Tantara mikasika ny Mombamomba ireo Bilaogera

Tonizia : Fisamborana ilay mpikatroka fanta-daza iray tamin’ny famoahana tatitra an-dahatsary an-tserasera momba ny tontolo iainana

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina noho ny famoahana tatitra an-dahatsary tao amin’ny aterineto momba ny fahalotoan’ny tontolo iainana ao Nabeul (Dar Chaabane EI Fehri), izay tanandehibe amorontsiraka Avaratra-Atsinananan’i Tonizia i Zouhaïr Makhlouf, mpikatroka mpiaro ny zon’olombelona sady mpitati-baovao ho an’ny tranonkala Assabil Online...

Fivondronan'ny bilaogera miteny Espaniola

  29 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Natombok'i Carmen ity tetikasa vaovao iray ity, Espaniôla iray manana fahalianana manokana amin'ny fampiroboroboana ny fanoratana bilaogy amin'ny teny Espaniôla. Nanomboka nanangona bilaogy vitsivitsy izay nanintona ny sainy izy ary efa nihoatra ny zato ny lisitra tamin'ny fotoana nanoratana....

Ethiopia: Bilaogy nanjavona

  26 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tototry ny fanombatombanana sy ny fiampangana ny tontolon'ny bilaogy ao Ethiopia rehefa nanjavona tao anatin'ny efijerin'ny solosaina ireo tranonkala rehetra tao amin'ny firenena ka niantrano tao amin'ny sehatra Blogger malaza. Bilaogy telo amby roapolo tamin'ireo bilaogy Ethiopiana miisa 32...

Arabisc: Vaovao momba ireo bilaogera Egyptiana nosamborina

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Famintinana fohifohy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Egyptiana sasantsasany amin'ny teny Arabo ity lahatsoratra manaraka ity . Efa roa herinandro mahery no nisamborana an'i Alaa niaraka tamin'ireo bilaogera sy mpikatroka maro hafa. Androany dia hampahafantatra momba ny vaovao tsara nifandraika...

Indonezia: Hafanana Ateraky ny Amboara Eran-tany & Bilaogin'ny Minisitra

  05 Desambra 2018

Na dia tsy mahatratra ny dingana farany amin'ny Amboara Erantany amin'ny Baolina Kitra/'Soccer' mihitsy aza i Indonezia taorian'ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1945, ny soccer foana no fanatanjahantena malaza indrindra ao amin'ny firenena. Noho izany, nanokana lahatsoratra momba ny Amboara Eran-tany atao any Alemaina ireo bilaogera maro ao an-toerana.

Kolombia: Laboratoaran'ny Media Vaovao andrenivohitra Pixelazo sy ny fihaonan'ny bilaogeran'i Medellín

  03 Desambra 2018

Nankafy ny fisian'ny hetsika marobe mifandraika amin'ny mediam-baovao i Kolombia. Ny herinandro lasa teo, ny labiera sy bilaogy MedalloBloguero (tanànan'ny fikambanan'ny bilaogy Medellin), izay nihaonan'ireo bilaogera Kolombiana ao an-tanàna, mba hifampiresaka sy hisotrosotro. Naka sary ny vahiny mpitsidika iray avy any Bogota, Victor Solano ary nandefa ireo sary tamin'ny hetsika.

Andrana bilaogin-dahatsary avy any Accra

  30 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ity ny androko faharoa tao amin'ny cybercafe BusyInternet tao Accra, Ghana, ary nanandrana ny famintinana lahatsary aho mba hahitako raha azoko atao ny mamolavola ny halehibe mety handefasana sy hitrohana lahatsary. Miadana kokoa noho ny any Etazonia ny fifandraisana eto,...

Ireo pejinay momba an i Mombamomba ireo Bilaogera

Profiles of top bridge bloggers around the world