Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Fisamborana sy faneriterena tamin'ny Jona, 2011

30 Jona 2011

Sina: Mpampiasa aterineto iray nahazo sazy fanabeazana mandritry ny herintaona noho ny fanesoany ny mpitondra

GV Mpisolovava

Araka ny tatitry ny media any an-toerana [zh], nisy mponina iray avy ao amin'ny tanànan'i Chongqing, Fang Hung, nahazo sazy fanabeazana ny Aprily 2011 noho ny famoahana bilaogy kiritika manesoeso an'i Bo Xilai lehiben'ny antoko politikan'ny tanàna, zanak'ilay razokibe Bo Yibo mpitaky fanovàna ao amin'ny Antoko Kaominista Sinoa

29 Jona 2011

Tranganà Bilaogera Maleziana hoe Nanàla Baràka – Miteraka Ahiahy

GV Mpisolovava

Manoloana ny fitsarana an'ilay Maleziana mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera, Charles Hector noho ny resaka fanalàm-baràka, amin'ny 28-29 Jona 2011, niantso ny Fitsarana Maleziana ny ARTICLE 19 mba handinika ilay tranga mifanaraka amin'ny fepetra iraisam-pirenenan'ny fahalalahana maneho hevitra anaty aterineto. Raha ny lanja mavesatry zo halalaka maneho hevitra, sy ny...