Google, laviny ny fangatahan'ny pôlisy ao Hong Kong mba hanesorana ao amin'ny Youtube ny lahatsary ‘mpikomiana’ momba an'i Jimmy Lai, voaiben'ny haino-vaky-jery

Fanitarana avy amin'ny pikantsary Google

Ny voalohany tamin'ity tatitra ity dia nosoratan'i Mercedes Hutton ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 26 Oktôbra 2023. Ny dika nasiam-panovana manaraka eto dia navoakan'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana mifampizara votoaty amin'ny HKFP.

Na teo aza ny fangatahan'ny pôlisin'i Hong Kong hanesorana azy, mbola mijanona ao amin'ny Youtube ilay lahatsary fanadihadiana momba ilay voaiben'ny media mpandala ny demaokrasia, Jimmy Lai, hoy ny tatitra iray mangarahara navoakan'ilay orinasa goavan'ny teknôlôjia amerikàna Google.

“Ny Aprily 2023, voarainay ny fangatahana avy amin'ny Hong Kong Police Force (HKPF) hanesorana lahatsary miisa 5 ahitana an'‘Ilay Hong Konger,’ fanadihadiana iray momba ilay mpikatroka iray avy ao amin'ny Youtube,” hoy ny fivakin'ny tatitra avy amin'ny Google. “Lazain'ny HKPF ho manana endrika ‘fikomiana’ ilay votoaty ary manitsakitsaka ny Lalàna momba ny Heloka Bevava, Cap. 200 sy mitovy amin'ny heloka fanimbazimbana ny fitsaràna satria mbola amperiny ny fitsaràna ilay mpikatroka.”

Ny niafaran'ilay fangatahana, araka ny Google, dia : “Tsy nesorinay tao amin'ny Youtube ireo lahatsary 5.”

Hatramin'ny nampakaran'ilay fikambanana amerikàna mpikaroka Acton Institue azy ireo tao amin'ny sehatra fizaràna lahatsarin'ny Google tamin'ny 19 Aprily, nahazo mpijery miisa 2,8 tapitrisa ilay fanadihadiana lavabe maimaimpoana voadika amin'ny fiteny anglisy. Afaka raisina amin'ny fiteny pôrtiogey sy espaniôla ary fiteny shinoa nentindrazana sy nohamaivanina ihany koa ilay lahatsary.

Lai, 75 taona, izay nanorina ilay ‘tabloïd’ efa maty ankehitriny, ny Apple Daily mpandala ny demaokrasia, dia voatàna am-ponja nanomboka tamin'ny Desambra 2020. Tamin'ny Desambra lasa teo, vaosazy dimy taona sy sivy volana an-tranomazina izy noho ny resaka hosoka rehefa hita ho tsy nanaja ny fifanarahana ‘bail’ fampanofana ny foiben-toeran'ny gazetiny.

Nilaza ho tsy meloka ihany koa izy tamin'ireo fiampangàna roa natao azy ho niray tsikombakomba niara-niasa tamina hery vahiny, araka ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena, ary hadisoana iray mifamatotra amin'ireo votoatim-pamoahana nambara ho manana endrika fikomiana. Ny 18 Desambra no voalahatra hatao ilay fitsaràna avo lenta taorian'ny fanemorana azy efa ho herintaona. Raha meloka izy dia higadra mandra-pahafatiny.

Ny Jona 2021, voatery nikatona ny Apple Daily, taorian'ny bemidina natao tao amin'ny efitra famoaham-baovaony, nisamborana ireo mpanatanteraka ambony sy ireo mpiasan'ny famoahan-dahatsoratra, ary nogiazana ny fanànany, niteraka fanairana momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Hong Kong. Volana maro taty aoriana, ny gazety tsy miankina  Stand News dia nizaka zavatra tahaka izany koa, ka taty aoriana dia roa tamin'ireo sangany amin'ny mpamoaka lahatsoratra tao aminy no niatrika fitsarana noho ny resaka fikomiana.

Amin'ny Novambra 2023 no andrasana ny didy mahakasika izay raharaha izay.

Tamin'ny Jona 2020, Beijing dia nanosoka mivantana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena ho ao anatin'ilay lalàm-panorenana kelin'i Hong Kong, taorian'ny herintaona nisian'ireo hetsika mpandala ny demaokrasia sy ireo korontana. Ataon'izy io ho heloka bevava ny fanakorontanana, ny fisintahana, ny firaisana tsikombakomba amina hery vahiny ary ny asa fampihorohoroana — nofaritana hivelatra kokoa hiaty ny fanelingelenana ny fitaterana sy ireo fotodrafitrasa hafa izany. Hetsika manome fahefana vaovao indray ho an'ny pôlisy ao Hong Kong ary mitarika ho amina fanamelohana an-jatony maro ao anatin'ireo tranga vaovao ara-pitsaràna, raha ampolony maro kosa ireo vondrona fiarahamonim-pirenena sivily no nanjavona. Lazain'ireo manampahefana fa namerina ny fahamarinan-toerana sy ny fandriampahalemana tao an-tanàna izy io, ary nolaviny ireo fanakianana avy amin'ireo mpiara-mitantsoroka ara-barotra, ny Firenena Mikambana ary ireo ONG, na nisy aza ny firongatry ny heloke bevava amin'ny ankapobeny.

Nitontongana ny laharana misy an'i Hong Kong amin'ny resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety taorian'ny nampidirana ilay lalàna momba ny fiarovana, 80 lasa faha-140 tamin'ity taona ity.

Ireo fangatahana hanesorana ny ‘Voninahitra ho an'i Hong Kong’

Nangatahan'ny pôlisin'i Hong Kong ihany koa ny hanesorana ao amin'ny Youtube ireo lahatsary roa nampiseho ny hira faneva tsy ôfisialin'ilay hetsipanoherana tamin'ny 2019, “Voninahitra ho an'i Hong Kong,” taorian'ny hadisoana niheverana azy ho ilay hiram-pirenena shinoa, ny “Famindran'ireo Mpirotsaka An-tSitrapo,” tany amin'ireo hetsika ara-panatanjahantena marobe iraisampirenena.

“Lazain'ny HKPF fa tafiditra ho isan'ny firaisana tsikombakomba hanimbazimbana ny hiram-pirenena ilay votoaty” hoy ny nosoratan'ny Google, nampiany hoe tsy nesoriny ireo lahatsary voalaza ireo.

Tamin'ny Jolay, tsy noraisin'ny fitsaràna ny fampakarana nataon'ny governemanta izay nikasa ny hibahana ny  “fandefasana, fampisehoana, fanontàna, fivarotana, fanaovana tolotra ara-barotra, fanapariahana, fanaovana afisy na famerenana mamokatra [ ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong”],” tafiditra amin'izany ny ety anaty aterineto, miaraka amin'ny fiheverena fikomiana sy fisintahana, na fikasana hanitsakitsaka ny lalàna momba ny hiram-pirenena.

Nomena zo ny governemanta ho afaka hanao fampakarana io didy io, ka ny 19 Desambra izao no fotoam-pihainoana, ny ampitson'ny andro fanemorana ny fitsaràna an'i Lai.

Raha mandresy ny governemanta, mety hanohintohina ny ain-dehibe sy ny fisian'ny Google ao Hong Kong ilay didy, ireo manampahaizana amin'ilay sehatra mihevitra fa mety ho sarotra ho an'ireny orinasa ireny ny hanohy hiasa ao anatina tanàna iray miaina teritery tahaka izany.

Tamin'ny Desambra lasa teo, ny lehiben'ny fiarovana, Chris Tang, nilaza fa nolavin'ny Google ny hanova ireo vokatra fikarohana ao aminy mba tsy ho ny ‘Voninahitra ho an'ny Hong Kong’ no hivoaka alohan'ny ‘Famindran'ireo Mpirotsaka an-tSitrapo’ rehefa mikaroka ny ‘Hiram-pirenen'i Hong Kong’ ireo mpampiasa azy. Nolazain'i Tang fa “nandratra ny fihetsehampon'ireo vahoaka ao Hong Kong” ilay goavan'ny teknôlôjia.

Raha niresaka tamin'ny HKFP momba ny hoavin'ny Google ao an-tanàna mialoha ny hivoahan'ny didy voalohany, ilay manampahaizana momba ny angondrakitra, Wong Ho-wa, nilaza fa: “Raha tsy mihevitra ny hilefitra ry zareo [raha ekena ilay fandraràna], dia tsy maintsy ho hitantsika eo araka izany ny fomba hamalian'ny governemanta.”

Mitombo ny fangatahan'ny pôlisy

Anisan'ny ao anatin'ireo fangatahana fanesorana miisa 164 teo anelanelan'ny Janoary sy Jona ireo fangatahana hanalàna ireo lahatsary “Ilay Hong Konger” sy ny  “Voninahitra ho an'i Hong Kong”, ny ankamaroan'izy ireny dia avy amin'ny pôlisy. Ny 36 amin'ireny singa angatahana ho esorina ireny dia pejy “fikarohana tranonkala” avy ao amin'ny Google,  singa 35 avy ao amin'ny YouTube ary 30 avy ao amin'ireo tranonkalan'ny Google.

Nanomboka tamin'ny 2021 ny Google dia mamoaka tatitra mangarahara, mamboraka ireo fangatahana nataon'ny governemata erantany. Nanomboka tamin'ny 2019, haingana be ny fitombon'ireo fangatahana avy amin'ny pôlisy ao Hong Kong, 57 tamin'ny 2019, 122 tamin'ny 2020 lasa 330 tamin'ny taona lasa.

Ny pôlisy izao no loharano voalohany ihavian'ireo fangatahana, manome ny 71% amin'ireo fangatahana voaray tamin'ny 2022.

Tany aloha i Google dia namoaka ny antsipirihany tamin'ireo fotoana telo nanekeny ny fangatahan'ny pôlisin'i Hong Kong hanesorana votoaty tsy ho ao amin'ny sehatra tantaniny nandritra ny tapany voalohany tamin'ny 2021, isan'izany ireo tranga nahavoarohirohy kaonty Gmail, Google Drive sy  Blogger.

Araka ny tatitra mangarahara avy amin'ny Facebook, ny Meta dia naharay fangatahana niisa 201 avy amin'ny fitsaràna ao Hong Kong teo anelanelan'ny Jolay sy ny Desambra 2020. Tsy nisy nankatoavin'ilay orinasa ireny fangatahana ireny na iray aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.