Miangaly rap momba ny fampahalalam-baovaon'olontsotra i Jorge Jurado

(Marihina fa tamin'ny 19 Febroary 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mila Flash 8 (na ambony kokoa) sy javascript ianao mba ahafahanao mijery ny horonantsary.

Fantatro fa toa somary dedaka kely izany – olona mihira rap momba ny famahanana bilaogin-dahatsary – kanefa tsy tononkalo fotsiny ihany ny tononkiran'ny hiran'i Jorge Jurado ‘ConVerGentes’  fa maneho ihany koa ny fahamarinana momba ny fandraisana anjara amin'ny fampitam-baovao amin'ny ankapobeny: mamorona izahay satria voatery tsy maintsy manao izany fa tsy hoe nisy niteny akory.

 

0BCD911D-E726-4E58-AB6F-03722693E2D9.jpg

Ireo mpikambana mavitrika indrindra ao amin'ny ConVerGentes. Eo amin'ny farany havanana i Jorge Jurado.

Iray amin'ireo tanora miisa eo amin'ny 20 eo ho eo ao amin'ny sarangan'ny mpiasa ao amin'ny fokonolona ambanivohitra ao San Javier La Loma izay nanangana ny vondrona fampitam-baovaon'olontsotra” ConVerGentes.” i Jorge. Anisan'ny iray amin'ny vondrona telo izay ao anatin'ny tetikasa fanentanana lehibe indrindra HiperBarrio izy ireo. Kilalaon-teny manambatra ny teny Espaniôla manondro ny firohotana, fahitana, ary vahoaka ny hoe ConVerGentes.

Namoaka fanadihadiana fohy mikasika ny kolontsaina graffiti sy bilaogy ao La Loma tao amin'ny La Voz del Silencio i Jorge, ary manatalenta amin'ny famolavolana sary sady mpanakanto hip-hop ihany koa izy. Miresaka momba ny fahafahana mampiasa fampahalalam-baovao azo andraisana anjara amin'ny fanavotany ny tantara noadinoina sy ny kolontsain'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ny hirany “ConVerGentes” izay nohirainy mivantana an-tsehatra tany amin'ny voalohandohan'ny volana Janoary 2008. Notononony ihany koa ny lohatenin'ny bilaogy an-tserasera ConVerGentes tsirairay tamin'ny fomba izay mamaritra ny votoatiny sy ny olona ao ambadik'izany. Afaka mitsidika ny bilaogin'izy ireo tsirairay ihany koa ianao amin'ny alàlan'ny fitsidihana ny tranokalan'ny ConVerGentes sy amin'ny alàlan'ny fitendrena ny rohy tsirairay eo amin'ny ankavanana ambanin'ny lohateny “Blogroll”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.