Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Antso Ho An'ny Fisoratana anarana: Vovonana An-tampony amin'ny Fifaninanana ao Etazonia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2005)

Salama daholo oh,

Te-hanambara ny fanokafana ofisialy ny Vovonana An-tampony amin'ny Fifaninanana ao Etazonia aho. Hetsika ofisialy iray amin'ny Fihaonana An-tampony Maneran-tany mikasika ny Orinasan'ny Fampahalalambaovao (WSIS), hisy any aminà firenena mihoatra ny 150 manerana izao tontolo izao ilay Fifaninanana An-tampony. Miasa toy ny mpandrindra amin'ilay fifaninanana ao Etazonia aho.

Mitady firotsahana ho an'ireo tranonkala tsara indrindra avy ao Etazonia ao amin'ireto sokajy manaraka ireto izahay:

e-varotra
e-kolotsaina
e-fialamboly
e-governemanta
e-fahasalamana
e-fampiatiana
e-fianarana
e-siantsa

Namory ekipanà mpilatsaka an-tsitrapo mihoatra ny roa ambin'ny folo aho, mahasolo tena andianà fahafehezana manokana ny resaka votoaty amin'ny aterineto. Hanadihady ireo filatsahana ireo izahay ary hisafidy mpandresy iray isaky ny sokajy; avy eo hisolo tena an'i Etazonia mandritra ilay fifaninanana manerantany ilay mpandresy.

Tsy maintsy apetraka alohan'ny amin'ny 30 Mey 2005 ireo firotsahana rehetra. Hambara amin'ny 1 Jolay 2005 ireo mpandresy.

Iangaviana ianao tsy hisalasala hizara ilay ROHY ary hanaparitaka fanasana ho an'ireo mpiara-miasa aminao mba handefa tranonkala ho an'ilay fifaninanana. Mba hahitana ilay fifaninanana WSA ao amin'ny firenenao, tsidio ny www.wsis-award.org.-

Andy Carvin, Digital Divide Network

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.