Manodidina ny 40,000 taonina ireo neurotoxine tahirizina tsy misy fiarovana any Makedonia Avaratra

Tamin'ny 2019, nofefena ilay toerana fanariam-pako tsy ara-dalàna misy ‘lindane’ ao Pelenica, akaikin'i Dračevo, Skopje, saingy hatreto dia tsy misy hetsika hafa natao hiatrehana ireo fako misy poizina ao amin'ilay toerana. Sary an'ny Meta.mk, nampiasaina nahazoana alalana.

Ny Meta.mk. no namoaka voalohany ity tantara ity. Ampahany iray nokiraina no naverina navoaka eto ao anatin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.

Ny fitiliana nataon'ny Minisitry ny Tontolo Iainana any Makedonia Avaratra tao Pelenica, toerana fizahantany iray manakaiky ny tananàn'i Skopje any Drachevo, dia nahitàna hakitroka matevin'ny lindane (HCH). Ny lindane dia neurotoxine izay mety hamotika ny selan'ny ati-doha, ny sarakaty ary ny voa, sady mety miteraka homamiadana. OHIS, ilay orinasa mpamokatra taharo simika efa tsy maty ankehitriny no tomponandraikitra tamin'ilay toerana, dia tsy nandevina reo fako mampidi-doza tao anaty lavaka voatototra simenitra, tahaka ny tranga tamin'ireo fanariam-pako roa teo an-tokontanin'ny OHIS, izay mahatonga ireo akora simika ho mampidi-doza indrindra ho an'ny tany sy ny rano ambanin'ny tany ao amin'ilay faritra.

Ny fitiliana dia manamafy ny fisian'ireo  singa misy poizina tsy ara-dalàna tafapetraka ao anatin'ny tany

Araka ireo fitiliana natao tamin'ny toerana maromaro ao amin'ilay faritra, ny hakitroky ny HCH dia voatily teny amin'ny faritra ambonin'ny tany tamin'ilay toerana, manana halalina 20 santimetatra na latsaka. Ireo fako mampidi-doza dia mifangaro amin'ireo fako avy nanaovana fanorenana sy ny fako avy amin'ny orinasa iray mpanao tavoahangy. Amina halalina antsasa-metatra monja dia efa ahitàna ny lindane. Milaza ny tatitra famintinana nataon'ny Minisitera, navoaka tamin'ny 30 Desambra 2022 fa :

Депонијата содржи неколку видови опасен отпад. Чист HCH околу 40.000 тони и уште 6.500 тони мешан, заедно со отпад од фабрика за стакло. Примероците земени од локацијата содржат и високи концентрации на хлоробензени и диоксини и фурани. Се наиде само на едно метално буре со отпад, другите буриња можеби биле отстранети во минатото, а содржината од истите расфрлана на локацијата. Има и градежен отпад и отпад од рушење.

Misy karazana fako mampidi-doza isan-karazany ao amin'ilay toerana fanariam-pako – manodidina ny 40 000 taonina eo ny HCH tsy misy fangarony ary manodidina ny 6 500 taonina ny HCH mifangaro,  miaraka amin'ny fako avy amin'ny orinasa iray mpanao fitaratra. Ahitana chlorobenzènes sy dioksina ary furanes amin'ny hakitroka ambony be ihany koa tamin'ireo santionany nalaina. Barika vy iray monja  ihany no hita misy fako. Ny barika hafa mety efa nesorina taloha ary niparitaka nanerana ilay toerana ny tao anatiny. Misy ihany koa ireo potipoti-javatra avy nanorenana.

Voaloton'ny lindane ihany koa ny tany ao ambanin'ilay toerana fanariam-pako, saingy tsy fantatra ny tena halaliny. Voapoizina ihany koa ny rano ambanin'ny tany manakaiky ny toerana ary atahorana ny fihanahan'ny fahalotoana. Izay tena mampidi-doza indrindra, tahaka izay voalazan'ny fanadihadiana, dia ny fandotoana ny tanin'i Pelenica, satria mety handoto ny sakafo, ny zavamaniry ary ny vokatry ny fambolena eo an-toerana ilay fako mampidi-doza.

Voasokajy ao anatin'ny Vondrona 1 amin'ireo singa miteraka homamiadana ny Lindane miaraka amin'ny porofo ampy mahatonga ny lymphome tsy Hodgkin. Saripika : D.A.T.A. rantsan'ny Metamorphosis Foundation, nampiasaina nahazoana alalana.

Misy safidy telo ho fanarenana, araka ny nambaran'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Ny fomba tsara indrindra dia ny fandrakofana tany ilay toerana fanariam-pako, anisan'izany ny fanaovana fefiloha, mba hisorohana ny fifandraisana mivantana rehetra amin'ny tany voaloto sy mba hamerana ny fitsihan'ny ranon'orana amin'ny amin'ny manaraka tsy ho ao amin'ilay toerana. Hotohizan'ireo mpikaroka ihany koa ny fanarahamaso ny rano ambany tany ihany ary hosakanana ny fampiasana azy raha ilaina, arakaraka ny vokatra azo.

Ny fanadihadiana tamin'ny volana Novambra lasa teo dia notontosain'ny “Deacons Emma”  niaraka tamin'ny mpiantoka asa TAUW avy any Hôlandy, ary ny ekipa mpanadihahdy izay nahitana ny profesora avy amin'ny Institute of Chemistry at the Faculty of Science and Mathematics tao Skopje no nanara-maso ny santionany. Tao amin'ny laboratoara “Eurofins” any Hôlandy no natao ny fanadihadiana ny santionany, ary nitentina 48 700 EUR (manodidina ny 50 185 Dolara amerikàna).

Dokambarotra an-tsary navoakan'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrindrana ao amin'ny Repoblika an'i Makedonia Avaratra miaraka amin'ny tatitra famintinana momba ilay fitiliana ny fanariam-pako misy poizina ao Pelenica. Sehatra ho an'ny daholobe.

Fandovàna fako misy poizina napetraka an-tsokosoko efa ho ampolony taona lasa.

Ny OHIS dia iray amin'ireo orinasa simika lehibe indrindra tao Iôgôslavia teo aloha, nivondronana orinasa 5 sy ozinina valo hafa, namokatra ny zava-drehetra, manomboka amin'ny ranoka fanadiovana ka hatramin'ny plastika, ny fihosotra ary famonoana bibikely. Mbola niasa be izy io teo anelanelan'ny taona 1957 sy 1990 fony nisintahana tamin'ny ampahany tao anatin'ny fanovana ny petrabolan'ny fanjakana nampiady hevitra be, izay nitarika fatiantoka ho an'ireo orinasa madinika, niafara tamin'ny fatiantoka tamin'ny 2015.

Nopotehana tao amin'ny toeran'ny oriansa ihany ny ampahany tamin'ireo fako misy poizina tavela avy amin'ny OHIS, araka ireo fepetra mifehy, tamina toerana roa fanariana ôfisialy ahitàna dobo roa vita simenita hanakanana ny poizina tsy ho tafiditra any anaty rano ambany tany sy ny tany manodidina. Tsy fantatry ny besinimaro taloha anefa ny fisian'ny toerana fahatelo fanariana lindane, mipetraka any amin'ny fito kilometatra eo ho eo miala an'ilay toerana indostrialy.

Mampaneno fanairana ny tatitry ny Mpanaramaso ary mandrisika ny hetsiky ny andrim-panjakana

Taorian'ireo fanadihadiana nataon'ny mpanao gazety tamin'ny 2018 dia nampitandrina ny vahoaka ny Meta.mk mikasika ilay loza, ary nandritra ireo taona maromaro nanaraka, dia namokatra lahatsoratra am-polony mikasika ny fandotoana ateraky ny lindane sy ilay toerana fahatelo fanariam-pako, izay hita any ivelan'ny tokotanin'ny OHIS.

Araka ny vaovao eo am-pela-tànana dia heverina ho tany amin'ny taona 1970 tany no napetraky ny OHIS tao ny lindane, taorian'ny fandraràna ny famokarana sy ny fampiasany azy. Nandritra izany fotoana izany, talohan'ny namefena sy nandraràna ny fidirana tao aminy, i Pelenica dia toerana malaza fanaovan'ny sekoly ambaratonga fototra fitsangatsangana ho an'ny ankizikely avy amin'ny faritra Skopje manontolo. Ankoatran'ny lohasaha sy ny ahi-maitso, misy fiangonana sy zaridaina ihany koa ao anatin'ny faritra sady toerana fialamboly malaza ho an'ny mponina eo an-toerana, tahaka izay asehon'ity dokambarotra ho an'ny fizahantany ity.

Nandritra ny dimy taona, ny lahatsoratra fanarahamaso an'ny Meta.mk dia nampahafantatra mikasika ny loza ara-pahasalamana tamin'ny vahoaka sy ireo andrim-panjakana tompon'andraikitra amin'ny famahàna olana. Ny ezaka tsy ankiaton‘ireo mpanao gazety izay “nanelingelina” ireo tomponandraikitra tamin'ny fitakiana valinteny ihany koa dia nanosika ireo vondrona mpiaro ny tontolo iainana sy ny olom-pirenena hitaky ireo andrim-panjakana hanao hetsika haingana. Vokatr'io fisoloana vava io, tamin'ny faran'ny 2018, dia noraran'ny Minisiteran'ny Fanabeazana ireo Sekoly tsy hampiasa ilay toerana ho fitsangatsanganana mandritra ny andro, raha toa kosa tamin'ny 2019, nametrahan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana fefy mihidy mba hisakanana ny olona tsy hitsidika ao amin'ilay faritra voaloto.

Nandritra izany fotona izany, ny governemanta dia nanomboka nanadio ihany koa ireo toerana ofisialy roa fanariana lindane ao anatin'ilay faritra indostrialy fahiny, nahita fanariampako iray hafa tao anatin'ilay toerana ary lindane  tsy mitampoka  an-taonina maro hafa mifono anaty gony tao anatin'ny iray tamin'ireo trano fitehirizan'entana efa simba. Ny fitaovana misy poizina, anisan'izany ny lindane 450 taonina sy tany voaloto 200 taonina, dia naondrana nankany amin'ireo ozinina manokana tany Soisa, Frantsa, ary Alemà mba ho potehina araka ny fenitry ny fiarovana ao anivon'ny Vondrona Eoropeana.

Nosokajian'ny Fikambanana Erantany momba ny Homamiadana ho anisany mpiteraka homamiadana sokajy 1 ny lindane, miaraka amin'ireo porofo ampy fa miteraka lymphome tsy hodgkiniàna izy io. Mipetraka maharitra ilay akora simika ary tsy potiky ny tontolo iainana. Koa satria akora mitsingilahila izy io, noho izany dia miparitaka manerana ny tany voaloto ary hita ihany koa any anatin'ireo singa madiniky ny PM. Mety ho tratran'ny lindane ny olona amin'ny alalan'ny fihinanana sakafo voaloto na amin'ny alalan'ny fifohana rivotra voaloto. Ny vokatry ny fifampikasohana amin'ny lindane amin'ny alalan'ny fifohana (maharitra) ao amin'ny olombelona dia mifandray amin'ny aretin'ny sarakaty sy rà, ary koa ny fikorontanan'ny fiasan'ny atidoha, ny aretim-po, momba ny hery fanefitra sy ny fahafaha-miteraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.