Tantara mikasika ny Japoney tamin'ny Marsa, 2011
Taiwan: Fanadihadiana Manokan'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohitra ny Nokleary
Toby mpamokatra angovo nokleary faha-efatra no an-dalam-panorenana izao any Taiwan, ao amin'ny tanànan'i Gongliao, 40 km monja miala ny tanànan'i Taipei.
Japana: Bitsika Vonjy Taitra Ho an'Ireo Ray Aman-dReny Mpialokaloka
Raha mbola mampanahy mafy ny toe-draharaha ao amin'ilay toby nokleary ao Fukushima Daiichi [en] ary mampitandry ny amin'ny fisian'ny taratra maheryvaika avy amin'ny iodine sy cesium zava-maniry sy ny rano ny governemanta, mitady toky sy torohevitra avy amin'ireo manampahaizana manokana any anaty aterineto kosa ireo ray aman-dreny manana zaza mbola kely.
Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011. Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai. Indro ny mombamomba azy: 現在、宮城県女川町で見てきた範囲のみの情報をツイートをしています。※ツイート履歴を確認してください。※ 不安なのはとてもわかるのですが、私が見た範囲でしかわかりません。通ってない地区や個人の安否等はわかりません。車で第一保育所まで行き、総合体育館まで瓦礫の中を歩いて家族を迎えに行っただけです。 http://twitpic.com/photos/kombu_s Mandefa tweets momba ny zavatra hitako tany Onagawa aho izao, any amin'ny prefektioran'i Miyagi. Mba...
Japana: Tetikasa ara-kolontsaina ho fiaraha-mientana noho ny horohorontany
Tetikasa ara-kolontsaina miisa telo mifandray no nivoitra vokatry ny fahasimbana naterak'ilay horohoron-tany sy ny tsunami (tondra-drano mahery vaika) izay nianjady ny faritry ny morondrano avaratr'i Japana tamin'ny zoma farany teo dia ny 11 Martsa, taona 2011 izany. Nanporisika ny olona izy ireo teo amin'ny asa ara-kolontsaina sy teo amin'ny famoronana sy fizarana sary famantarana entina hanampiana ireo niharam-boina.
Japana: Mihevitra ny Anton'ny Fiainana
Navoakan'ny mpaham-bolongana maro izay mihevitra fa izany no tsara atao indrindra amin'izao fotoana izao ny poezia malazan'ilay Poeta Shuntaro Tanikawa "Miaina", izay mandalina ny dikan'ny fiainana.
Japana: Mikisaka any atsimo ny horohorontany? Matahotra i Kansai
Anisan'ireo lahatsoratra manokana mikasika ny horohorontany tany Japana 2011 ity lahatsoratra ity. Andro vitsivitsy aty aorian'ny horohorontany goavana namely ny faritra avaratra andrefan'i Japana dia mbola mitohy mihetsika hatrany ny tany any amin'ireo faritra hafa ao amin'ny nosy Honshu. Raha jerena indray mitopi-maso ny Yomiuri Shimbun momba ny vaovaon'ny horohorontany...
Japana: Firariantsoa sy Vavaka atao amin'ny alalan'ny lahatsary
Ho setrin'ny toe-draharaha any Japana taorian'ny horohorontany, tsunami ary ny krizy nokleary dia nitodika tany amin'ny lahatsary sy ny mozika ny olona ho fomba hanehoany firariantsoa tsara indrindra sy ho fanohanana ny vahoakan'i Japana
Japana: Lahatsary Avy Amin'olon-tsotra Momba ilay Horohorontany
Mendri-piderana ny fikirizan'ny olona hilanja fandraketan-tsary sy haka lahatsary na dia be aza ny tsindry mahazo azy ireo eny an-kianja eny noho ny fihetsehan'ny tany itsahana. Lahatsary avy amin'olon-tsotra noraketina tamin'ny Zoma 11 Martsa nandritra ilay horohorontany sy tsunami nadravarava toerana maro tao Japana izao no mameno ny Youtube. Anatin'ireo maro ifampizarana any anaty aterineto, indreto misy vitsivitsy.
Japana: Sarimiaina Manazava ny Olan'ny Nokleary Amin'izao Fotoana
Namorona lahatsary miaina ilay mpanakanto Kazuko Hachiya (八谷和彦) mba hanazavana ny toe-draharaha any amin'ny ozinina mpikirakira ny nokleary ao Fukushima.
Japana: “Izay indray ilay feo”
Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Horohorontany Japan 2011 ity lahatsoratra ity. Ny feo mahazatra amin'ny rafitra fanairana alohan'ny horohorontany any Japana (緊急地震速報 Kinkyū Jishin Sokuhō) dia lasa miraikitra any an-dohan'ny mponina noho ny fandefasana izany matetika ao amin'ny fahitalavitra sy ireo fanairana any amin'ny finday, satria mbola mitohy ireo horohorontany madinidinika mandritra...