Fitaovam-baovao: Onjam-peo mivantana amin'ny bisikileta 

(Marihina fa tamin'ny 26 Novambra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Via Juliana Rincon we learn about a special bicycle in operation in Caquetá, Colombia:

Nahafantatra ny momba ny bisikileta miavaka iray miasa ao Caquetá, Colombia isika tamin'ny alalan'i Juliana Rincon:

“It seats two and carries with it a complete radio broadcasting system, able to send out Wi-max signals and be heard not only through the Andaquí Community Radio, but live through Internet as well“.

“Misy seza roa ity bisikileta ity ary misy fitaovan'onjam-peo feno mandefa fandaharana mivantana miaraka aminy, afaka mandefa Wi-max izy ary tsy amin'ny Onjam-peon'ny Vondrom-piarahamonina Andaquí ihany no hahenoina azy fa mivantana amin'ny Aterineto ihany koa“.

Ny Radiocicleta dia tetikasa ho an'ny fifandraisan'ny vondrom-piarahamonina izay nandrava ny rindrina nisy teo amin'ny trano famokarana sy ny tanàndehibe :

“It is sustainable, it is cheap to maintain, it is environmentally sound, it is human instead of fuel powered, it allows for innovation and investigation, it can reach many different places and can be brought inside homes and it brings people together, working as members of a team,” Juliana says.

“Izy ity dia lovainjafy, mora kolokoloina, miaro ny tontolo iainana, ny olombelona no mampiodina azy fa tsy ny solika, afaka atao ho an'ny fanavaozana sy ny fanadihadiana, ary afaka mandeha any amin'ny toerana samihafa sy azo entina ao an-tokantrano ary afaka mitondra olona roa miara-miasa ho ekipa iray, “hoy i Juliana.

Kioska aterineto mora vidy miaraka amin'ny findain'ny aterineto

Manana mponina miisa 140 tapitrisa mahery i Bangladesh. Ambany dia ambany ny fampiasana finday folo taona lasa izay noho ny tsy fetezan'ny tany hanaovana foto-drafitrasa an-tariby (tsy niparitaka tany amin'ny faritra ambanivohitra izany). Saingy noho ny fivoaran'ny orinasan'ny finday dia efa niakatra maherin'ny 32 tapitrisa ny isan'ny mpampiasa finday tao anatin'ny taona vitsy ary manerana ny firenena ny fandrakofana ka tonga hatrany amin'ny faritra lavitra indrindra. Nanakaiky ny 25% ny tahan'ny fitomboan'ny indostrian'ny finday izay tena miavaka tokoa.

Raha latsaky ny 1% (iray tapitrisa monja) ny mpisera aterineto ao amin'ny firenena iray dia manome ny varavarana misokatra tsara ho an'ny firenena ny hiserasera aterineto izay tsy azo notanterahina tamin'ny tambajotran'ny telefonina an-tariby mahazatra (2007) na amin'ny hosina dsl lafo vidy. Mampiasa ny teknolojia EDGE mihitsy aza, izay manana hafainganam-pandeha mihoatra ny 128 kb/s amin'ny fandefasana lahatahiry,  ny sasany tamin'ireo mpandraharaha .

Nanangana ny telecentre na cybercafe ho ampiasain'ny olona maro ireo mponina any ambanivohitr'i Bangladesh amin'ny alàlan'ny fampiasana ity fitaovan'ny finday amin'ny aterineto ity. Ato amin'ity tranonkala ity no hamantarantsika fa tsotra ny teknolojia takiana amin'ireny kioska Aterineto ireny:

“There's only one PC, which functions as a server: each of the other workstations is powered by a small device, not much bigger than a cigarette packet. For another, there's no wired connection between the server and the outside world. The clue to how it's done is provided by a Motorola clamshell mobile phone connected by a USB cable to the server. The Centre is getting its Internet connection via an Edge-enabled mobile phone!”

Using Ndiyo-type thin-client networking in combination with Open Source software dramatically reduces the Total Cost of Ownership of Internet cafes, networked classrooms and small office systems. In the process, it makes it possible for entrepreneurs like Abu Sufian, the proprietor of the Fultola CIC, to make investments which earn revenues for them by providing services to local people and organizations.”

“Iray ihany ny solosaina, izay miasa ho toy ny lohamilina: mifandray amin'ny fitaovana madinika izay tsy lehibe noho ny baoritra sigara ireo solosaina hafa. Ho an'ireo hafa, tsy misy ny fifandraisana mivantana eo amin'ny lohamilina sy ny tontolo ivelany. Avy amin'ny finday Motorola (ilay afa-mikatona toy ny vavam-biby) no fomba hanaovana izany izay mifandray amin'ny hosina kabla USB mankany amin'ny lohamilina. Mandray ny fifandraisana amin'ny Aterineto amin'ny alàlan'ny finday mandeha amin'ny Edge ny Foibe ! “

Ny fampiasana ny tambajotran'ny mpanjifa maivana toy ny karazana Ndiyo ahitana rindrambaiko Open Source [tovozina malalaka] no nampihena betsaka ny fandanian'ny tompona cybercafe, ny efitrano fianarana mampiasa tambajotra sy ny rafitra birao madinika. Ao anatin'izany dingana izany no ahafahan'ireo mpandraharaha toa an'i Abu Sufian, tompon'ny Fultola CIC, manao fampiasam-bola ahazoan'izy ireo tombontsoa amin'ny alàlan'ny fanomezana tolotra ho an'ireo mponina sy fikambanana eo an-toerana. “

Mino aho fa ireo fahombiazan'ireo teknolojia vaovao mifototra amin'ny aterineto ireo dia azo havaozina any amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana rehetra manerantany.

PlayPlay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.