Fihanaky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Sahel

Jihadista mpikomy tao anaty kamiao pickup tao Gao, Mali; Pikantsarin'ny fantsona YouTube de Tv5monde Info

Azo azavaina amin'ny ankapobeny noho ny fialan'ireo mpiara-miombon'antoka ara-tafika no nampiverina ny herisetra ao amin'ny faritr'i  Sahel, indrindra ao Mali, Burkina Faso ary Niger, taorian'ny fifanolanana teo amin'ny governemanta mpanongam-panjakana tao amin'ireo firenena ireo sy ny fahefana tandrefana.

Nanomboka tamin'ny taona 2020, nahitana fanonganam-panjakana maromaro tao Afrika Andrefana, ka ny enina tamin'ireo dia nitranga tao amin'ny faritr'i Sahel: Niger (2023), tany Burkina Faso (janoary 2022 sy septambra 2022), tany Ginea (2021) ary tany Mali (2020 sy 2021). Nesorina ny governemanta sivily nitondra ireo firenena ireo mba hanomezana sehatra ny governemanta miaramila mpanongam-panjakana ka ny fananamelohana ny fifanarahana ara-miaramila nanomboka tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany frantsay sy ny fitakiana ny fanesorana ny tafika Frantsay amin'ny faritaniny no fanapahan-kevitra voalohany nataony.

Niorina tamin'ny fomba ofisialy tao Sahel ny tafika frantsay tamin'ny alàlan'ny Hetsika Serval natomboka tamin'ny volana Janoary 2013 mba hanampiana ny tafika Maliana hiady amin'ny firongatry ny vondrona mpikomy, mpampihorohoro ary Salafista mitaky fahaleovantena hiala amin'ny faritanin'i Maliana ao Azawad, any avaratry ny firenena. Nosoloina Hetsika Barkhane ny Serval avy eo tamin'ny taona 2014. Miitatra any ivelan'ny sisin-tanin'i Mali ary mandrakotra ny Sahel sy ny ampahany amin'ny Sahara ity farany ity.

Mamela fahabangana ara-piarovana ao amin'ireo firenena Sahel ireo ny fialàn'ny tafika Frantsay amin'ny Operation Barkhane, avy any Mali mankany Niger amin'ny alàlan'i Burkina Faso. Mba hamenoana izany banga izany, nanangana fifandraisana tamin'i Rosia ny miaramila mpanongam-panjakana sasany tamin'ny fanonganam-panjakana ary nanasa ny vondrona miaramila Wagner mba hiantoka ny ampahany amin'ny paikady ara-piarovan-dry zareo, toy ny tranga any Mali sy any Burkina-Faso.

Fiverenan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro

Tany am-boalohany, nampihena ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Sahel ary indrindra tany Mali ny fametrahana tafika frantsay tao amin'ny faritr'i Sahel, nandritra ny fotoana fohy. Izany no nohazavain'i Jonathan Guiffard, manam-pahaizana ao amin'ny Institut Montaigne tamin'ny famakafakana nataony: Barkhane: tsy fahombiazana, fahombiazana na fanombanana eo ho eo ihany:

La lutte contre le terrorisme menée entre 2013 et 2022 a permis aux forces françaises, maliennes, nigériennes et burkinabè de mettre hors-de-combat les émirs des quatre katibats d’Al-Qaïda au Maghreb Islamique et plusieurs dizaines de leurs responsables opérationnels, les émirs d’Al Mourabitoune et du Mouvement pour l'Unicité et le Jihad en Afrique de l'Ouest, un grand nombre de responsables d’Ansar Eddine, trois des cinq émirs du Groupe de Soutien à l'Islam et aux Musulmans (…)

Nataon'ny tafika frantsay, Maliana, Nizeriana ary Burkinabe tsy ho afa-mihetsika ny emiran'ny katibats efatra an'ny Al-Qaïda tao Maghreb Islamika sy ireo mpitarika hetsika tao anatiny, ry emir an'i Al Mourabitoune sy ny Hetsika ho amin'ny Firaisankina sy ny Jihad any Afrika Andrefana, manam-pahefana marobe ao amin'ny Ansar Eddine, telo amin'ireo emir dimy ao amin'ny Vondrona Mpanohana ny islamo sy Miozolomana (…) tamin'ny ady amin'ny fampihorohoroana natao teo anelanelan'ny taona 2013 sy 2022

Saingy amin'ny toe-javatra misy ankehitriny, singa telo no mifamatotra: ny fanonganam-panjakana nisesy, ny fialan'ireo mpiara-miombon'antoka ara-tafika ao Sahel ary ny firongatry ny vondrona mpikomy izay mahazo vahana indray ao Burkina Faso, Mali ary Niger.

Raha te hahalala bebe kokoa momba ny fanonganam-panjakana tany Niger, vakio: Naongan'ny miaramila ny filoha Mohamed Bazoum any Niger [mg]

Mamparefo be ny faritr'i Sahel ny fanonganam-panjakana tamin'ny 26 Jolay 2023 tany Niger. Raha ny marina, dia vao avy nianjera ny fiarovana mafy iray, izay manasarotra ny toe-draharaham-piarovana satria lasa tany vaovao iharan'ny fandrahonana jihadista ny firenena. Talohan'ny fanonganana ny filoha voaongana, Mohamed Bazoum, niharan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro tokoa i Niger. Saingy andro vitsy monja taorian'ny fanonganam-panjakana, nitombo tokoa ny fanafihana, araka ny asehon'ity tombana voalohany napetraky ny Filankevi-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Tanindrazana (CNSP) tao amin'ny Radio France internationale (RFI) ity:

Le 3 août, c'est un village près d'Anzourou, au nord-ouest de Niamey, à moins de 100 km de la frontière malienne, qui a été attaqué, faisant au moins 5 morts. Le lendemain, les villages de Wabila et Hondobon, près de Kokorou, ont subi le même sort : 12 personnes ont été tuées. La commune de Dessa a également fait l'objet d'une agression, et du bétail a été emporté. Le 9 août, à Bourkou Bourkou, proche de la zone aurifère de Samira, ce sont cinq gardes nationaux au moins qui ont été tués par « des bandits armés ».

Tamin'ny 3 aogositra, tanàna iray akaikin'i Anzourou, avaratra andrefan'i Niamey, 100 km latsaka miala ny sisintany Maliana no nisy nanafika, ka nahafatesana olona 5 farafahakeliny. Ny ampitson'iny, niharan'ny fanafihana ihany koa ny tanànan'i Wabila sy Hondobon, akaikin'i Kokorou, ka olona 12 no maty. Niharan’ny herisetra ihany koa ny kaominina Dessa, ary lasan’ny olona ny biby fiompy. Tamin'ny 9 aogositra, tao Bourkou Bourkou, akaikin'ny faritra volamenan'i Samira, mpiambina nasionaly dimy farafahakeliny no matin'ny “jiolahy mitam-piadiana”.

Tamin'ny 19 aogositra, izany hoe tapa-bolana taorian'ny fanonganam-panjakana, fanafihana sivy no voaisa ary mavesatra ny vokany tany amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena.

Niaritra fanafihana jihadista nanomboka tamin'ny taona 2015 i Burkina-Faso, na dia teo aza ny fisian'ny tafika frantsay tao amin'ny faritaniny nanomboka tamin'ny taona 2018. Ny fanonganam-panjakana miverimberina nitranga teto amin’ny firenena no nahatonga ny faharatsian'ny fitandroana ny filaminana. Noho izany, naneho ny fiafaran'ny fisian'ny tafika frantsay tao Burkina Faso tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 ny fanonganam-panjakana farany nitondra ny Kapiteny Ibrahim Traoré teo amin'ny fitondrana.

Niezaka niandraikitra ny fiarovam-pirenena ny governemanta vaovao ary nanatontosa fanafihana maromaro mba hiezaka hanafoana ny jihadista. Nahafahana nisambotra mpampihorohoro sasany ny iray tamin'ireo hetsika natao tamin'ny 16 Aprily 2023, araka ny asehon'ity sioka avy amin'ny media Africa 24 ity:

🇧🇫#BurkinaFaso, nanambara ny tafika mitam-piadiana ny Alahady hariva 16 Aprily 2023, fa namono “mpampihorohoro” tsy latsaky ny 70 nandritra ny fanafihana indroa namelezana toerana roa an'ny tafika Burkinabè sy ireo mpanampy azy tany avaratra sy avaratra-afovoan'ny firenena.

Natomboka ihany koa ny antso ho an’ireo olom-pirenena mirotsaka ho Mpilatsaka an-tsitrapo ho an’ny fiarovana ny tanindrazana – Volontaires pour la défense de la patrie (VDP) mba hampitomboana ny isan’ny mpiady sy hanohanana ny miaramila. Saingy tsy tonga araka ny nantenaina izany fepetra izany satria mbola iharan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro ihany ny firenena.

Araka ny filazan’ny gazety Le Monde, tamin’ny 18 Jolay, nisy fanafihana tany amin’ny toerana roa any andrefan’ny firenena ka nahafaty olona folo teo ho eo. Tamin'ny 6 Aogositra, nahafatesana mpivarotra manodidina ny roapolo ny fanafihana iray hafa tany Nohao, ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana manamorona an'i Togo. Araka ny tatitry ny Africanews, tamin'ny 4 Septambra, Burkinabe 53 (miaramila sy mpikambana ao amin'ny VDP) no maty tamin'ny fanafihana iray hafa:

Miharatsy hatrany ny filaminana eto amin’ity firenena ity.

Nihanjahanja loatra i Mali

Sarotra kokoa ny toe-draharaha any Mali noho ny any an-kafa. Niatrika fanafihana mahery vaika nitaky ny fahaleovantena ho an'i Azawad ny firenena talohan'ny fametrahana ny tafika frantsay tamin'ny Hetsika Serval sy ny Mission multidimensionnelle intégrée des Nations unies pour la stabilisation au Mali (MINUSMA) tamin'ny taona 2013..

Nampirongatra ny fialàn’ny Frantsay sy ny fisintahan'ny Minusma tsikelikely izay nifarana tamin’ny 31 desambra 2023 ny fanonganam-panjakana nitranga teto amin’ny firenena. Nandritra izany fotoana izany, lasa lany andro ny fifanarahana fandriampahalemana nosoniavina tamin’ny taona 2015 teo amin’ny governemanta Maliana sy ireo vondrona mitam-piadiana satria nandray indray ny fitaovam-piadiana ireo vondrona mpikomy ny 7 septambra. Araka ny vaovaon'ny Radio France Internationale:

Jeudi, deux attaques ont visé le camp militaire de Bamba (région de Gao) et un bateau qui naviguait dans le cercle de Rharous (région de Tombouctou). Vendredi, à Gao, c'est un camp de l'armée malienne et l'aéroport qui ont été pris pour cibles. Les attaques de jeudi ont fait au moins 64 morts.

Ny alakamisy, fanafihana roa no nikendry ny toby miaramila Bamba (faritra Gao) sy ny sambo iray izay nandehandeha tao amin'ny faribolana Rharous (faritra Timbuktu). Ny zoma teo, tao Gao, toby miaramila Maliana iray sy ny seranam-piaramanidina no lasibatra. Nahafaty olona 64 farafahakeliny ny fanafihana ny alakamisy teo.

Manazava amin'ny antsipiriany ny fanafihana tamin'ny 8 Septambra ity tatitry ny lahatsary Africanews ity:

Tsikaritra fa ho an'ny mponina ao Sahel, tsy afaka miantoka ny fiarovana azy ireo ny governemanta: hatramin'ny nanombohan'ny fikomiana tao amin'ny faritra tamin'ny taona 2003, olona an'aliny maro, anisan'izany ny ankizy, no maty ary olona roa tapitrisa mahery no nafindra toerana. Vao maika miharatsy ny toe-draharaha, araka ny tatitra tamin'ny taona 2023 nataon'ny Ivotoerana ho an'ny Toekarena sy ny Fandriampahalemana – Institute for Economics and Peace (IEP) momba ny fampihorohoroana maneran-tany :

The Sahel region in sub-Saharan Africa is now the epicentre of terrorism, with the Sahel accounting for more terrorism deaths in 2022 than both South Asia and the Middle East and North Africa (MENA) combined. Deaths in the Sahel constituted 43 per cent of the global total in 2022, compared to just one per cent in 2007.

Ny faritr'i Sahel any Afrika atsimon'i Sahara no ivon'ny fampihorohoroana ankehitriny, ary i Sahel no nahitana taham-pahafatesana be indrindra noho ny fampihorohoroana tamin'ny taona 2022 raha oharina amin'i Azia Atsimo sy Afovoany Atsinanana ary Afrika Avaratra (MENA). Nahatratra 43 isanjaton'ny fitambaran'ny maneran-tany tamin'ny taona 2022 ny taham-pahafatesana tany Sahel, raha 1 isan-jato monja tamin'ny taona 2007.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.