Ny tantaran'i Noof Al-Maadeed mpiaro ny zon'ny vehivavy Qatari

Noof Al-Maadeed, ilay mpiaro ny zon'ny vehivavy,  nandritra ny tafatafa niarahana tamin'ny Alhurra taorian'ny fandosirany tany UK. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'i Alhurrai. Fampiasana ara-drariny.

Ity dia lahatsoratra iray nosoratan'i Khalid Ibrahim, tale mpanatanteraka ao amin'ny Gulf Center for Human Rights (GCHR), fikambanana iray tsy miankina tsy mitady tombombarotra izay mampiroborobo ny fahalalahana maneho hevitra, ny fikambanana ary ny fivoriana am-pilaminana ao amin'ny faritra MENA.

Ity lahatsoratra  dia manolotra topimaso mikasika ny dian'i Noof Al-Maadeed, ilay vehivavy mpiaro ny zon'olombelona avy any Qatar. Izany dia manomboka tamin'ny fialàny ny tanindrazany, ny fiverenany taty aoriana sy ny fanjavonany ankehitriny.

Talohan'ny fanjavonany dia nanavao ny sary famantarana azy izy tao amin'ny X (Twitter taloha) misy izao fehezanteny manaraka izao : “Ilay dondrona izay niverina tany an-tanindrazany”.

Teo amin'ny faha-24 taonany, nahatsapa i Al-Maadeed fa ny fandosirana no hany làlana tokana mba hialàna amin'ny nofy ratsin'ny herisetra an-tokantrano ampitondrain'ny fianakaviany azy, indrindra fa ny rainy, ary koa ny fanalàmbaraka atao amin'ireo vehivavy ao Qatar. Ny 4 Aogositra 2020, nandritra ny tafatafa iray tamin'ny fahitalavitra, dia nitantara ny fandosirany tamin'ny 26 Novambra 2019 niala an'i Qatar izy, nankany amin'ny Fanjakana Mitambatra (UK), nandalo tao Okraina tamin'ny alalan'ny fampiasana ny findain'ny rainy, tsy fantatr'ito farany, mba ahazoana fahazoandalana handeha tany.

Tamin'ny fahatongavany tany UK dia nametraka fangatahana fialokalofana ara-politika haingana izy, nilaza ny herisetra an-tokantrano sy ny tsy fahombiazan'ireo tomponandraikitra hanome fiarovana azy. Voalohany teo amin'ny fiainany izy no nahatsapa ho afaka. 

Ao anatin'ny podcast iray mitondra ny lohateny hoe “Fulfilling Dreams” (Nahatanteraka Nofinofy) dia resahany ny fomba nanatanterahany ny nofinofiny handositra sy ny fahavelomany, traikefa iray izay nofaritany ho toy ny fahagagana. Nohamafisiny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fitazonana fanantenana sy ny fahavononana hiroso hanatratra ny tanjona, na eo aza ny sakantsakana atrehina eny an-dalana.

Fiarovana ny zon'ny vehivavy ao Qatar

Nandritra ny nipetrahany tao UK, nilaza ny tenany ho mpiaro ny zon'ny vehivavy Qatari i Al-Maadeed, nanazava ny voka-dratsin'ny fananana lehilahy ho mpiambina ; Amin'izao fotoana izao, i Qatar no hany firenena tokana ao amin'ny faritra Golfe mankato ny lalàna iray mikasika ny fiahian-dehilahy. Nohazavainy hoe hatraiza io rafitra io no manakana ny vehivavy tsy hiasa na hivezivezy tsy misy fahazoan-dalana avy amin'ny lehilahy iray mpiambina ary mamela ireo vehivavy izay iharan'ny herisetra an-tokantrano ho zara raha misy fiarovana.

Tany anaty tafatafa isan-karazany tamin'ny fahitalavitra sy ireo lahatsary hafa no nanehoany ny fahaverezan'ny fiarovana tsapany tany Qatar noho ny fihanaky ny herisetra an-tokantrano sy ny fisian'ireo lalàna manavakavaka miantraika amin'ny asa sy ny zon'ny vehivavy ao an-tokantrano.

Nohamafisin'i Al-Maadeed fa ireo vehivavy tokantena mihoatra ny 18 taona dia tsy afaka mivezivezy ivelan'ny fireneny, tsy mahazo asam-panjakana na mahazo fampisamboram-bola hividy trano fonenana mitokana raha tsy misy fankatoavana avy amin'ny lehilahy mpiahy azy. Nambarany ihany koa ny zava-mampalahelo manjo an'ireo vehivavy tanora sasany izay niezaka nanamafy ny tsy fiankinan-dohany, satria napetraka tany amin'ny toby fitsaboana aretin-tsaina izy ireny, fonja na fialokalofana azo antoka, izay mitovy amin'ny toby famonjàna. 

Fiverenany an-tanindrazana sy fanjavonana an-terisetra

Notsoahan‘i Al-Maadeed ilay fangatahany fialokalofana tao UK ary dia nandao ilay firenena izy tamin'ny 30 Septambra 2021, niaraka tamin'ny fikasàna hiverina any Qatar. Nanazava izy fa nampanantena azy ireo manampahefana Qatari fa hanome fiarovana ho azy ary hanaja ny zo maha-olombelona azy ilainy amin'ny fiverenany.

Na izany aza anefa, rehefa tafaverina tany Qatar izy dia nambarany fa nahazo fandrahonana ho faty ary nangataka fiarovana tamin'ireo manampahefana teo an-toerana. Fotoana vitsy monja taty aoriana dia nambarany ampahibemaso ny ahiahiny noho ny tsy fisian'ny fanampiana.

Ahiahy manokana mikasika ny hanjo azy no nivoaka avy tao anaty lahatsary iray tao amin'ny Instagram, izay nofafàna nanomboka teo. Tao anatin'ilay lahatsary, tamin'ny 12 Oktobra 2021, dia nolazainy fa niharan'ny fandrahonana ho faty avy tamin'ny fianakaviany ihany izy.

Ny harivan'ny 13 Oktobra 2021 i Al-Maadeed dia nitsahatra tsy nanao tatitra teo amin'ny tambajotra sosialy intsony ary nijanona tsy naharaisam-baovao tao anatin'ny telo volana teo ho eo. Niteraka ahiahy miely patrana sy tatitra mampihoron-koditra izany fa mety ho voatazona amina toerana miafina izy na mety novoina mihitsy aza. 

Ny tsindry iraisam-pirenena, anisan'izany ny ezak'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona toy ny Gulf Centre for Human Rights (GCHR), niaraka tamin'ny fanokafana tsy ho ela ny fiadiana ny amboara eran-tany 2022, dia nanery ireo manampahefana Qatari handray fepetra hamantarana izay momba an'i Al-Maadeed sy hiarovana zony sivily ary ny zo maha-olombelona azy. Tamin'ny 9 Janoary 2022 dia nandefa bitsika iray izy nahitana lahatsary fohy manamafy fa voaaro sy salama tsara izy.

Tamin'ny 18 Martsa 2023, namoaka andiana lahatsary maromaro tamin'ireo tambajotra sosialy isan-karazany i Al-Maadeed, anisan'izany ny kaontiny X (Twitter taloha), nampitondraina ny fehezanteny manaraka : “Ilay dondrona niverina an-tanindrazany”. Ireo lahatsary ireo dia manome porofo mivaingana momba ny fanitsakitsahana amin'ny ankapobeny atao amin'ny zo maha-olom-pirenena sy maha-olombelona azy eo ampelantanan'ireo manampahefana, ambany fitantanan'ilay fitaovam-piarovana malazan'ny Fanjakana. Ity sampan-draharaha ity dia fantatra amin'ny asany ivelan'ny rafitra ara-dalàna sy ny fampiasany ny rafitra ara-pitsarana Qatari ho fitaovana hikendrena an'ireo olom-pirenena tsy manan-tsiny.

Any anatin'ireo fandraketana ireo, marefo no fahitàna an'i Al-Maadeed, ory ara-pihetsehampo, amin-dranomaso ary mampiseho fahaketrahana lalina.

Tao anatin'ny iray tamin'ireo fandraiketana ireo no nanaovany fampitahana mivandravandra ny fanitsakitsahana mibaribary ny zon'olombelona nitranga tao amin'ny fireneny sy ny zava-misy tany Korea Avaratra. Tao anatin'ny fandraiketana iray hafa manohina, nitodika mivantana tamin'ireo manampahefana izy nanontany hoe : “Raha hàlanareo aho, nahoana ary no tsy avelanareo handeha ary nahoana ianareo no mamaly faty ahy ?”

Ny lahatsarin'i Noof Al-Madaeed farany, tamin'ny 18 Martsa 2023, mampiseho azy an-dranomaso, mamboraka ny ao am-pony rehefa mitaraina izy fa tsy misy na inona na inona intsony tavela momba azy.

Tao anatin'ny fandrahetana fahatelo dia nilaza hoe : “Fantatro ankehitriny ny antony nandosirako, satria maimbo ny toerana.” Tao amin'ny fandraketana  fahaefatra tena matotra, mampahory indrindra, dia nanazava tamin-dranomaso izy fa rehefa nangataka ny fanalàna ny tsy fahazoany mivezivezy izay napetraka taminy izy dia nisy mpiasa sasantsasany avy tao amin'ny fiarovam-panjakana nampiditra azy ho anaty lisitra mainty, nangataka azy ny hihaona amin'izy ireo. Rehefa nanontany azy ireo izy hoe any amin'ny biraony ve no hanaovana ny fivoriana, dia novalian'izy ireo ankamantatra hoe : “Toerana iray faharoa”.

Nanamarika ny fanavaozana farany nozarain'i Al-Maadeed ireo fandraketana ireo, satria nitsahatra hatreo ny vaovao rehetra na ny torohay mikasika azy.

Aiza i Nouf Al-Maadeed?

Na teo aza ny ezaka mafy nataon'ny GCHR mba hahazoana antoka avy amin'ny governemanta sy ny masoivohon'i Qatar, anisan'izany ny ao Londra, indrisy tsy nisy vokany daholo izany ezaka rehetra izany.

Tena takiana ny hanomezan'ireo manampahefana ao Qatar porofo mivaingana manamafy fa velona i Al-Maadeed, amin'ny alalan'ny fiantohana ny fifandraisany tsy misy teritery amin'ny tontolo ivelany. Tsy maintsy afahana amin'izay rehetra endrika famonjàna izy ary omena fahalalahana mivezivezy ivelan'ny firenana raha tiany izany. Amin'izao fotoana izao, ny vaovao rehetra azo dia milaza mazava fa tandindonin-doza lehibe ho an'ny ainy sy ny fahalalahany manokana i Al-Maadeed.

Mamporisika ny Vondrom-piarahamonina Iraisam-pirenena ny GCHR, indrindra fa ny rafitra ao amin'ny Firenena Mikambana sy ireo governemanta to teny amin'i Qatar – anisan'izany ny Firenena mpikambana amin'ny Vondrona Eoropeana – mba hihetsika avy hatrany sy hanao tsindry amin'ireo  manampahefana Qatari.

Ilaina io fanerena io hiantohana ny fiarovana an'i Al-Maadeed sy ny zony hiaina malalaka ao Qatar. Tsy azon'ny governemanta ao Qatar atao intony ny manohy tsy miraharaha ny hevi-bahoaka eran-tany izay mikaroka amim-pahavitrihana ny marina. Ny fahanginany mitohy dia tsy hisalasalana fa kilasiana ho sahala amin'ny fanamelohana mazava ny toedraharaha mahazo an'i Al-Maadeed. Tomponandraikitra feno amin'ny fiarovana ny fiadanan'ny olom-pireneny i Qatar, anisan'izany i Noof Al-Maadeed.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.