Tantara mikasika ny Japoney tamin'ny Desambra, 2017
Japana: Tonga Any Tokyo Ny Torolalana Michelin
amin'ny 22 Novambra 2007, namidy ilay Torolalana Michelin any Tokyo noresahana be. Tsy afaky ny ho diso lalana mihitsy ianao any Japana miaraka amin'ny fitambaran'ny fifangaroana Frantsay sy zavatra mahaliana ara-tsakafo. Mazava ho azy, nandritra ireo andro talohany sy taorian'ny namoahana azy, nihazakazaka mihitsy aza ny media Japoney mba handrakotra ilay hetsika sy ilay torolalana tenany, ilay boky mpanoro lalana mankany amin'ny trano fisakafoanana sy hotely malaza indrindra, nozarain'ilay orinaa frantsay mpanamboatra kodiarana Michelin
Saka Anaty… Vilany? Saka Mahafatifaty Maka Aina Anaty Fitaovana An-dakozia Japoney
Hita ao Japan ny saka matory anaty vilany fandrahoan-tsakafo. Lasa malaza mihitsy izany ka mivarotra vilany natokana ho an'ny saka mihitsy ny fivarotana ankehitriny.