· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Fisamborana sy faneriterena tamin'ny Jolay, 2012

Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

GV Mpisolovava  29 Jolay 2012

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.

Fanentanana Ho An'ireo Mpitoraka Bilaogy Syriana

GV Mpisolovava  20 Jolay 2012

Mitombo isanandro ny isan'ireo vahoaka mpanao gazety maty na voasambotra tany Syria. Misy fanentanana iray momba ilay mpitoraka bilaogy Hussein Ghrer--mikatsaka ny hanaitra ny sain'ny maro amin'ireo raharaha mafana mahazo ilay mpitoraka bilaogy.

Hong Kong: Nosavaina Ny Tranon'ny Mafana Fo Iray Noho Ny Fanendrikendrehana Ho Nisotasota Tamin'ny Aterineto

GV Mpisolovava  16 Jolay 2012

Tamin'ny 13 Jolay 2012, nisy vondrona mpitandro filaminana nanafika an'i Yang Yang (solon'anarana) tany an-tranony, mafana fo any Hong Kong ka naka an-keriny ny solosaina, ny lohamilina ary ny findainy...nolavin'i Yang izany fanendrikendrehana izany: "amin'ny maha-manampahaizana momba ny aterineto ahy, tsy hanao fanimbàna adaladala tahaka izaony aho. Ny solosaiko ao an-trano ihany ve no ho ampiasaiko? Mampihomehy izany. Na ohatra aza ka tena nanao izany fanimbàna izany aho, tsy ho fantatr'izy ireo mihitsy."