Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Hiper-barrio tamin'ny Septambra, 2018

HiperBarrio: Campus Party Kolombia sy sary avy amin'ny lavaka paingotra

Tonga voalohany tao Kolombia tamin'ny taona 2008 ny Campus Party, iray amin'ireo fihaonambe ara-teknolojika lehibe indrindra miteny Espaniôla manerantany. Naverina indray tamim-pahombiazana lehibe izy ary tena navitrika nandray anjara tamim-pihetseham-po tamin'izany lanonana izany (2008, 2009) ny vondrom-piarahamonina Hiperbarrio ao Kolombia, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Mampiasa tononkalo hamaritana ny vondrom-piarahamonina sy ny fahatsapany ny bilaogera vaovao

Na dia tsy misy fiahiahiana aza fa ho very eo amin'ireo kitendry amin'ny vanim-potoana nomerika ny lovan-tsofin'ny tononkalo, dia misy ihany koa ny fitomboan'ny porofo (amin'ny endrika fibilaogina tononkalo, na bilaogera poetika) izay afaka mahatratra lavitra kokoa noho ny hatramin'izay ny hatsarana sy ny aingam-panahy.

Fantaro ilay bilaogera Yesenia Corrales

Nandritra ny telo taona, nifantoka tamin'ny fanazavana ireo faritra mpifanolo-bodirindrina samihafa manodidina ny tanàna, toa an'i La Loma, ary koa faritra hafa ao Kolombia ny tetikasa HiperBarrio ao Medellin. Na izany aza, asa mafy nataon'ireo mpandrindra ny tetikasa izany, indrindra fa ireo bilaogera vaovao, izay nanampytamin'ny tetikasa.