Medellin, Colombia: Renivohitra Nalaina An-keriny, Avy Eo Tanàna Teraka Indray
Dikandahatsoratra
(Marihana fa efa tamin'ny volana Aogositra taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nitsidika an'i Bangladesh izahay tamin'ny fandraisam-peo voalohany Rising Voices, izay misy ny Foibe Nari Jibon mampianatra ny zatovovavy ao Dhaka haneho hevitra amin'ny fandraisana anjara amin'ny resadresaka an-tserasera. Amin'ity herinandro ity, manova ny endrika izahay ary mamoaka ity fandraketam-peo ity amin'ny fizarana roa samihafa.
Voalohany, lasa nahafantatra an'i Medellín, Colombia; ny lasany feno herisetra, ny fandriampahalemany amin'izao fotoana izao, ary ny ben'ny tanàna matematisiana izay nanao tranomboky vaovao ao amin'ny faritra mahantra indrindra ao an-tanàna izahay.
Ao amin'ny fizarana faharoa amin'ity fandraisam-peo ity, izay ho avoakanay amin'ny herinandro farafahatarany, hifantoka amin'ny tetikasa HiperBarrio izahay ary hamantatra ny fomba nampandrisika ireo bilaogera vitsivitsy ao Medellin nankany amin'ny havoana ao an-tanànan'izy ireo mba hampianatra momba ny fitaovam-pampitam-baovaon'olom-pirenena ho an'ny tanora sarangan'ny mpiasa.
Tamin'ny fandraisam-peo androany, niresaka tamin'ireto olona ireto izahay:
- Hector Aristizabal, Talen'ny vondrona teatra ImaginAction.
- Adam Isacson, mpiara miasa zokiny ao amin'ny Foibe ho an'ny Politika Iraisam-pirenena ao Washington, DC.
- Aldo Civico, Talen'ny Foibe ho an'ny Famahana ny Ady Iraisam-pirenena ao amin'ny Oniversiten'i Columbia ao New York City.
- Juliana Rincón, bilaogera, mpanoratra ao amin'ny Global Voices, sy mpiara manorina ny Medallo Bloguero.
Ny mozika fampahafantarana dia ny “Madrugada a la Gil Evans” avy amin'i Paloseco Brazz Orchestra ary hita ao amin'ny ccMixter. Ny hira famaranana dia, “Del Cielo Que Nos Robaron” avy amin'ilay mpiangaly mozika Kolombiana trova sy ilay bilaogera, Lizardo Carvajal. Navoaka teo ambany lisansa Creative Commons 2.5 izay tafiditra ao anatin'ny iSummit 2006 DVD izany.
Tsara ihany koa ny mamaky ny eritreritra momba ny MetroCable nosoratan'i Andres Duque sy ny fomba nanampian'izany nanova an'i Medellin.
Misorata anarana ao amin'ny fandraketam-peo Global Voices amin'ny fampiasana ny iray amin'ireto rohy ireto:
RSS | iTunes (podcast page) | iTunes (direct subscription link) | Odeo
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra