao, fa ilaintsika fotsiny ny haranitantsaina mba hamahàna ireo olana ao amin'io firenena io.