Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2013

Tantara mikasika ny Fisamborana sy faneriterena tamin'ny Septambra, 2013

Tonian-dahatsoratra Maraokana Nosamborina Fa Nandefa Lahatsarinà Mpampihoroho

Ali Anouzla dia voasambotra tamin'ny herinandro lasa iny noho ny tranonkalany nanasongadina lahatsoratra iray mikasika lahatsary iray nambara ho nakarin'ny Al-Qaeda tety anaty aterineto. Ny sasany mino fa ilay lahatsoratra dia nanome fialàna bàla tsara fipetraka ho an'ireo manampahefana mba hisamborana an'ilay mpanao gazety.

Fanambarana: Mpikatroka Aterineto Mitaky Ny Famotsorana Ilay Bilaogera Bahrainita Mohammed Hassan

Mitaky ny famotsorana an'i Mohammed Hassan (Safybh), tanora bilaogera Bahrainita sady mpiaro ny zon'Olombelona izay nogadraiana tao Bahrain nanomboka tamin'ny volana Jolay ny Global Voices Advocacy sy ny bilaogera manerantany.