Hiperbarrio: Fetiben'ny balaonina tao La Loma
(Marihina fa tamin'ny 14 Janoary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nandefa sary sy horonantsary momba ny fetiben'ny Balaonina tao La Loma (Festival des Globos de La Loma 2010) ireo olontsotra mpampahalala vaovao ao amin'ny Hiperbarrio tohanan'ny Rising Voices. Notantaraina mivantana tao amin'ny Twitter sy nalefa tamin'ny horonantsary mivantana an-tserasera ilay hetsika.
Olona marobe tao amin'ny Festival de globos de La Loma 2010.
Jereo ny sary maro hafa ao amin'ny andian-tsary Hiperbarrio Flickr .
Ireto ny sasany tamin'ireo sioka (nadikan'i Eduardo Avila):
HiperBarrio: RT: @axelaforever acaba de salir el primer globo del evento es un carro de conduciones america #festiglobos10
RT: @axelaforever the first balloon of the event just took off. It is of a car with Conducciones América [a line of buses that services La Loma]
#festiglobos10
RT: @axelaforever, vao miainga ny balaonina voalohany tao amin'ilay hetsika. Izy ity dia toy ny fiara miaraka amin'ny Conducciones América [laharana bisy fitaterana miasa ao La Loma]
HiperBarrio: Vamos a preguntarle a los asistentes: ¿Qué opinan de los globos y el medio ambiente? #festiglobos10
Let's ask the assistants: What do you think of the balloons and the environment? #festiglobos10
Andeha ho anontanina ireo mpanampy: Inona no hevitrareo momba ireo balaonina sy ny tontolo iainana?
Convergentes: Hace un rato salió un globo con la forma del bus de Conducciones América. #festiglobos10
A little while ago, a balloon took that had the shape of a Conducciones América bus #festiglobos10
Fotoana vitsy lasa izay, nisy balaonina iray toy ny bisy Conducciones América
Afaka mikaroka ireo sioka mifandraika amin'ny tenirohy # festiglobos10 ianao.
Nalefa mivantana an-tserasera tamin'ny alalan'ny horonantsary ilay hetsika:
http://www.ustream.tv/flash/video/3885653
Naka horonantsary hafa momba ny Hiperbarrio Ituango izay nahitana ny fandaharana ara-kolontsaina tao amin'ny Kolejy John Paul II Diocesan ao Ituango i Blueandtanit:
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra