Tantara mikasika ny Fisamborana sy faneriterena

Tonian-dahatsoratra Maraokana Nosamborina Fa Nandefa Lahatsarinà Mpampihoroho

GV Mpisolovava  29 Septambra 2013

Ali Anouzla dia voasambotra tamin'ny herinandro lasa iny noho ny tranonkalany nanasongadina lahatsoratra iray mikasika lahatsary iray nambara ho nakarin'ny Al-Qaeda tety anaty aterineto. Ny sasany mino fa ilay lahatsoratra dia nanome fialàna bàla tsara fipetraka ho an'ireo manampahefana mba hisamborana an'ilay mpanao gazety.

Mpanao Gazety Iray Hafa Nosamborina tao Zambia

GV Mpisolovava  28 Jolay 2013

Taorian'ny nisamborana an'i Wilson Pondamali sy nisavan'ny polisy ny tranony, nolazain'ny mpiserasera fa tsy hita idirana intsony ny tranokanam-pampahalalam-baovao mahaleotena Zambian Watchdog ao Zambia.

Nepal : Mpanao Gazety Voasambotra Fa Namoaka An-Gazety Ny Fiainana “Firaisana Ara-nofo” Tao Aminà Sekoly Iray

GV Mpisolovava  04 Jolay 2013

Mpanao gazety Nepale telo voaheloka ho namoaka vaovao mahatezitra sy manala baràka tamin'ny aterineto no voasambotra tamin'ny herinandro teo. Nentin'ny mpitandro filaminana hotanana vonjimaika izy ireo taorian'ny fitarainana napetraky n y manampahefana avy ao amin'ny Oniversitem-panjakana zay nitory azy ireo ho namoaka lahatsoratra momba ny fampiasan'ny mpianatra zazavavy baranjely ho solonà filahiana.

Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

GV Mpisolovava  10 Mey 2013

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy. Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy ny sazy henjana azon'ilay mpanao gazety an-tserasera nahazo loka Eskinder Nega, izay hiatrika sazy 18 taona an-tranomaizina ankehitriny. Nosamborina tamin'ny...

Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

GV Mpisolovava  07 Mey 2013

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.

Bangladesh: Global Voices Manameloka Ny Fisamborana Bilaogera

GV Mpisolovava  11 Avrily 2013

Ny Fiarahamonina Global Voices, ahitana bilogera, mpanoratra ary mpikatroka avy amin'ny firenena mihoatra ny 100 no te-haneho ny ahiahiny amin'ny lalana diavin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera amin'izao fotoana izao ao Bangladesh. Miantso ny hamotsorana tsy misy hatak'andro ny bilaogera voafonja izahay ary mandrisika ny mpikambana ao amin'ny governemanta hitazona hatrany ny fiantsorohany ny lalana ao amin'ny firenena sy iraisampirenena eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona.

Voampanga Ho Naniratsira, Bilaogera Telo Voatàna Am-ponja Any Bangladesh

GV Mpisolovava  02 Avrily 2013

Nitazona bilaogera miisa telo ny Sampam-pitsikilovan'ny Polisy ao Bangladesh - Rasel Parvez, Mashiur Rahman Biplob & Subrata Adhikari Shuvo - omaly alina noho izay ambara fa nosoratan'izy ireo tsy manisy vidiny ny finoana Silamo sy ny mpaminany Muhammad. Hatramin'ny omaly, ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy Amarblog.com dia lasa tsy azo nidirana intsony avy ao Bangladesh. Mbola mila fantarina ihany koa raha toa ka ny manampahefana no nibahana azy io ary noho ny antony inona.