Miady amin'ny fandringanana tsy mitsahatra ny alan'i Akbelen any Torkia ireto vehivavy ireto

Sary an'i Arzu Geybullayeva

Tamin'ny 24 Jolay lasa teo, orinasa roa — Limak Holding sy İÇTAŞ Enerji — misy fifamatorana amin'ny Antokon‘ny Rariny sy Fampandrosoana (AKP) eo amin'ny fitondrana no nanao hetsika hikapa hazo tao amin'ny alan'i Akbelen, ao amin'ny faritanin'i Muğla Atsimo-Andrefan'i Tiorkia. Ity fanapahankevitra ity dia taorian'ny fanapahankevitry ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Ala hanome tany misy ala 740 decares (740 000 metatra toradroa) ho an'ny YK Energy — orinasa iombonan'ny Limak sy İÇTAŞ — mba hitrandraka linita tamin'ny volana Aprily 2021. Nanomboka tamin'ny herinandro lasa niantombohan'ny fikapana, marobe ireo mponina eo an-toerana avy amin'ny tanàna mifanila amin'i İkizköy, ireo mpikatroka mpiaro tontolo iainana, ireo solontenan'ny antoko politika mpanohitra ary ireo fikambanana mpiaro zavaboahary, no nanao fiaretan-tory teny an-toerana.

Fikambanana eo ho eo amin'ny 300 isa no nivondrona tao ambadiky ny antson'ireo mponina mba hampitsaharana ny asa fitrandrahana rehetra ao amin'ilay faritra, tao anatin'ny fanambaràna navoaka tamin'ny 28 Jolay. Milaza ny tatitra tamin'ny haino aman-jery fa nampiasa hery, entona mandatsa-dranomaso ary rano mifantsitsitra tamin'izy ireo ny mpitandro ny filaminana teo an-toerana, raha toa ka olona efapolo isa teo ho eo no nosamborina tamin'ny herinandro lasa.

Tamin'ny 30 Jolay, nanambara ny biraon'ny governora ao Mugla fa tapitra ny asa fanadiovana ilay ala. Nomarihan'ny fanambarana ihany koa ho “fihantsiana” sy “ratsy endrika” ilay fanoherana. Ny fanambaràna dia nilaza fa nivoady ny “hanarina” ny faritra amin'ny fambolena zanakazo miisa 130 000. Milaza ireo mpikatroka fa zava-poana ireo fampanantenana ireo. Tao anatin'ny fanambarana an-gazety iray, ny filohan'ny Fikambanana Tiorka mpiasan'ny ala (TOD), Hüsrev Özkara, dia nanambara fa resaka mampihomehy fotsiny ny fampanantenana ny hamboly hazo vaovao indray hanoloana ireo hazo 60 hatramin'ny 90 taona notapahana. Tsy fantatra mazava ihany koa hoe mitontaly firy marina ny hazo voakapa, saingy tombanan‘ireo mpiaro ny tontolo iainana fa mety nahatratra 65 000 izany isa izany.

Nandritra izany fotoana izany, ny fiampangana natao tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay nilazana azy ireo ho nanao fihantsiana dia lasa antony iray koa ho fanambaran‘i Devlet Bahçeli,  mpitarika ny antokon'ny Hetsika nasionaly (MHP) – ilay nasionalista hiringiriny mpiara-dia amin'ny AKP eo amin'ny fitondrana. Namelively an'ireo mpanao fihetsiketsehana ilay lehilahy 75 taona, nanasokajy azy ireo ho sahala amin'ny mpanao heloka bevava sy mpampihorohoro nikasa “hanohintohina ny filaminana anatiny” tao Akbelen. Mampihomehy fa niampanga ny mpitondra fitondrana ho nanao mitovy amin'izany koa ny mponina ao an-tanàna sy izay rehetra nanjohy an-dry zareo tato anatin'ny andro vitsivitsy. Nandritra izany fotoana izany, na teo aza ny fanambaràna nataon'ny biraon'ny governora eo an-toerana, dia nitohy ny fikapana, ary misy nozaraina tamin'ny tambajotra ny tatitra mikasika ny fanelingelenana onjampeo fifandraisana napetrak‘ireo tompon'andraikitra, sy fanaovana herisetra vaovao ary ny hery hafa nampiasaina hanoherana ny mpanao fihetsiketsehana izay efa nitombo isa ankehitriny.

Fantaro ireo vehivavy ao ambadiky ny fanoherana

Fotoana fohy taorian'ny niantombohan'ny fandripahana ala tamin'ny 24 Jolay, nanjary mariky ny fanoherana ao an-toerana ny andiam-behivavy avy ao an-tanànan'i İkizköy. Ao anatin'ity lahatsary ity, resahan'ireo vehivavy avy ao an-toerana ny tolony sy ny fanaintainany vokatry ny fandripahana ny alan-dry zareo :

Lasa aho namihina ny hazoko, nanoroka azy ireo. Isaky ny misy hazo iray voakapa dia ohatran'ny misy ratsam-batako iray miala koa, tahaka ny sarahana aminay ny zanakay. Na inona na inona ataonay, tsy afaka ny hanakana azy ireo izahay. Nampiasa hery taminay izy ireo, notaritiny izahay, noratrainy.

Amin'ny maha-mponina anay ato amin'ny tanànan'i İkizköy dia nanomana fiaretan-tory izahay hiadiana ho amin'ny hoavin'ny firenenay, mba tsy ho levona izy, mba tsy hanjavona ny taninay sy ny firenenay, mba hanananay rivotra madio ho fohina sy rano ho sotroina, mba hanananay hatrany ny tanànanay . Izany no mahatonga anay eto. Milaza fahafatesana ny zavamaniry, fahantrana, midika izany fa ho vita ny aminay. Ny tany dia midika sakafo, rano, rivotra. Rehefa misy hazo dia misy aina, rano, afaka mifoka rivotra.

Ao anatin'ny lahatsary iray, vehivavy iray mponina eo an-toerana no niangavy ireo hafa mba hampitsahatra ny fandripahana. “Raha misy zavatra azonareo ho ahy, azafady, ajanony ny fandripahana”, hoy ilay vehivavy nitomany. “Ataovy izay tianareo atao – tifiro entona mandatsa-dranomaso araka izay tianareo izahay, sambory – hijanona eto izahay ary tsy handeha na aiza na aiza. Samy ho faty daholo isika rehetra noho ny ataonareo eto. Nanome 70 hatramin'ny 80 taona tamin'ny androm-piainanay izahay nambolena an'ireo hazo ireo”, ramatoa iray hafa no hita miresaka amin'ireo manamboninahitra nalefa tao an-tanàna hanakana ireo mponina hampiato ny fanapahana.

Niezaka nanakana ny polisy teo an-toerana mba tsy hanakaiky an'ireo mpanao fihetsiketsehana ity tanora mpikatroka ity :

Tao anaty lahatsary iray hafa nozaraina tamin'ny tambajotra, vehivavy dimy no hita teo amin'ny tany, kotsan'ny rano natsifitra tamin'ny tafondron-drano. Tsy nijanona ny rano raha tsy efa tapitra ny rano tao anatiny.

Pikantsary avy amin'ny tatitry ny tatitra lahatsary avy amin'ny alan'i Akbelen nataon'ny fantsom-baovaon'ny Tele1

Deniz Gümüşel,, mpanolotsaina ambony avy amin'ny Pôlisin'ny Tontolo Iainana sy Toetrandro, no nizara ity sariny ity ihany miaraka amin'ny mangana vokatry ny herisetra nandritra ny fihetsiketsehana. Voatazona fotoana fohy ihany koa i Gümüşel

Ny tolona ho fiarovana ny ala

Nanomboka tamin'ny 2019, ireo mponina tao an-tanànan'i İkizköy dia niezaka nisakana ny fandripahana ala tao amin'ny alan'i Akbelen, izay miorina eo akaikin'ny tanànan'izy ireo. Saingy ao Tiorkia, tsy laharam-pahamehana velively ho an'ny Antokon'ny Rariny sy Fampandrosoana eo amin'ny fitondrana ny fiarovana an'ireo faritra maitso, izay tsy manana ny politika matanjaka momba ny tontolo iainana.

Ny famoretana tamin'ny taona 2013 natao tamin'ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana niezaka nanakana ny famotehana ny Gezi Park dia fotoana iray namaritra tsara ny fitondrana amperinasa, nanamarika ny fihodinan'ny AKP manohitra ny tontolo iainana. Nanomboka teo, hetsi-panoherana maro no nipoaka manerana an'i Tiorkia nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana ampolony maro, izay matetika nokarakaraina sy nomanin'ireo mponina eo an-toerana miezaka miaro ny faritra maitso sisa tavela ary misakana ny fanitarana ny toby famokarana herinaratra. Saingy miaraka amina governemanta mitondra saingy tsy manana vina maitso, manome laharam-pahamehana ny toekarena amin'ny fanamaivanana ny tontolo iainana ary manome fahefana ho an'ireo orinasa tsy misaina afa-tsy hameno ny kitapom-bolan'izy ireo tsy iraharahiana ny  olom-pirenena tsotr, ady iray natao hipetrahana eto io. Ny fandripahana ny alan'i Akbelen izay nanomboka tamin'ny 24 Jolay no ohatra iray mahamenatra amin'izany. Mandritra izany fotoana izany, ireo orinasa fositry ny fandripahana ala dia nandà tsy hanaraka ny didim-pitsarana nampiato tany am-piandohany ilay tetikasa.

Ny halehiben'ny fahapotehan'ireo faritra misy ala tato anatin'ny folo taona farany tao amin'ny faritanin'i Mugla dia nanaovan'ny sehatra iray fampahalalam-baovao eo an-toerana, Fayn Studio, fanadihadiana. Tao anatin'ny lahatsary nohafainganina, niparitaka tsikelikely ny fandripahana ala tsy nisy fandraisana andraikitra. Mifanindran-dàlana amin'izany, mitohy hatrany ny tolona ho fampitsaharana ny fandripahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.