Iray amin'ireo mpandray anjara mavitrika tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny jadona sy ny fifidianana tsy ara-drariny tamin'ny taona 2020 ny Tor Band avy any Belarosia. Iray amin'ireo mariky ny ny fikomiana ny hiran'izy ireo nalaza indrindra tamin'izany fotoana izany “Tsy vahoaka madinika izahay” (Мы не народец). Notanana am-ponja ireo mpitendry mozika sy ny vadin'izy ireo tsirairay avy tamin'ny faran'ny Oktobra 2022. Mbola any am-ponja izy ireo hatramin'izao, tamin'ny 20 Janoary, nametaka anarana azy ireo hoe “mahery fihetsika” ny KGB (sampan-draharaham-piarovana Belarosiana) ao Belarosia.
Nolazain'ny fampahalalam-baovao tsy miankina Belarosia Zerkalo ny tantaran'ireo mpitendry mozika ireo. Talohan'ny taona 2020, efa nalaza be ny Tor Band, nanao fampisehoana tany Belarosia sy Okraina niaraka tamin'ireo tarika rock sy pop malaza. Nandritra ny fampielezan-kevi-pifidianana sy ny hetsi-panoherana taorian'ny fifidianana izay nanohitra ny fandresen'i Lukashanka ny mpanohitra notarihan'i Sviatlana Tsikhanouskaya, nohiraina hatraiza hatraiza ny hiran'ny tarika nandritra ny famoriam-bahoakan'ny mpanohitra.
Ity ny hiran'ny Tor Band malaza indrindra tamin'izany fotoana izany: “Tsy vahoaka madinika izahay.”
Rehefa noravan'ny didy jadona Lukashenka tamin'ny fomba feno habibiana ny hetsi-panoherana, nampitandremana ny tarika mba tsy hikarakara fampisehoana na hamoaka hira vaovao. Na izany aza, nilaza tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana tamin'ny Septambra 2020 i Dmitry Golovatch, mpitarika ny tarika hoe:
We didn't have any questions about whether to continue playing. We had songs that we wanted to release: the tracks “Long Live,” “Who, if not you.” There was tremendous support. We made so many friends all over the country! In general, it seems to me that Belarusians have learned to love themselves. There has never been such a feeling of love, and the feeling of patriotism is now going wild. We got to know our country
Tsy nanana fanontaniana izahay raha hanohy hitendry. Nanana hira tiana havoaka izahay: ny hira “Ho ela velona”, “Iza, raha tsy ianao.” Nisy ny fanohanana goavana. Nahazo namana be dia be nanerana ny firenena izahay! Amin'ny ankapobeny dia toa nianatra nitia ny tenany ny Belarosiana. Tsy mbola nisy ny fahatsapana fitiavana toy izany, ary mafàna ankehitriny ny fahatsapana fitiavan-tanindrazana. Nahafantatra ny firenenay izahay
Tratran'ny famoretana nataon'i Lukashenka ny tarika tamin'ny volana Oktobra 2022. Nofafàna tao amin'ny fantsona YouTube malaza ny hiran'izy ireo, anisan'izany ny “Ho ela velona Belarosia”, ary notanana ireo mpitendry mozika. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, mbola tsy misy inona na inona ny fantsona YouTube-ny, izay toa noforonina tamin'ny taona 2012, ka mampametra-panontaniana ny [fanontaniana FN] raha toa ka nanaraka ny fangatahan'i Minsk ny YouTube mba hanivana azy ireo. Hita kosa anefa ny sasany amin'ny hiran'izy ireo rehefa atao fikarohana.
Ny teny filamatra “Ho ela velona Belarosia!” (Жыве Беларусь) dia marika nentim-paharazana maneho ny maha-izy azy ny Belarosiana sy ny fanoherana ny famoretana nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 izay naverina manerana ny faritra hatramin'ny fihetsiketsehana manohitra an'i Lukashenka tamin'ny taona 2020. Mbola marika mahery vaika izany, ary nampiasain'i Tor koa tamin'ny hira noforonin'izy ireo hanehoana ny fomba fijeriny manokana ara-politika:
Naharitra 15 andro ny fitazonana ny tarika tamin'ny voalohany ary nifototra tamin'ny fiampangana ara-pitantanana, saingy, tahaka ny ataon'i Rosia amin'ireo mpanohitra azy ara-politika, dia nohalavain'ny governemanta imbetsaka izany, ary nomena anarana hoe “extremista” ankehitriny ny tarika no sady voaràra ao Belarosia.
Mahalana no resahina amin'ny haino aman-jery iraisam-pirenena izany, saingy mampiasa famoretana tahaka an'i Stalin amin'ny olom-pireneny ny fitondran'i Lukashenka: tsy ny mpanohitra ihany no voatazona sy enjehina fa, amin'ny tranga maro koa ankehitriny, ny fianakavian'izy ireo. Araka ny tatitry ny Radio Liberty, nilaza ny gazety anjotra Nasha Niva tamin'ny 20 Janoary fa nosamborina tamin'ny volana Oktobra niaraka tamin'ny ray aman-dreniny Yury sy Volha Karakin ireo mpirahalahy Dzmitry sy Uladzimer Karakin, mpanorina ny tarika rock Litesound hafa. Nisolo tena an'i Belarosia tamin'ny Fifaninanana Hira Eurovision 2012 tany Azerbaijan ny tarika. Nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana taona 2020 i Dzmitry sy Uladzimer ary nanohitra an-karihary ny fananihan'i Rosia an'i Okraina.
Mandritra izany fotoana izany, tsy mbola fantatra raha hisy fiampangana heloka bevava ho an'ireo mpikambana ao amin'ny Tor Band. Raha misy izany, dia higadra folo taona an-tranomaizina araka ny Fehezan-dalàna Famaizana Heloka bevava Belarosiana izy ireo.
Raha te hihaino an'ity hira ity sy mozika hafa avy amin'ny Tor Band, jereo eto ny playlist Spotify an'ny Global Voices.