Misedra olana ara-pahasalamana ny filohan'i Zeorzia teo aloha

 

Sary avy amin'ny Antoko Vahoaka Eoropeana. Nampiasaina malalaka tamin'ny lisansa CC BY 2.0.

Nilaza ny foibe fitsaboana ara-tsaina ao Zeorzia Empathy tamin'ny 1 Desambra fa mety ho faty noho ny fahasarotana ara-pahasalamana raha tsy manomboka mahazo ny fitsaboana ilaina, indrindra any ivelany ny filohan’ny firenena teo aloha, Mikheil Saakashvili, izay migadra amin'izao fotoana izao. Nosamborina tamin'ny volana Oktobra 2021 ity filoha Zeorziana fahatelo ity rehefa niampita an-tsokosoko tany Zeorzia tamin'ny alin’ny fifidianana tany an-toerana ary voaheloka higadra enin-taona. Nafindra tany amin'ny tobim-pitsaboana teo an-toerana izy tamin'ny volana Mey 2022.

Araka ny filazan'ny Empathy, mifototra tamin'ny tatitra antsipiriany nataon'ny vaomieran'ny manam-pahaizana manokana ahitana Zeorziana miisa folo sy iraisampirenena miisa enina, tratran’ny aretina isan-karazany izay tsy azo tsaboina any am-ponja ny filoha teo aloha. “Mila fitiliana haingana momba ny singa fanapoizinana, anisan'izany ny akora simika sy ny akora radioaktifa, raha tsy izany, satria azo heverina ny fisian'ny fanapoizinana, tsy fahatsiarovan-tena ary fahafatesana,” hoy ny tatitra.

Tamin'ny 1 Desambra ihany koa, nangataka ny fitsarana mba hanova endrika ny sazin’ny filoha teo aloha enintaona noho ny olana ara-pahasalamana ny mpisolovavan'i Saakashvili, Shalva Khachapuridze.

Araka ny notaterin'ny OC Media, “Tombantombana ara-politika ny fahasalaman'ny filoha teo aloha, satria nanantitrantitra ny mpitarika ny antoko Nofinofy Zeorziana fa vokatry ny ‘fampijalian-tena’ – ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataony no naharatsy ny toe-pahasalamany. Nanamafy anefa ny Empathy fa ny tsy fahampian'ny fitiliana sy ny fitsaboana araka ny tokony ho izy any Zeorzia no misakana ny fahasitranan'i Saakashvili ankehitriny.”

Raha nitaky ny famotsorana mialoha an'i Saakashvili, nivory teo ivelan'ny biraon'ny antoko politika Nofinofy Zeorziana tamin'ny 4 Desambra ireo mpanohana azy. Nandà ny tatitra fanadihadiana ara-pahasalamana nataon’ny Empathy ho tsy azo itokisana ny antoko.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny fahitalavitra teo an-toerana tao amin'ny fantsona Imedi, nilaza ny minisitry ny Fitsarana Rati Bregadze fa nanimba ny tenany ny filoha teo aloha ary miezaka ny “manodikodina” sy “mampiditra resaka politika” ny toe-pahasalamany ny “mpiara-dia aminy”.

Saingy nohamafisin'ny vondrona manampahaizana manokana natsangan’ny biraon'ny Mpanelanelana amin'ny vahoaka ihany koa anefa ny faharatsian’ny fahasalaman’ny filoha teo aloha. Tao anatin'ny fanambaràna nozaraina tao amin'ny Pejy Facebook Mpanelanelana, nanamafy ny vondrona fa “tena niharatsy ny toe-pahasalaman'i Saakasvhili ary tombanana ho sarotra.” Milaza ihany koa ny fanambaran’ity vondrona ity fa very lanja be ity filoha teo aloha ity ary mijaly noho ny tazo sy ny fihenan’ny hozatra. “Tsy mandaitra ny fitsaboana amin'izao fotoana izao. Tsy afaka sorohana ny mahazo ilay marary ary voafetra ny fomba fitsaboana noho ny fahasarotana isankarazany”, hoy ny tatitra namintina.

Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nilazan’ny mpitsabo iray ao anatin’ny vondrona natsangan’ny biraon’ny Mpanelanelana fa tsy mbola nisy fivoarana ny fitsaboana azy na dia teo aza ny fitsaboana mitohy ka ilaina ny fifindran’ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana tsara kokoa any ivelany amin’izao dingana izao, hoy ny tatitry ny Civil.ge.

Namoaka tatitra hafa ihany koa ny ekipan'ny mpisolovavan’i Saakashvili, mifototra amin'ny fanombanan'ny dokotera maromaro any Etazonia, izay nahita arsenika sy merkiora tao amin'ny vatan’ny filoha teo aloha. Nozaraina tamin'ny Forbes ity tatitra momba ny fanapoizinana ity, ary araka ny tatitra  nataon’izy ireo, “vokatry ny fanapoizinana metaly mavesatra” ireo akora simika hita.

Mitarika amin'ny fanatsoahan-kevitra “ny fisian'ireny singa misy poizina ireny amin'ny santionan'ny volo sy ny hoho fa nampidirina taorian'ny nigadrany ireo singa ireo,” hoy ny tatitry ny gazety Le Monde.

Nandritra izany fotoana izany, niampanga ny manampahefana Zeorziana ho nahatonga ny olana ara-pahasalaman'ny filoha teo aloha i Peter Stano, mpitondratenin'ny Vondrona Eoropeana misahana ny raharaham-bahiny sy ny politikam-piarovana.

Zeorzia: manaraka akaiky ireo tatitra mampanahy farany momba ny fahasalaman'i Mikheil Saakashvili miharatsy ny 🇪🇺 UE. Tompon'andraikitra amin'ny fahasalamany sy ny mahasoa azy ny manampahefana 🇬🇪Zeorziana ary manana adidy handray ny fepetra rehetra ilaina mba hahazoany fitsaboana sahaza.

Naneho ny ahiahiny momba ny toe-pahasalaman'i Saakashvili ihany koa ny filohan'i Moldavia tamin'ny sioka:

Manahy mafy amin'ny faharatsiana tao anatin’ny fotoana fohy ny fahasalaman'ny Filohan’i Zeorzia teo aloha Mikheil @SaakashviliM. Tsy voavidy vola ny ain'olombelona rehetra ary mitaky ny fandefasana haingana an'i Saakashvili any amin'ny hopitaly sahaza mba hamonjena ny ainy ny hasarotan’ny toe-draharaha.

Tsy afaka nanatrika ny fotoam-pitsarana ny filoha teo aloha noho ny fahasalamany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.