Tantara tamin'ny Tselatra sy Fanoherana
Miady amin'ny fandringanana tsy mitsahatra ny alan'i Akbelen any Torkia ireto vehivavy ireto
Fikambanana miisa 300 eo ho eo no nivondrona ao anatin'ny antson'ny mponina mba hampitsaharana ny asa fitrandrahana sy fandringanana ala rehetra ao amin'ny faritra, araka ny fanambarana navoaka tamin'ny 28 Jolay.
Mpihira nahazo sazy an-tranomaizina henjana noho ny fandoroana ny biraon'ny miaramila ao Rosia
Na dia manohana na mangina momba ny ady aza ireo mpiangaly mozika hafa sasany avy amin'ny "taranaka taloha (antitra)" ao amin'ny klioba rock Urals, dia manohitra kosa ireo tanora mpiangaly mozika avy ao Urals.
Manaraka izay voasoratra fahiny ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàm-panorenana ao ‘Ozbekistàna Vaovao’
Fiombonan-kevitra tsy misy nitsipaka ny an'ny vondrom-piarahamonin'ireo manampahaizana tsy mainkina hoe ny tanjona lehibe amin'ny anaovana fitsapankevi-bahoaka dia ny hanafoanana ilay fe-potoam-piasana roa teo aloha an'ny filoham-pirenena Mirzioyev ary hanokafana varavarana ho an'ny fahafahany mirotsaka hofidiana indray
‘Tantaram-pitiavana ao amin'ny firenena feno fankahalana’: mpikatroka nogadraina tany Rosia noho ny ‘propagandy’ LGBTQ
Ankoatra ny sivana miely patrana, mitarika teritery tsy mbola nisy toy izany amin'ny olona LGBTQ+ sy ireo fikambanana manampy azy ireo ny lalàna Rosiana momba ny “fampielezan-kevitra iadiana amin'ny LGBT”.
Nanao diabe ny vehivavy nanamarika ny Andron'ny 8 martsa tany Tiorkia, na teo aza ny faneriterena ataon'ny fanjakana
Nandritra izany fotoana izany, nampanantena ny antoko mpanohitra fa ity no diabe farany ataon'ny vehivavy ahitana ny fanatrehan'ny polisy maro sy fandraràna.
Any Rosia, tsy azo antoka ho an'ny ankizy ny lalao video. Saingy tsy noho ny antony mahazatra
Migadra dimy taona noho ny fikasana hanorina ny tranoben’ny FSB sy hanapoaka izany ao amin'ny Minecraft i Nikita Uvarov, zatovo avy any Siberia.
Nihira ny ‘Zhyve Belarus’ (Ho ela velona i Belarosia!) ny tarika nambaran'i Lukashenka fa mahery fihetsika
Zara raha resahana ao amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, mampiasa famoretana tahaka an'i Stalin amin'ny olom-pireneny ny fitondran'i Lukashenka. Notazonina sy enjehina ireo mpanohitra ary, amin'ny tranga maro ankehitriny, dia toy izany koa ny fianakaviany.
Nosamborin'ny polisy ao Azerbaijan ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny andro nitsarana ilay mpikatroka
Tamin’ny 23 Desambra, nikasa hanao fihetsiketsehana ho fanohanana an'i Hajiyev ny vondrona mpanohana rehefa namoaka didy ny fitsarana ambony ao Baku fa hitazona an'i Hajiyev ao am-ponja.
Misedra olana ara-pahasalamana ny filohan'i Zeorzia teo aloha
Niharatsy ny fahasalaman'ny filoha teo aloha izay voafonja, hoy ny tatitra ara-pitsaboana na dia teo aza ny fitsaboana tao amin'ny tobim-pahasalamana nanomboka tamin'ny volana Mey.
Ho an'ireo fetin-tsekoly amin'ny alina hiandrasana Taombaovao ao Maosko, toa hoe tsy mendrika ny mozika sasantsasany
Artista miisa 29 no hita ao anaty lisitra. Ny sasany amin'izy ireny, toa an'i Little Big sy Manizha, dia nisolo tena an'i Rosia tany amin'ny fifaninanana Eurovideo. Izy rehetra ireo dia samy nanameloka mivantana ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina avokoa.