Any Rosia, tsy azo antoka ho an'ny ankizy ny lalao video. Saingy tsy noho ny antony mahazatra

 

Pikantsarin'ny The Insider on YouTube, Nikita Uvarov.

Vehivavy mpikarakara tokantrano i Elena ary mipetraka ao amin'ny tanàna kely Rosiana tsy lavitra an'i Moskoa. Indray Alahady maraina, reny ny zanany lahy 8 taona nikiakiaka sady nirehareha hoe: “Neny a! Matiko i Potinina ! Notifiriko teo amin’ny lohany fotsiny izy!” Nivoarahontsana izy.

Mazava ho azy fa tsy nitifitra na iza na iza ny zanany. Tsy fantany akory hoe iza i Potinina. Fa raha ny marina, nilalao an-tserasera lalao video misy fitifirana izy, izay ahitana olona hafa mandray solon'anarana mba handray anjara. Saingy mitombina ny tahotra an'i Elena: amin'izao fotoana izao any Rosia, voasazy ny ankizy raha tsy miteny sy manao zavatra latsak'izany.

Tamin’ny 17 Janoary 2023, nanamafy ny sazy an-tranomaizina 5 taona azon'i Nikita Uvarov noho ny filalaovana Minecraft fony izy 16 taona ny Fitsarana Tampony Rosiana.

Araka ny notaterin’ny Radio Liberty tamin'ny Febroary 2022, samy 14 taona tamin'ny nisamborana azy ireo tamin'ny taona 2020 tany Krasnoyarskii krai any Siberia i Nikita sy ireo zazalahy roa hafa, Denis Mikhailenko sy Bogdan Andreev. Tamin'ny fotoana nisamborana azy ireo, nametaka taratasy kely teo amin’ny toeran’ny tranobe misy ny FSB (ny FSB no sampan-draharaham-piarovana federaly ao Rosia, rafitra fampiharana ny lalàna izay nandimby ny KGB) izy ireo ho fanohanana an'i Azat Miftakhov, mpikatroka Tatar-Rosiana, mpahay matematika sady mpikatroka politika. Nogadrain'ny polisy tao Moskoa i Azat tamin'io fotoana io noho ny filazana fa namaky ny varavarankely ary manipy grenady tao amin'ny biraon'ny antoko mpanohana ny governemanta. Vao 26 taona monja izy, mpianatra ho doctorat tany Moskoa.

Taorian’ny fisamborana an’ireo tovolahy ireo, nalain’ny polisy ny findain-dry zareo ary taty aoriana dia nilaza izy ireo fa nahita resaka tao amin'ny telefaona izay nikasa ny hampiditra ny tranoben'ny FSB tamin'ny lalao Minecraft ireo ary hanapoaka ilay toerana. Sampan-draharaham-piarovana federaly ao Rosia ny FSB, rafitra fampiharana ny lalàna izay nandimby ny KGB.

Nilaza ihany koa ireo mpanao famotorana fa nanakiana ny FSB ireo ankizilahy ireo, namaky boky voarara, nanamboatra tsipoapoaka namboarin-dry zareo ihany, ary nanapoaka azy ireo tao amin'ny tranobe tsy misy mpipetraka ao amin’ilay tanàna misy azy ao Kansk ao amin'ny Krasnoyarsk Krai any Rosia.

Raha nalain'ny fahitalavitra teo an-toerana nandritra ny fitsarana azy voalohany tamin'ny taona 2022, nilaza i Nikita fa “velom-pankasitrahana ho an’ireo rehetra nanohana azy sy ny namany.

Nilaza ny mpisolovavan’i Nikita tamin’ny fampitam-baovao avy any an-toerana ny 17 janoary 2023, fa efa in-telo izy ireo no nampiakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana ambony hatreto, saingy tsy niova ny didim-pitsarana. “Ny sazy mihantona no hany nangatahanay mba hamitany ny saziny ivelan'ny fonja. Nivonona tamin’izay nitranga i Nikita. Nanam-panantenana ny fianakaviana, saingy sarotra tanterahina izany amin'ny zava-misy ankehitriny”, hoy ny mpisolovava an'i Nikita, Vladimir Vasin.

Ny andro talohan'ny nitsarana azy tamin'ny taona 2022, niresaka tamin'ny fampitam-baovao Insider i Nikita sy ny reniny momba ny zavatra noforoporonina mikasika ny raharahany. Misy tranonkala natokana ho an'ny raharahan’ny tanoran'i Kansk, sy fantsona Telegram. Hafindra any amin’ny fonja natokana ho an'ny olon-dehibe i Nikita Uvarov rehefa feno 18 taona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.