Nosamborin'ny polisy ao Azerbaijan ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny andro nitsarana ilay mpikatroka

 

Polisy eny an-kianja misambotra ireo mpikatroka nanatrika ny famoriam-bahoaka. Pikantsary nalaina tamin'ny horonantsarin'ny Meydan TV.

Tamin'ny 23 Desambra, namoaka didy ny fitsarana ambony any Baku, Azerbaijan fa hitazona ilay mpikatroka ara-politika Bakhtiyar Hajiyev any am-ponja. Nosamborina tamin'ny 9 Desambra i Hajiyev izay heverin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ao an-toerana sy iraisampirenena ho fiampangana tsy mitombina ary voaheloka higadra 50 andro.

Nangataka fanafahana mba tsy ho afa-mivoaka an-tranony i Hajiyev tamin'ny fotoam-pitsarana farany indrindra. Nanao fitokonana tsy mihinan-kanina ity mpikatroka politika ity hatramin’ny nisamborana azy. Nambaran’ny mpisolovava azy ankehitriny fa miharatsy ny fahasalamany. Tamin'io andro io ihany, nisy vondrona mpanohana nikasa ny hanao fihetsiketsehana ho fanohanana an'i Hajiyev. Notazonin'ny polisy ireo mpikatroka am-polony vitsivitsy mialoha sy nandritra ny fihetsiketsehana.

📢Farafahakeliny olona 35 avy amin'ny vondrona mpanohitra isan-karazany no voalaza fa nosamborina alohan'ny fihetsiketsehana ary am-polony hafa no nosamborina mandritra ny fihetsiketsehana. Nitaky fahafahana ho an'i Hajiyev ireo mpanao fihetsiketsehana ary naparitaky ny polisy avy hatrany ny mpandray anjara ary notanana vetivety ihany koa ny mpanao gazety iray. +

Maromaro androany tao Baku ny olona notanana alohan'ny fihetsiketsehana nokasaina ho fitakiana ny famotsorana an'i Bakhtiyar Hajiyev gadra politika. Nandritra izany fotoana izany, namela azy tany am-ponja ny fitsarana ambony taorian'ny fitsarana sandoka iray hafa. Andro faha-9 amin'ny fitokonana tsy mihinan-kanina i Hajiyev.

Nampiseho ny tatitra avy eny an-kianja fa nitondra mpanao fihetsiketsehana nankany amin'ny fiaraben'ny polisy misa roa izay niandry teo akaikin'ny toerana nivorian'ireo mpikatroka mafàna fo ireo polisy.

Toy izao no nitazonan’ny polisy ny mpikambana “Democratica 1918” roa. Ny nanatrika ny fitsarana an'ilay voafonja Bakhtiyar Hajiyev no hany nataon'izy ireo.
Eny, “malalaka tanteraka” ny zavatra natao tao amin'ny lalantsara Lachin..

Tamin'ny 20 Desambra, nanamafy tamin'ny lahateny an-gazety ny ahiahy momba ny fisamborana an'i Hajiyev ny mpitondratenin'ny Departemantam-panjakana, Ned Price, mitaky ny famotsorana haingana ilay mpikatroka.

Toy izany koa, tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Radio Azadliq tamin'ny 22 Desambra, nilaza ny Azerbaijan Service for Radio Liberty, Giorgi Gogia, ny Tale mpiara-miasa ho an'i Eoropa sy Azia Afovoany ao amin'ny Human Rights Watch fa tsy maintsy foanana ny fanapahan-kevitra hisamborana an'i Hajiyev ary tsy maintsy avoaka avy hatrany ilay mpikatroka.

“Mampisy ahiahy lehibe ny fitazonana vonjimaika an’ilay mpikatroka malaza Bakhtiyar Hahiyev any am-ponja. Mihevitra ireo Azerbaijani mpiaro ny zon'olombelona fa noho ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny lalàna momba ny heloka bevava no antony hanenjehan’ny fitsarana an'i Atoa Hajiyev ary natao hamaliana tsy ara-drariny ny asa fisoloana vava iraisampirenena farany nataon'i Hajiyev amin'ny fampiharana ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra,” hoy ny siokan’i Kety Abashedize, tompon'andraikitra ambony momba ny zon'olombelona ao amin'ny Orina Mpanasoa Human Rights House.

Tsy tranga maningana ny fisamborana an'i Hajiyev. Mpikatroka sy mpanao gazety maro no mbola miatrika onjam-panenjehana any Azerbaijan. Niharatsy hatrany nandritra ny taona maro izao ny firaketana momba an’i Azerbaijan mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Hita taratra izany amin'ny toerana misy ny firenena amin'ny filaharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fitantarana manokan'ny mpanao gazety momba ny fanenjehana sy ny fampitahorana. Tamin'ity taona 2022 ity, nametraka an'i Azerbaijan amin’ny laharana faha-154 amin'ny firenena miisa 180 ny Reporters Sans Frontières nandritra ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety. Na dia nihatsara aza ny naotin'ny firenena raha oharina tamin'ny lasa, niakatra isa 6, dia mbola hisy fiantraikany ratsy kokoa amin'ny fahalalahana sy ny fahamaroan'ny media ny lalàna mifehy ny media izay nihatra tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Voasokajy ho “tsy malalaka” ihany koa i Azerbaijan amin’ny tondron’ny Fahalalahana Manerantany izay ataon’ny Freedom House isan-taona. Mandritra izany fotoana izany,  mandà ny filazana ny manam-pahefana fa politika ny famoretana atao ankehitriny — anisan'izany ny an'i Hajiyev.

Miatrika fiampangana maro i Hajiyev — kisetrasetra sy fanamavoana ny fitsarana. Mety ho voaheloka telo taona an-tranomaizina i Hajiyev raha hita fa meloka.

Mandritra izany fotoana izany, nilaza ny lehiben'ny komity izay natsangana hiaro an'i Hajiyev, Rufat Safarov, tamin'ny 19 Desambra fa niatrika fampijaliana tany am-ponja noho ny fitokonana tsy mihinan-kanina ilay mpikatroka ara-politika. Tamin'ny andro fahadimy hatramin'ny nanambaran'i Hajiyev ny fanapahan-keviny hanao fitokonana tsy mihinan-kanina, dia nafindran'ny mpitantana ny fonja tany amin'ny efitra iray tsy misy fanafanana izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.