Shina : itarainan'ireo zokiolona ny fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana

Zokiolona iray mampiseho ho an'ireo media shinoa ny bokikely fanazavàna ilay fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana, nandritra ny hetsipanoherana tao Wuhan tamin'ny 15 Febroary 2023. Pikantsary avy amin'i @GaoFalin, mpampiasa Twitter

Taorian'ireo andiana hetsi-panoherana ilay boky fotsy, notarihan'ireo tanora shinoa rehefa nifarana ilay pôlitikan'ny “zéro COVID” tao Shina tamin'ny Desambra lasa teo, dia onjam-panoherana hafa indray no niainan'ilay firenena, tamin'ity indray mitoraka ity dia notarihan'ireo zokiolona manohitra ny fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana ao amin'ny firenena.

Hatramin'ny fiandohan'ny Febroary 2023, ireo shinoa efa nitsahatra tamin'ny asany (mpisotro ronono) tany amina tanandehibe maro, toa an'i Wuhan, Dalian, ary Shanghai, dia nanao hetsi-panoherana ny fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana ao amin'ny firenena, izay nambara tamin'ny Mai 2021 ho famaliana ny filàna ara-pitsaboana ilain'ireo vahoaka efa miha-antitra. Kanefa, ny faharesen-dahatr'ireo mpanao fihetsiketsehana dia hitodika amin'ny vokany ratsy ho azy ireo any aoriana noho ilay izy hampihena ny vola arotsaka amin'ny fiahiana isam-batanolona ho famatsiana ireo fandaniana ara-pitsaboana ho an'ny daholobe amin'ny alàlan'ilay lazaina fa fanavaozana.

Ny lahatsary eto ambany, avy amin'i @GaoFalin, mpampiasa Twitter, dia mampiseho ny fihetsiketsehana tao Wuhan tamin'ny 15 Febroary 2023:

Marobe ireo lahatsary nalefa avy tao Wuhan tamin'ny 15 Febroary. Zavatra nahazatra ny olona ny maka sary. Ankehitriny, mandrakitra lahatsary ry zareo. Asehon-dry zareo ireo zokiolona ao Wuhan manohitra ny fampihenàna ny fanampiana ara-tsôsialy. Ireo masoivohom-baovao vahiny dia nilaza fa nisy an-jatony maro, na an'arivony maro ireo mpanao hetsi-panoherana. Saingy araka ilay lahatsary, be lavitra noho izany ny isa. Marina ny an'i Xi Jinping momba io resaka io : tsy tokony ho tezitra ny Shinoa, raha tsy izany dia ho goavana be ny fiantraikany!

Ny tantaran'ny rafitra fiahiana ara-pitsaboana shinoa

Tamin'ny 1998 no noforonina ny rafitra ara-pitsaboana tao Shina, ho an'ireo mpiasa tamin'ny sehatra tsy miankina. Misy singa roa ao anatin'ilay rafitra fiantohana; ny iray dia tahirimbola fiantohana ho an'ny daholobe, ary ny iray hafa dia rafitra manery ny hanaovana tahiry ho an'ny fitsaboana isambatanolona. Isambolana ny orinasa rehetra dia tsy maintsy mandoa fiantohana ara-pitsaboana ho an'ireo mpiasany. Ilay antontam-bola dia sady apetraka ao amin'ny tahiry ho an'ny daholobe no arotsaka ihany koa ao amin'ny kaontin'izy ireny manokana hiatrehana ny resaka fitsaboana. Ho an'ireo fitsaboana madinidinika no ampiasan-dry zareo ny vola arotsaka ao amin'ny kaontiny manokana, ary ho an'ireo aretina henjana mila fidirana hôpitaly dia oneran'ny tahirimbola natao ho an'ny daholobe rehefa avy eo.

Teo ambanin'ilay rafitra tamin'ny 1998, nanodidina ny 58 isanjato amin'ny vola fiantohana no napetraka tany amin'ny kaonty manokan'ireo olompirenena, ary 42 isanjato tany amin'ny ho an'ny daholobe. 

Nisy tsindraindray ny fanakianana ilay rafitra fiahiana ara-pahasalamana, satria ireo mpiasam-panjakana dia misitraka fiahiana ara-pahasalamana feno. Ankoatra izany, ao anatin'ny rafitry ny fiantohana, voafetra ny vokatry ny fitsinjaràna satria mihoatra ny antsasaky ny volan'ny fiantohana no nangonina tanaty kaontin'olona manokana, ary zara raha voaaro ireo mahantra. Etsy andaniny, ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka dia iharan'ny tsindry satria vetivety be dia miha-antitra ny vahoaka.

Araka izany, tamin'ny Aprily 2021, nambaran'ny governemanta shinoa ny fanaovaozana ny fiantohana ara-pitsaboana. Raha fehezina, ny fandraisana anjaran'ireo orinasa dia havily mankany amin'ny tahirimbolam-panjakana mba hanohanana ny rafitra fiahiana ara-pahasalamana ho an'ny daholobe ao amin'ny firenena.

Avy eo, nisy filàna maika nipoitra – tsy maintsy mamaha ny olan'ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana ao aminy ilay firenena, izay navoitran'ireo valanaretina COVID-19 tamin'ny sehatra nasiônaly nandritra ireo volana farany, satria niandry fotoana ela be ireo olom-pirenena, ny tsy fahampiana fitaovana sy ny fahavitsian'ny tohana ara-pitsaboana avy amin'ny fanjakàna. 

Na mbola ambony lavitra noho ireo fandaniana 2 130,2 lavitrisa yuans RMB (308,8 USD) aza ny vola niditra ho an'ny fiahiana ara-pitsaboana tao amin'ny firenena, teo anelanelan'ny Janoary sy Novambra 2022, ny ampahany betsaka tamin'ilay vola dia voatahiry tany amina kaonty manokana, dia tsy afaka nampiasaina handrakofana ireo fandaniana ho an'ny daholobe, izany hoe ny governemanta dia tsy maintsy naka tany amin'ny tahirin'ireo fiantohana, izay ho ritra malaky raha toa mbola mitoetra hatrany ny fandanina ho an'ny valanaretina COVID-19.

Fotsy volo mpanao hetsi-panoherana

Taorian'ilay fanavaozana, tsikaritry ny mponina fa efa ho ny roa ampahatelon'ny vola narotsaka isambolana tao amin'ny kaontiny manokana no nalefa ho any amin'ny tahirimbola ho an'ny daholobe.

Ireo mpitari-kevitra mpiandany amin'ny fanjakàna ao amin'ny Weibo dia nanazava fa hahazo tombony amin'ilay rafitra vaovao ireo zokiolona, satria ireo olona salama tsara sy ireo tanora dia handray anjara betsaka amin'ilay tahiry ho an'ny daholobe ary hanohana ireo zokiolona mareforefo ara-pahasalamana izay ho afaka ny hanonitra ny saram-pitsaboan'izy ireo amin'ny alàlan'ilay tahiry ho an'ny daholobe rehefa mandeha klinika na hôpitaly. Saingy tsy miombon-kevitra amin'izany ireo fotsy volo manao hetsipanoherana.

Ny mifanohitra amin'izany, ampangain-dry zareo ho mpangalatra ny fanjakàna, satria ny kaontin-dry zareo manokana dia natolotra ho toy ny “fanangonambola manokany ho an'ny fahasalamana” rehefa nampiditra an'io rafitra fiahiana ara-pitsaboana io ny fanjakana tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 1990.

Araka ny fanazavan'ny rakipeo iray miely be andrenesana vavy antitra iray mitaraina amina antso iray mivantana amin'ny ben'ny tanàna momba io fanaovaozana io, raha toa ry zareo ka maniry hisitraka ny taham-panonerana avo kokoa dia tsy maintsy mamonjy hôpitaly, izay tsy dia tsara toerana, misy filaharana lavabe ary mampihatra sandam-bidy lafo raha miohatra amin'ireo klinika. Kanefa, ho anny fizahàna iray any amin'ny klinika, ambany ny sandany alohan-dry zareo (門坎費) alohan'ny hahafahany mitaky fanonerana manodidina ny 60% eo ho eo tamin'izay fandaniana nataony. Misy ihany koa ny fetra isantaona ho an'ny fanonerana an'ireo klinika.

Voakitika ny fahatokisan'ny vahoaka

Ny sasany nanipika ny hoe ny dikidikim-bahoaka dia mifamatotra be amin'ny tetiandron'ilay fanavaozana – taona telo taorian'ny nametrahana ny fepetra “zéro COVID”, lany ny tahirimbola ho an'ny daholobe natao hanohanana ireo sampandraharaha ara-pitsaboana. Nandritra ny fipongaran'ireo karazany marobe tamin'ny COVID 19  tao anatin'ireo volana faramparany, betsaka ny olona vavolombelon'ny fikororosian'ny sehatra ara-pitsaboana ho an'ny daholobe, ka ny ankamaroan'izy ireny dia tany an-tranony no notsaboina. Araka izay ilazan'ny olona iray mpampiasa Weibo azy:

疫情刚爆发的2020年我就感觉中国医保肯定难以为继。我当时就觉得应该废除这种不同阶级不同待遇的医保政策,以个人所得税为税源建立一个全国民免费医保。当时就被无数人围攻,还有人来我微信骂我。现在我们错过了最好的改革时机,医保基金枯竭,不但不动某些人的蛋糕,还要继续砍老百姓的待遇,真的是一声叹息。

Hatramin'ny fiandohan'ny 2020, rehefa nipoitra ilay valanaretina, nahatsapa aho fa tsy naharitra ny rafitra fiantohana shinoa. Ninoako ny hoe tokony nofoanan'i Shina ny ‘police d'assurance’ iray nanasokajiana ny olona arakaraky ny sata sôsialy sy toekareny ary napetrany ny rafitra fiahiana ara-pahasalamana tsy manavaka ho an'ny rehetra. Niharam-panafihana aho rehefa nandefa ny hevitro. Ankehitriny, efa nihoarantsika ny fotoana fanavaozana, ritra ny tahirimbolantsika natao hiahiana ny ara-pahasalamana. Raha tokony ho fitsinjaràna no atao, ahentsika ny tombony tokony ho an'ireo olona tsotra…

Na teo aza ireo ezaka marobe nafafin'ireo media ôfisialy mba hanasongadinana ny endrika miabo ananan'ilay fanavaozana ny fiantohana ara-pahasalamana, mitohy mihitatra ny tsy fahatokian'ny vahoaka. Na i Hu Xijin aza,  ilay mpaneho hevitra ao amin'ny Global Times miankina amin'ny fanjakana dia niaky fa olana ny tsy fisian'ny marimaritra iraisan'ny daholobe momba ireo fepetram-panavaozana:

不知道这次医保改革有无更多资金投入,如果没有的话,就要充分认识它的难度,下大力气做“短期受损者”的思想工作。做人心的工作不是单向的宣讲,不能认为政府说什么,大家就必须信什么。还是要把群众路线真正走通了。

Tsy azoko antoka hoe ny governemanta shinoa dia handrotsaka vola misimisy kokoa ao anatin'ny kitapombolaa ho an'ny fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana. Raha tsy izay no zavamisy, mila miaiky isika fa sarotra ny hahatongavana amina marimaritra. Mila manao ezaka misimisy kokoa isika handresy lahatra ireo mety ho very tombontsoa ao anatin'ny fotoana fohy. Tsy azontsika atao ny manely fotsiny lafy iray amin'ilay tantara ary manantena ny olona hino izay lazain'ny governemanta. Mila tadiavintsika ny fomba tsara hiresahana amin'ny maro.

Mandritra izany fotoana izany, mitatra mankany amin'ny sehatra hafa ny tsy hafalian'ny vahoaka. Tsy ela akory izay, marobe ireo tanora no nihevitra ny hampihena ny fiahiana ara-tsôsialy avy amin-dry zareo, nefa ny fanjakana nihevitra ny hanisaka ny taona fandehanana mitsahatra amin'ny asa, tsy ho  60 fa 65 taona. Nohazavaian'i @jacklee7281 ny antony nanafoanany ny fiantohana ara-tsôsialiny :

Mpiasa tena aho, ary manomboka amin'ity volana ity, ho ahenako ho 1.492 yuans ireo vola isambolana ho an'ny fiahiana ara-tsôsialy […]

Nandritra ny telo taona aho no nandrotsaka vola ary raha toa aho maniry ny handray fisotroan-dronono rehefa mitsahatra amin'ny asako, dia mbola mila mandrotsaka vola mandritra ny 17 taona. Avelao aho hanao kajy.

Raha mandritra ny 2 taona aho no mandoa vola, ny fitambarany dia mihoatra ny 300.000 RMB. Vola be ihany izany an. Raha 65 taona no fitsaharana amin'ny asa, dia any amin'ny faha-65 taona aho vao mandray fisotroan-dronono. Raha mandray 2000 isambolana aho, mila velona hatramin'ny faha-80 taona mba hisitraka izay narotsako. 75 taona eo ny salanisan'ny fahelàna velona eto Shina? Afaka hiaina hatramin'ny faha-80 taona ve aho? Sarotra lazaina izany, be ny loza mety hitranga.

Iray hafa mpampiasa Weibo no namaritra ny fahatsapan'ny daholobe ao Shina ho toy ny fandrika klasika ankolaka, midika fa ny governemanta iray tsy tian'ny vahoaka dia ho hankahalaina foana, na inona na inona ataony – na tsara izany na ratsy:

医保局典型的遭遇了“塔西佗陷阱”。一群吃过亏的人,最近又吃了一亏,有个风吹草动就杯弓蛇影,怕再吃一亏。偏偏这群人又有闲又有微信,还会刷短视频,他们的不信任感很容易聚集在一起。我看以后把4G5G都禁了吧,2G就够了。

Latsaka anaty “fandrika klasika ankolaka” ilay fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana. Niaritra hirifiry [nandritra ny valanaretina] ilay vondron'olona, dia vao haingana teo, latsaka indray anaty toedraharaha iray hafa tsy ahazoany tombony. Atahoran-dry zareo ho simba ny tombontsoany isaky ny misy marika tsinjon-dry zareo. Manana fotoana izy ireo, manana ny WeChat ary hain-dry zareo ny fomba fandraketana lahatsary fohy. Haingana be ny fiharatsian'ny tsy fahatokisan-dry zareo. Tokony horaràna ny 4G sy ny 5G [hanakanana izany], ny 2G no tokony ho tsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.