Kolombia: Laboratoaran'ny Media Vaovao andrenivohitra Pixelazo sy ny fihaonan'ny bilaogeran'i Medellín

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2007)

Nankafy ny fisian'ny hetsika marobe mifandraika amin'ny mediam-baovao i Kolombia. Ny herinandro lasa teo dia ny labiera sy bilaogy MedalloBloguero (fikambanam-bilaogy ao an-tanàna'i Medellin), izay nihaonan'ireo bilaogera Kolombiana ao an-tanàna, mba hifampiresaka sy hisotrosotro. Naka sary ny vahiny mpitsidika iray avy any Bogota, Victor Solano ary nandefa ireo sary tamin'ny hetsika.

Tetikasa vaovao iray hafa ny tranonkala Colombia Podcast vaovao noforonin'i Juan Ospina, izay tsy ahitana lisitra mahatalanjona misy ireo fandraketam-peo Kolombiana ihany, fa ahitana koa tafatafa miaraka amin'ireo Kolombiana mpamorona fandraketam-peo (podcasts) sasany malaza indrindra, ary ahitana torolàlana amin'ny fampiasana, famokarana ary fampidirana ny vokatrao manokana an-tserasera.
Nanaovana ny andiany faharoa Pixelazo ny volana jona, manohy ny dingana natomboka tamin'ny volana Febroary lasa. Amin'ity indray mitoraka ity, dia natao tao amin'ny Comuna 2, Barrio Santa Cruz la Rosa ny atrikasa. Nanoratra i Juhuu from Pixelache, izay nitsidika an'i Medellín avy any Finlandy hoe:

The firsc workshop (VJ workshop by Visual Systeemi) started today in Barrio Santa Cruz la Rosa in Medellin, Colombia. Rest of the program this week features a workshop on blogging by Alejandro Tamayo & Régine Debatty, music workshop by Bicho Vargas (Bogota), streaming workshop by Antena Mutante (Bogota), three conferences with presentations by Medellín Wireless, recycling project eRECICLAJE, radio and other media projects of indigenous tribe Nasa and many others… The week finishes with two fiestas featuring local acts like Systema Solar and demonstrations of the music and VJ workshops results.

Nanomboka androany tao Barrio Santa Cruz la Rosa tany Medellin, Kolombia ny atrikasa Pixelazo voalohany (Atrikasa VJ avy amin'ny Visual Systeemi). Ny sisa amin'ny fandaharam-potoana amin'ity herinandro ity dia manasongadina atrikasa momba ny fibilaogina atolotr'i Alejandro Tamayo & Régine Debatty, atrikasa mozika atolotr'i Bicho Vargas (Bogota), atrikasa mivantana avy amin'i Antena Mutante (Bogota), valan-dresaka telo ahitana fampahafantarana ataon'ny Medellín Wireless, tetikasa fanavaozana eRECICLAJE, tetikasa radio sy media hafa avy amin'ny foko indizeny Nasa sy sisa maro hafa… Mifarana amin'ny fetibe roa mampiseho ireo hetsika eo an-toerana toy ny Systema Solar sy fampisehoana mozika ary vokatry ny atrikasa VJ ny herinandro.

Manana bilaogy ilay atrikasa mandeha mivantana an-tserasera mandritra ny hetsika amin'ny Asabotsy 23 Jona:

Taller teórico-practico, que pretende dar las herramientas básicas de streaming durante la preparación de una transmisión. Para esto se proponen cuatro jornadas de trabajo que incluirán la preparación de material de audio y video, conceptos teóricos de flujo de información y de las redes, además de la capacitación técnica necesaria para llevar acabo un stream. El taller culminará con una transmisión desde el Parque de las Luces durante el evento El Pixelazo Bailable a realizarse sábado 23 de junio.

Ny atrikasa fampiharana-teorika dia mikasa hanome fitaovana fototra amin'ny fampitana mivantana raka am-piomanana amin'ny fandefasana. Amin'izany dia hisy ny efatra andro fiasana ahitana ny fanomanana fitaovana horonam-peo sy horonan-tsary, teoria momba ny fampielezana vaovao, tambajotra sy ny fahalalana ara-teknika ilaina ho an'ny fandefasana mivantana. Hifarana amin'ny fampitana mivantana avy ao amin'ny “Zaridainan'ny Jiro” mandritra ny Dihy Pixelazo izay hatao amin'ny asabotsy 23 Jona ny atrikasa.

Ity manaraka ity ny lahatsary fohy misy ny tafatafa niarahana tamin'ny mpikarakara ny Pixelazo, Vanessa Gocksch avy amin'ny Intermundos [ES], navoakan'i Jorge avy ao amin'ny Fábrica de Cosas [ES]:

Mijoro sy mandeha ny bilaogin'atrikasa Pixelazo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.