Tantara mikasika ny Hiper-barrio tamin'ny Jona, 2019
Mitarika any amin'ny fampiharana ny fomba tandrefana ve ny fanentanana amin'ny mediam-baovao?
Mora kokoa ny mitsikera noho ny mandray anjara ary iray amin'ireo fanakianana izay renay matetika ao amin'ny Rising Voices ny hoe tsy maintsy hitarika any amin'ny fampiharana ny fomba tandrefana ny fanampiana ireo vondrom-piarahamonina zara raha fantatra mba ho tafiditra amin'ny resadresaka manerantany amin'ny aterineto.
Rising Voices tao amin'ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 tao Santiago, Shily (Ampahany 1)
Tany ampiandohan'ny volana May 2010 no natao ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 (Vovonamben'ireo Olontsotra Mpampita Vaovao ao amin'ny Global Voices) tao amin'ny Tranombokim-panjakana ao Santiago ao an-drenivohitr'i Shily. Maherin'ny 200 ireo olona avy aminà firenena 60 tonga nanatrika ilay vovonana, izay voarakotra tsara tokoa teny anaty fampahalalambaovao. Tetikasa efatra avy amin'ny Rising Voices no nampahafantarina nandritra ny andro roa tao amin'ilay vovonana.