Ny anjara asan'ny tanora amin'ny fampiroboroboana ny fampianarana fahaiza-mamaky ny nomerika ao Timor-Leste

Youth digital education training

Fanofanana ny tanora momba ny fanabeazana mampiasa nomerika tao DIli, Timor-Leste. Loharano: pejy Facebook an'ny JPF podcast

Juvita Pereira Faria no nanoratra ity lahatsoratra ity, ao anatin'ny tetikasa  Youth Advocacy and Communications for Internet Freedom an'ny EngageMedia. Ny namoaka azy voalohany dia ny EngageMedia, fikambanana iray momba ny media, teknôlôjia, kolontsaina, izay tsy mitady tombony ara-bola, ary dika iray nokiraina no averina avoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty amin'ny Global Voices.

Raha tanora 15-25 taona ny 50 isanjaton'ny mponina ao Timor-Leste, dia mijaly noho ny tsy fivoaran'ny fotodrafitrasa nomerika ilay firenena, ary tena marefo ny vahoaka iharan'ireo fanafihana atao amin'ny zo maha-olona sy ny zo nomerika, toy ny fandrahonana atao amin'ny fiarovana nomerikan-dry zareo, ny filam-baniny ety an-tambajotra, ary ny fandisoana ny vaovao na tsy fahatakarana ny vaovao. Taraiky ihany koa ny fotodrafitrasan'ilay firenena raha mitaha amin'ny an'ireo mitovy aminy ao amin'ny faritra misy azy; tena ambanin'ny salanisa mihitsy ny hafainganan'ny aterineto ary ambony be ny vidin'ny fifandraisana aterineto raha mitaha amin'ny an'ireo firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana. Amin'ny ankapobeny, marobe ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny firenena no miatrika fanamby maro vao afaka mitety ny aterineto amin'ny fomba miabo sy mahomby ary mitondra fanabeazana. Marobe ireo olona mandefa ranty amin'ny alàlan'ny kaontiny manokana izay tsy azo antoka ary, noho izany, tsy tsara aro.

Araka izany, mitàna anjara toerana lehibe ireo tanora ao Timor-Leste ao anatin'ny vaninandro misongan'ny nomerika, indrindra fa ny media sôsialy. Fakafakain'ity lahatsoratra ity ny toeran'ny tanora amin'ny maha-mpanao adisisika azy ireo ho an'ny andian-taranaka rehetra. Azon'ireo tanora atao ny mampiroborobo ny fahaiza-mamaky ny nomerika sy ny fampianarana, izay amin'ny alàlan'ireny no ahafahana mitondra fanentanana goavana kokoa momba ny lanjan'ny fiainana manokan'ny tena, ny fahafahana mahazo torohay azo ianteherana, ary fiarovana ny asa fanaovana gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra, araka izay voalaza mazava tsara ao amin'ny andininy faha-40 amin'ny Lalàm-panorenana Nasiônalin'i Timor-Leste.

Loza mitatao ho an'ny fahalalahana maneho hevitra an-tambajotra

Na misy aza ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Timor-Leste, mbola ady mafy ho an'ireo mpampiasa aterineto ny fahafahana mifandray amin'ny aterineto sy ny fahampian'ny fahavononana pôlitika hiaro sy hampiroborobo ny zo nomerika ao amin'ny firenena. Ireo rafitra vao haingana momba ny lalàna, toy ny  famerenana indray ny fanamelohana ny fanalàm-baràka ao anatin'ny Lalàna Famaizana tamin'ny 2020 sy ny Volavolan-dalàna 2021 momba ny Heloka An-tambajotra, dia mametraka koa fetra ho an'ny fahalalahana maneho hevitra an-tambajotra no sady mandrahona ny lahateny demaokratika.

Ankehitriny, matetika ireo tanora ao Timor no mizara ny fanehoankevitr'izy ireo manakiana amin'ny media sôsialy no sady mifanakalo hevitra momba ireo olana manokana toy ny fandraisana anjara ara-pôlitika, ny tsy fanànana asa ho an'ny tanora ary ny fivoarana ara-toekarena; na izany aza, ho setrin'izany, dia voarahona avy hatrany ry zareo no sady samborina tsy misy fototra araka ny lalàna.

Tamin'ny 2023, nisy tovovavy mpikatroka iray antsoina hoe Variana nosamborin'ny pôlisim-pirenena noho izy nandefa ranty fanehoankevitra  nanakiana ireo mpitondra ambony ao amin'ny firenena. Taorian'izay izy dia navotsotra tsy nisy sazy nomena azy nandritra ny dingan'ny famotorana. Heverina ho toy ny tohankevitra fanakianana mahazatra ao amin'ny media sôsialy ilay ranty nalefan'i Variana, izay midika fa tokony ho voaaron'ny andininy momba ny fahalalahana maneho hevitra araka ny lalàm-panorenana izy.

Tranga tsy mahazatra ny an'i Variana. Tao anatin'ny Universal Periodic Review mahakasika ilay firenena tamin'ny 2022, ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona dia voatanisa ny fisiana fanitsakitsahana tsy misy hafa amin'izany nataon'ilay firenena tamin'ny zon'olombelona sy ny zo nomerika, anisan'ireny ny fandrahonana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny hiditra anaty fikambanana. Na dia ny zon'ny haino-vaky-jery aza no nifantohan'ilay tolokevitra — indrindra fa ireo tanora mpanandra-peo — dia tokony hisitraka zo mitovy ny olompirenena rehetra.

Juvita

Ny mpanoratra, nitarika atrikasa iray fanabeazana momba ny nomerika ho an'ireo mpianatra, tafiditra ao anatin'ny santatr'andraikitra JPF Podcast nataon-dry zareo. Loharano: EngageMedia, fampiasàna nahazoana alàlana

Antso hanaovana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana momba ny nomerika sy fanentanana eny anivon'ny tanora

Eny tokoa, tena zavadehibe ny manampy ireo tanora mba hahatakatra sy haka tombony amin'ny aterineto ho entina mampiroborobo ny fahalalahana maneho hevitra, hiarovana ny fitoniana an-tserasera, ary hanomezana vahana ny fampiatiana nomerika. Ny fanomezana fahafahana miditra hahazo torohay sy ireo loharano momba ny zo nomerika dia miantoka fa tsy ho tavela ho irery ao anatin'ny fivoaran'ny nomerika ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika, isan'ireny ny vehivavy, ny ankizy ary ireo mponina ambanivohitra.

Iray amin'ireo tetikasa tarihan'ny tanora tahaka izany ny JPF Podcast, ka isan'ireo mpandray anjara amin'izany ny mpanoratra ity lahatsoratra ity. Ilay  podcast sy ireo hetsika rehetra mifandraika aminy, izay nanomboka tamin'ny Febroary 2023, dia mikendry ny hampitombo ny fahatsiarovantena eny anivon'ireo tanora ao Timor-Leste momba ireo teknôlôjia vao mipongatra any amin'ny faritra, amin'ny alàlan'ny fanofànana momba ny nomerika, fikaonandohan'ny daholobe, ary ny fifampiresahana mivantana podcast alefa amin'ny aterineto. Ny 30 Septambra 2023 no natao ny hetsika voalohany, lohahevitra tamin'izany ny “Zo Nomerika: Hirika sy Fanamby ho an'ireo tanora amin'ny fitetezana ny media sôsialy ao Timor-Leste.” Ilay hetsika dia natao hampitaovana ny tanora mba hanana ny fahalalàna ilaina sy ireo traikefa hanamoràna sy hamelàna azy ireo handray fanapahankevitra mazava tsara ary hitety amim-pahatokiana sy faharetana ny tontolo nomerika.

Santatr'andraikitra iray hafa ny Youth Accelerator Lab, izay naorin'ny PNUD ary mikendry ny hampiroborobo ny fahafahan'ireo tanora hitety ny habaka nomerika sy teknôlôjika (UNDP, 222). Ity santatr'andraikitra nomerika ity dia mitrandraka izay fomba fiasa mifototra amin'ny fanànana traikefa ho an'ireo tanora mba hahafahan-dry zareo miasa mitodika amin'ny fanabeazana ao anatin'ny tontolon'ny aterineto.

Tena ilaina ny fanabeazana momba ny zo nomerika ao Timor-Leste mba handrisihana ny tsirairay hiaro ny fiainany manokana, hampiroborobo ny fahalalahana maneho hevitra, hanomezana vahana ny fampiatiana nomerika, sy ny maro hafa. Enga anie ho maro ireo santatr'andraikitra tahaka itony no hijoro sy hitohy ary hiroborobo hatrany.

*Juvita dia tanora iray mpikatroka liana amin'ny fanomezan-danja ireo vehivavy sy ny miralenta. Izy no nanangana ny Youth Leadership Development Program Timor-Leste, vondrona tanora manome fanofànana haitarika maimaimpoana, na ho an'ny lehilahy, na ho an'ny vehivavy. Amin'izao fotoana izao izy dia mampiantrano podcast sy mitarika ezaka hafa manodidina ny fanabeazana momba ny zo nomerika eny anivon'ireo tanora ao Timor-Leste.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.