Gazetiboky frantsay manasa antsika hamantatra ireo endrika 50 tsy azo lalovam-potsiny amin'ireo tangoronosy Japoney

[Raha tsy asiana fanamarihana manokana, ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra dia mitondra anao ho any amina tranonkala anglisy avokoa]

Na eo aza ireo vina ara-toekarena tsy dia mampaharisika loatra, dia maneho fahalinana be tsy mbola nisy tahaka izany  amin'i Japàna ireo frantsay mpamaky [fr]. Ao anatin'ilay laharana manokana, ny ZoomJapan [fr] dia manasongadina  olomalaza japôney miisa 50 mandray anjara amin'ny fanovàna ilay vondronosy, toy ilay mpanao maritrano Kyohei Sakaguchi, izay miasa hahatongavan'ny « fitoantànana mahaleotena », ary ireo mpisehatra hafa eo amin'ny sehatry ny kolontsaina, fikatrohana, fandraharahàna ary n y tontolon'ny media. Ilay ranty, izay azo jerena ety anaty tambajotra, dia navoaka amin'ny fiteny frantsay, japôney ary anglisy.

 

Ny lahatsoratra ôrizinaly dia niarahana nanoratra tamin'i Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.