HiperBarrio: Manova Ny Fomba Fijery Amin'ny Alalan'ny Fahaiza-Mamorona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

HiperBarrio

Ohatra tsara mikasika ny fitomboan'ny fahafahan'ireo vondrom-piarahamonina zara raha fantatra mba hilaza ny tantaran'izy ireo amin'izao tontolo izao avy amin'ny toerana lavitra sy mitoka-monina ny tetikasa HiperBarrio, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices. Mifototra amin'ny fampiasana ny fitaovana fampahalalam-baovao toy ny bilaogy, lahatsary amin'ny bilaogy, sy ny sary amin'ny bilaogy ny fahombiazan'izy ireo mba ahafahan'ny vondrom-piarahamonina maneho ny eritreritr'izy ireo sy ny fahaiza-mamoron-dry zareo.

Mamintina ny asan'i HiperBarrio hatramin'ny volana Oktobra i Izpapalotl. Manasongadina ny sasany tamin'ireo zava-bitan'ny tetikasa hatramin'izao izy.

Nitatitra i Juliana Rincon fa hafa noho ny teo aloha ny atrikasa momba ny fakantsary tamin'ny 10 Novambra satria nivoaka teny an-kalamanjana ny mpandray anjara ary nitsidika ny lalan'i Carabobo ao Medellin mba haka sary. Satria efa nahatratra ny fetra tamin'ny kaonty Flickr HiperBarrio izy ireo, nampidirina tao amin'ny rakitsary Picasa ny sarin'izy ireo.

Galo, mpandray anjara, miresaka momba ny fihaonany voalohany amin'ny fanitsiana lahatsary. Nampiasa sary sy lahatsary nalaina nandritra ny Herinandron'ny Kolontsaina tao amin'ny Sekoly Fe y Alegría any Santo Domingo izy ireo. Ao amin'ny youtube ireo lahatsary ireo ary ao amin'ny kaonty Flickr ny Medea ny sary.

Ny sary etsy ambony dia ireo mpandray anjara tamin'ny fifaninanana, miaraka amin'ny fitafiana fentina mandihy vita amin'ny fitaovana nohavaozina.

Mampiseho mpandray anjara mpifaninana izay nahazo ny laharana faharoa nandihy niaraka tamin'ny namany ny lahatsary. Mandihy ny hira mifangaro tropikaly izy, anisan'izany ny Porro, dihim-paritra malaza any Medellin.

Lahatsoratra roa vaovao no navoaka tao amin'ny bilaogin'ny vondrona Convergente.

Voalohany, nivoady hanova ny fomba fijery ny tanàna manodidina La Loma ao Medellin ny mpandray anjara:

We want to share truths from the Public Library in St. Javier hill with the rest of the world, via the Internet.

Te hizara ny marina momba ny Tranombokim-bahoaka ao an-tendrombohitra St. Javier amin'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny aterineto izahay.

Mitantara ny tantaran'i Manuael Salvador, 78 taona, mponina ao La Loma izay fantatra amin'ny anarana hoe “Suso Mugre” ny lahatsoratra farany [es]. Miresaka momba ny tolona nataony ho mpikaroka fako izay monina amin'ny trano efa simba ilay bilaogera. Toa manaiky ny manjo azy ny rehetra ka tsy manome fanampiana. Nanipika ireo mpandray anjara ao amin'ny Convergentes fa indraindray isika tsy mahamarika ny mpifanolo-bodirindrina amintsika na ny olona tahaka an'i Suso lasa ampahany iray hafa amin'ny tontolo.

Namoaka ny gazetiny voalohany tamin'ny volana Oktobra ny HiperBarrio. Ny tanjon'izy ireo manaraka dia ny fikarakarana atrikasa fanoratana sy famoahana ny gazety faha-2.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.