Ekoadaoro : ny Barcamp farany natao tao amin’ny faritanin’i Santa Helena

(Lahatsoratra teny frantsay tamin'ny septambra 2009)

Nampiantrano ny Barcamp fahatelo tao amin’ny firenena tamin’ny taona 2009 i Santa Elena, ilay faritany vao niforona tao Ekoadaoro tamin’ny taona 2007. Niara nivory tao amin’ny Oniversite Teknolojika ao Ekoadaoro – Salinas Campus (UTE) ireo mpandray anjara manerana ny firenena ny 29 Aogositra 2009-  mba handray anjara tamin’ity hetsika ity. Lasa mahazatra ao amin’ny firenena ity karazana « tsy-fihaonam-be » ity izay heverina fa tsy misy afatsy ny 20 isan-jaton’ny mponina fotsiny no afaka miditra amin’ny Aterineto, izany hoe eo amin’ny manodidina ny mponina miisa 3 tapitrisa eo ho eo raha araka ny antontanisa farany indrindra.

Photo de BarCamp Santa Elena par Calu77 et sont utilisées sous une licence Creative Commons.

Sarin’ny Barcamp tao Santa Elena avy amin’ny Calu77 nampiasana lisansa Creative Commons.

Faly i Tania Tamariz avy ao amin’ny Comunicacion Corporativa Nuevas Technologias satria natao tao Santa Elena, tanàndehibe akaikin’ny ranomasina ary malaza amin’ny morondranomasin’i Salinas, ny Barcamp fa tsy tany amin’ny tanandehibe nentim-paharazana toa an’i Quito na Guayaquil. Nahafahan’ny mpanatrika vaovao nianatra sy nizara ny traikefany tamin’ireo lohahevitra ireo izany, indrindra indrindra mikasika ny teknolojia ampiharina amin’ny fanabeazana, amin'ny fanorenan'asa ary ny fanavaozana. Ny sasany tamin’ireo lohahevitra manokana ireo dia niresaka ny fampiasana teknolojia open-source ho an’ny fanabeazana, ny fitaovana web 2.0 ho an’ny sekretera ary natao ihany koa ny tapatapak'ahitra «mandrava ny angano» mikasika ny fampiasana ny Aterineto ao Ekoadaoro.

Nandeha nandritra ny 12 ora avy any amin’ny tananàny antsoina hoe Loja i José Sandoval avy ao amin’ny Blog de Dourmond mba hanatrika ny BarCampSE. Manam-pahaizana momba ny fitantanana sy ny teknolojiamm-pampahalalam-baovao izy, saingy ny hihaona amin’ireo olon-kafa izay tsy fantany afa-tsy tamin’ny alalan’ny fifandraisana tamin’ny aterineto ihany no tena antony nanosika azy hitsidika ny Saikinosin’i Santa Elena :

Encontrarse, físicamente, con todas las personas con las que día a día compartes por medio de la Red de Redes, le da ese toque de presencialidad necesario mediante el cual dejan de ser desconocidos de quienes sabemos mucho por sus twits, blogs, scrobblings, etc. y pasan a ser personas de carne y hueso con quienes compartimos nuestro Geekismo y pasión por temas en común.

Ny mihaona mivantana amin’ireo olona izay ifanakalozana isan’andro amin’ny Aterineto ireo no ahatsapana amin'ny fanatrehana io fotoana io ny fialàna amin'ny sata mahavahiny amin'ireo tsy fantatra raha tsy amin’ny alalan’ny sioka, ny bilaogy sns ka mihaona nofo aman-dra amin’ireo mpiondana teknolojia vaovao amin'ny alalan'ireo lohahevitra iombonana.

Nandray anjara tamin’ny BarcampSE i Alfredo Velazco tamin’ny alalan’ny fanazavana ny lohahevitry ny halavirana takatry ny Aterineto ao Ekoadaoro. Nilaza izy fa ny 23 isanjaton’ny mpisera Ekoadaoreana dia mifandray amin’ny aterineto mba hitsidika ny tambajotra sosialy, ary arahin’ireo vitsy an’isa izay mitety ny tranonkala mba hamaky ny vaovao sy hanaraka hetsika momba ny fanabeazana. Maneho ihany koa ny antontanisa fa eo anelanelan’ny 20 ka hatramin'ny 34 taona ny ankamaroan’ny mpisera. Mifantoka Ao an- tanàndehibe toa an’i Quito (45 isan-jato) sy Guayaquil (51 isan-jato) no ahitana ny fampiasana ny Facebook.

Sahiran-tsaina ny bilaogera iray hafa, Pablo Rosero ao amin’ny Original P satria navilin'ireo mpandray anjara tamin’ny Barcamps fahatelo farany ny teny hoe web 2.0. Nanoratra izy fa manaraka ny fironana amin’izao fotoana ireo olona ireo mba hikilasiana ny vokatra rehetra amin’ny Aterineto ho ao amin’ny web 2.0, ary hoy izy nanazava:

2.0 no significa el WWW2 o una super evolución de la infrascructura del Internet. Fue una lenta transición en la adoptación de otros códigos para el desarrollo de sitios web, nada más. No es que está por venir, ni nunca realmente se lo sintió llegar como una transformación instantanea de toda la “red de redes” (Lease: Internet). Ya se sabe que el Internet es parcipativo, exponencial y se seguira desarrollando continuamente.

Ny Web 2.0 dia tsy WWW2 na karazana fivoarana goavana amin’ny fotodrafitrasan’ny Aterineto akory. Tsy inona akory izany fa ny fifindrana miadana mankany amin’ny fananganana ny kaody vaovao ho an’ny fampiroboroboana ny Aterineto. Tsy io no hoavy na fanovana ny « tambajotran’ny tambajotra » iray manontolo akory (amin’ny teny hafa : Aterineto) izany. Fantatry ny rehetra fa andraisana anjara ny aterineto, misavoana ary tsy mitsahatra mivoatra.

Tsy zava-baovao any Ekoadaoro ireo fihaonambe na «tsy-fihaonambe» ireo. Mihamaro ny vondrom-piarahamonina no manaraka ny fironana any Amerika Latina ary mikarakara ireo Barcamps ireo, ary araka ny fanamarihana nataon’i Lina Maria Ceballos avy ao amin’ny Pulso Social, dia misandrahaka hatrany ireo hetsika ireo ary hita hatrany amin’ny faritra kely kokoa. Natao ny 28 Novambra 2009 ny Barcamp manaraka ary ny Oniversite Teknika ao Loja no nandray azy nandritra ny volan’ny tsingerintaona fankalazana ny nananganana ny tanandehibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.