Tantara mikasika ny Hiper-barrio
Mozika sy dihy Porro any La Loma, Kolombia
Catalina Restrepo avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao La Loma, tanànakely misy havoana any ambanivohitr'i Medellín, Kolombia, dia namokatra ity horonantsary ity hanehoana ny maha-zava-dehibe na mozika porro ao amin'ny vondrom-piarahamoniny.
Ny tarika Paniagua
Zavatra iray ho tsikaritrao avy hatrany raha mitsidika ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao La Loma ao Medellín, Kolombia ianao dia saika manana anarana telo na efatra mitovy avokoa ny vondrom-piarahamonina iray manontolo . Ny iray amin'ireo mahazatra indrindra dia ny hoe "Paniagua" - izay hazavain'ny bilaogera sady mpiangaly mozika manan-talenta Dneiber Sady ao amin'ny horonantsary etsy ambony ny tantara nahatonga izany .
Carmen Paniagua avy ao amin'ny HiperBarrio
Ny volana janoary tamin'ity taona ity, nanadihady olon-tsotra mpanao gazety maromaro avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao La Loma, vohitra kely iray any ambanivohitr'i Medellín, Kolombia aho.
Fandraketam-peo momba ny La Loma avy amin'ny HiperBarrio
Nanomboka fandraketam-peo ny ConVerGentes, vondrona tanora mpanao gazety avy ao San Javier La Loma izay mandrafitra ny HiperBarrio.
Hiperbarrio: Fetiben'ny balaonina tao La Loma
Nandefa sary sy horonantsary momba ny fetiben'ny Balaonina tao La Loma (Festival des Globos de La Loma 2010) ireo olontsotra mpampita vaovao ao amin'ny Hiperbarrio tohanan'ny Rising Voices. Notantaraina mivantana tao amin'ny Twitter sy nalefa tamin'ny horonantsary mivantana an-tserasera ilay hetsika.
Fitaovam-baovao: Onjam-peo mivantana amin'ny bisikileta
Mitondra fahafahana miditra amin'ny aterineto ho an'ireo vondrom-piarahamonina izay tsy nahazoana fifandraisana teo aloha ny fitaovana fanavaozana ao Colombia sy Bangladesh . Hijery ireo bisikileta Wi-Max ao Medellin sy ireo kioska Aterineto amin'ny finday any Bangladesh isika.
Miangaly rap momba ny fampahalalam-baovaon'olontsotra i Jorge Jurado
Iray amin'ireo tanora miisa eo amin'ny 20 eo ho eo ao amin'ny sarangan'ny mpiasa ao amin'ny fokonolona ambanivohitra ao San Javier La Loma izay nanangana ny vondrona fampitam-baovaon'olontsotra" ConVerGentes." i Jorge. Anisan'ny iray amin'ny vondrona telo izay ao anatin'ny tetikasa fanentanana lehibe indrindra HiperBarrio izy ireo.
Vehivavy mpitarika telo manandratra ny feony
Raha vao nanomboka ny volana May 2007 ny Rising Voices dia nanantena izahay fa hisy farafaharatsiny ny sasany amin'ny mpandray anjara amin'ny tetikasa hisandratra ho mpitarika matanjaka. Tsy nanantena anefa izahay na izany aza fa ho vetivety dia hiseho ireo mpitarika ireo ary vehivavy ny maro an'isa tamin'izy ireo.
HiperBarrio: Manova Ny Fomba Fijery Amin'ny Alalan'ny Fahaiza-Mamorona
Ohatra tsara mikasika ny fitomboan'ny fahafahan'ireo vondrom-piarahamonina zara raha fatantra mba hilaza ny tantaran'izy ireo amin'izao tontolo izao avy amin'ny toerana lavitra sy mitoka-monina ny tetikasa HiperBarrio, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices.
Medellin, Colombia: Renivohitra Nalaina An-keriny, Avy Eo Tanàna Teraka Indray
Nitsidika an'i Bangladesh izahay tamin'ny fandraisam-peo voalohany Rising Voices, izay misy ny Foibe Nari Jibon mampianatra ny zatovovavy ao Dhaka haneho hevitra amin'ny fandraisana anjara amin'ny resadresaka an-tserasera. Amin'ity herinandro ity, manova ny endrika izahay ary mamoaka ity fandraketam-peo ity amin'ny fizarana roa samihafa