Nosakanan'i Torkia ny fidirana amin'ireo mpamatsy VPN miisa 16

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Tamin'ny 18 Desambra, nametraka fandraràna fidirana amin'ireo mpamatsy VPN miisa 16 ny Manampahefana misahana ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana (BTK) — mpanaramaso ny fifandraisandavitra tampony ao Tiorkia. Milaza ireo manam-pahaizana fa ny tanjon'ny fandraràna dia ny hisakanana ny fidirana amin'ireo tranonkalam-baovao efa voasakana ao amin'ny firenena izay tsy azo nidirana afa-tsy tamin'ny fampiasana ny tolotra VPN.

Nilaza ireo tsy miankina mpanara-maso ny aterineto izay mandrakitra ny sivana anjotra nandritra ny taona maro fa tranonkala an'hetsiny no nosakanan'i Torkia. Tamin'ity taona ity, araka ny tatitra momba ny sivana amin'ny aterineto farany indrindra nataon'ny Fikambanana Media and Law Studies Association (MLSA), fikambanana manome fanampiana ara-pitsarana ho an'ny mpanao gazety sy ny olona miatrika fitsarana amin'ny raharaha fahalalahana maneho hevitra, “fidirana amin'ny anaran-tsehatra farafahakeliny 35.066, lahatsora-baovao 3.196, lahatsoratra amin'ny media sosialy 2.090 ary kaonty media sosialy 184 no voasakana tamin'ny taona 2022.

Manana tantara lavabe sy tarazo amin'ny fanakanana votoaty na fanakendana fidirana aterineto i Tiorka.

Ny votoaty matetika voasakana dia ireo lahatsora-baovao miresaka momba ny Antokon'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana, ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan sy ny fianakaviany, ary ny olona sy fikambanana mifandray amin'ny governemanta, antoko, na filoha.

Tamin'ny volana Jona 2023, namoaka tatitra mahasaringotra an'i Bilal Erdoğan, 42 taona, zanaka lahin'ny filohan'i Torkian Recep Tayyip Erdoğan, tamin'ny raharaha  kolikoly ny Reuters. Ny ampitson'iny, nosakanana ny fidirana tamin'ireo sioka 47, rohim-baovao 45, ary lahatsary YouTube iray izay nizara na namoaka indray ilay tantara noho ny filazana fa fanitsakitsahana ny zon'ny tena manokana. Nokianin'ny Fitantanana ny Fifandraisana (Directorate of Communications) ho tsy mitombina ilay tatitra, ary niantso azy io ho fanalam-baraka. Niantso ny fanadihadiana ho “tranonkalan'ny lainga” i Bilal Erdoğan, tamin'ny alalan'ny mpisolovava.

Tatitra iray hafa nivoaka tamin'ny 14 Desambra 2023 no nanara-maso ny fomba nanakanan'ny manampahefana ao Tiorkia ireo URL Twitter an'arivony ao amin'ny X, fantatra amin'ny anarana hoe Twitter taloha. Ny votoaty voasakana dia nahitana fiampangana tsy fanarahan-dalàna nataon'ireo tompon'andraiki-panjakana; ary nosakanana noho ny filazana fa fanitsakitsahana ny zon'ny tena manokana, ny fiarovana ny filaminam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka.

Afaka manakana tranonkala tsy misy didim-pitsarana ny BTK, araka ny Andininy faha-8A amin'ny Volavolan-dalàna 5651 ratsy laza mifehy ny Aterineto. Mandrisika ny mpanaramaso hanakana ny fidirana amin'ny votoaty manokana ilay fehezan-dalàna raha toa ka mitera-doza ho an'ny fiarovam-pirenena, filaminam-bahoaka, sns izany. Noraisina araka ny andininy faha-6 amin’io lalàna io ihany ny fanapahan-kevitra farany. Mandidy ireo mpanome tolotra aterineto ity andininy ity mba hanakana ny fidirana amin'ireo tranonkala efa voasakana amin'ny fampiasana fomba hafa, hoy ny fanazavan'i Yaman Akdeniz, Profesora momba ny Lalàna sady mpanorina ny Freedom of Expression Association, tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Voice of America vao haingana.

Hitan'i Akdeniz fa mampanahy ihany koa hoe nampidirina volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana eo an-toerana kasaina hatao amin'ny volana martsa 2024 ny fandraràna, maminavina fa mety hitombo mialoha ny fitsapan-kevitra ny lisitry ny VPN voarara. “Satria efa akaiky ny fifidianana eo an-toerana, mieritreritra aho fa hitombo ny lisitr'ireo servisy VPN ireo. Satria maro ireo servisy VPN. Raha ny fahazoako azy, ny tanjona amin'izao fotoana izao [dia ny hanakana ny fidirana amin'ny] servisy VPN malaza any Torkia, ” hoy i Akdeniz nampitandrina nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny VoA.

Ahitana ireo mpamatsy VPN toa ny Proton, Surfshark, Psiphon, TunnelBear, Hotspot Shield, ary ny hafa ny lisitra.

Nanomboka nizara fomba ahafahan'ny mpisera hiala amin'ny sivana ny mpanome VPN sasany nahatsikaritra ny fanakanana, ka nanolotra safidy hafa:

Salama! Indrisy, nanomboka nanakana ny Proton Mail vao haingana ny FAI sasany any Tiorkia:
Raha manana fitaovana Android ianao, azonao atao ny misintona ny VPN anay avy amin'ny GitHub: https://t.co/itIKd7bzPD, midira amin'ny kaontinao Proton, ary mifandraisa amin'ny VPN mba hidirana amin'ny Proton Mail.

Araka ny tatitry ny Reporters Sans Frontières 2023, laharana faha-165 amin'ireo firenena 180 i Torkia izay “mahazo vahana ny fitondrana jadona, manohitra ny fahamaroan'ny haino aman-jery” ary “ampiasaina ny fomba rehetra hanohintohinana ireo mpitsikera.”

Tamin'ny taona 2000, nanangana ny Fahefana misahana ny Fifandraisandavitra ny governemanta mba “handray andraikitra amin'ny fifehezana sy fanarahamaso eo amin'ny sehatry ny fifandraisana elektronika.” Nohavaozina ny masoivoho tamin'ny taona 2008, nitondra anarana vaovao: Information and Communication Technologies Authority (Fahefana misahana ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana). Miasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Fotodrafitrasa.

Tamin'ny taona 2016, taorian'ny fikasana hanongam-panjakana tsy nahomby, nakaton'i Tiorkia ny Departemantan'ny Fifandraisandavitra sy ny Fifandraisana (TİB) — mpanivana aterineto voalohany ao Tiorkia — ary nanolotra ny fahefany rehetra ho an'ny BTK.

Taorian'ilay voalaza fa fikasana hanongam-panjakana tamin'ny taona 2016, nilaza ny manampahefana fa “nampiasaina ho lakaben'ny FETÖ [Fikambanan'ny Mpampihorohoro Fethullah Gulen] ho amin'ny tanjona fanaraha-maso sy fihainoana resaka an-tariby” ny TİB.

Noho izany, miaraka amin'ireo fahefana vaovao, lasa sampana manana fahefana amin'ny fanaraha-maso ny BTK izay sampana mpandrindra teo aloha ka anisan'izany “ny fahefana handray ny fepetra rehetra izay heveriny fa ilaina amin'ny fitandroana ny ‘fiarovam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka; hisorohana ny heloka bevava; miaro ny fahasalamam-bahoaka sy ny fitondran-tenam-bahoaka; na miaro ny zo sy ny fahalalahana’ ary mampahafantatra ireo mpandraharaha, mpanome fidirana aterineto, ivon-toerana momba ny angon-drakitra, ny mpampiantrano ary ny mpanome votoaty momba ny fepetra voalaza, izay mila mandray andraikitra ao anatin'ny adiny roa. “

Any Torkia, sampana roapolo eo ho eo no manana fahefana hanivana votoaty anjotra, ary fanao mahazatra ny fanakanana tranonkalam-baovao manontolo na ampahany. Nampidirin'i Tiorkia ny Lalàna ratsy laza No. 5651, na ilay volavolan-dalàna momba ny Aterineto, tamin'ny taona 2007. Novàna tamin'ny taona 2014, 2015, ary tamin'ny taona 2020 ilay volavolan-dalàna ary ahafahan'ny manampahefana manakana ny fidirana amin'ny tranonkala isan-karazany, URL tsirairay, kaonty Twitter, sioka, lahatsary YouTube, ary votoaty Facebook.

Vao haingana indrindra, tamin'ny 14 Desambra 2023, nosakanan'ny BTK ny anaran-tsehatra vaovaon'ny tranonkala malaza iray, Ekşi Sözlük (Rakibolana Sour), izay rakibolana hypertext fiarahamiasa mifototra amin'ny fandraisan'ny mpiserasera anjara. Nosakanana tsy azo nidirana ny anaran-tsehatra tany am-boalohany tamin'ny volana Febroary 2023.

Nametraka an'i Tiorkia ho “tsy malalaka” ny tatitra momba ny Freedom on the Net tamin'ity taona ity, nataon'ny Freedom House.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.