Nolavin'ny fitsarana ao Hong Kong ny fangatahan'ny governemanta handràra ny hiram-panoherana manohana ny demaokrasia

Ity sary tamin'ny 7 Jona 2023 ity, dia mampiseho ny hiran'ny hetsi-panoherana 2019 “Voninahitra ho an'i Hong Kong” ao amin'ny sehatra fandefasan-tsary mivantana Spotify. Sary: Kelly Ho/HKFP.

Nosoratan'i Candice Chau ny dika voalohany amin'ity tatitra ity ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 28 Jolay 2023. Navoaka tato amin'ny Global Voices ity dikan-teny nasiam-panovana manaraka ity ho ampahany amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny HKFP.

Nolavin'ny Fitsarana Avo ao Hong Kong ny tolo-kevitry ny governemanta handrara ny vahoaka tsy hiantsehatra na hihira amin'ny fikasana tsy ara-dalàna ilay hiran'ny hetsi-panoherana mpomba ny demaokrasia “Voninahitra ho an'i Hong Kong”, amin'ny filazana fa mety hisy fiantraikany “ratsy” amin'ny fahalalahana miteny ny hetsika toy izany.

Nilaza tao amin'ny didim-pitsarany  ny mpitsara Anthony Chan tamin'ny 28 Jolay 2023, fa tsy “afa-po” izy raha “ara-drariny sy mety” ny manaiky ny didy hitsivolana angatahan'ny governemanta .

Nandray ny fanapahan-kevitra ny Departemantan'ny Fitsarana (DoJ) taorian'ny fifandroritana maromaro tamin'ny hetsika ara-panatanjahantena iraisampirenena, rehefa noheverin'ny mpikarakara niantehitra tamin'ny fikarohana Google fa hiram-pirenena ofisialin'i Shina “March of the Volunteers (Diaben'ny Volantera)” ilay hiran'ny hetsi-panoherana. Nikatsaka ny hanakana ny fizarana ilay hiran'ny hetsi-panoherana mpomba ny demaokrasia ny DoJ tamin'ny fikasana hanentana fisaraham-bazana, fikomiana, na fanitsakitsahana ny lalàna momba ny hiram-pirenena. Niezaka ihany koa ny governemanta hanakana ny rehetra tsy hanatrika amin'ireny hetsika ireny.

Saingy nametraka ahiahy momba ny “fiantraikany ratsy” ateraky ny fandraràna ny fitsarana. Nilaza ny didim-pitsarana navoakan'i Chan hoe,

Given that the Injunction is aimed at criminal acts but not lawful activities, I believe that the intrusion to freedom of expression here, especially to innocent third parties, is what is referred to in public law as ‘chilling effects’.[…]

With respect, I am unable to agree that the chilling effects may be dismissed simply because the Injunction is not aimed at lawful pursuits.

Satria natao ho an'ny hetsika heloka bevava fa tsy ny hetsika manara-dalàna ny didy hitsivolana, dia mino aho fa ny fidiran'ny fahalalahana maneho hevitra eto, indrindra ho an'ny olon-kafa tsy manan-tsiny, no lazaina ao amin'ny lalàm-panjakana ho ‘fiantraikany ratsy’.[…]

Amim-panajana, tsy afaka manaiky aho fa mety tsy hisy ny fiantraikany ratsy satria hoe tsy natao hikendrena fanenjehana ara-dalàna ny didy hitsivolana.

“Ny olona tsy manan-tsiny mihitsy” no mety hijanona tsy handray anjara amin'ny hetsika ara-dalàna mifandray amin’ilay hira “noho ny tahotra sao handika ny didy, izay misy voka-dratsy goavana”, hoy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara.

Niteraka ahiahy teo amin'ny sasany momba ny mety ho fiantraikany amin'ny fahalalaham-pitenenana ny tolo-dalàna momba ny didy. Tsy manivana aterineto i Hong Kong, tsy tahaka ny any Shina hafa, na dia eo aza ny lalàna midadasika mifehy ny fiarovam-pirenena novolavolain'i Beijing tamin'ny Jona 2020.

Efa nandrisika an'ny Google mba hanitsy ny valin'ny fikarohana momba ny “hiram-pirenena Hong Kong” ny manampahefana tao an-tanàna teo aloha mba hampiseho ny hiram-pirenena ofisialy, saingy nilaza ny goavan'ny teknolojia Amerikana fa mila porofo izy fa tsy ara-dalàna ilay hira hetsi-panoherana.

Ny tonon'ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong,” hira nalaza nandritra ny hetsi-panoherana volavolan-dalàna momba ny fampodiana (extradition) 2019, dia mirakitra ny andian-teny hoe, “Afaho i Hong Kong, revolisionan'izao androntsika izao,” teny filamatra izay noheverina fa mahavita mandrisika ny fisaraham-bazana nandritra ny fitsarana voalohany momba ny fiarovam-pirenena tao an-tanàna.

Efa manana lalàna manameloka ny fanevatevana ny hiram-pirenena na ny sainam-pirenen'i Shina i Hong Kong saingy nilaza fa ilaina ihany koa ny didy manohitra ny fandehandehanan'ny fihetsiketsehana.

Nilaza ny sampan-draharahan'ny fitsarana tamin'ny volana Jona fa “mety nodisoina ho hiram-pirenena” ilay hira ary mety milaza ny fisiany fa manana ny hiram-pireneny manokana ny tanàna na mety hamporisika ny hafa hanao hetsika fikomiana. Hiaro ny hiram-pirenena amin'ny fanevatevana, hoy ihany izy ny didy.

Saingy nilaza ny Fitsarana Avo fa tsy dia hampiasaina loatra ny didy iray ary mety mifanohitra amin'ny lalàna misy. Tsy hitan’ny fitsarana hoe ahoana no mety hanampian’ny didy hitsivolana amin’ny fampiharana ny lalàna, na dia eo aza ny tohan-kevitry ny sekreteran’ny fitsarana teo aloha fa hanome lalana hafa ho an’ny governemanta handinika ny fampiasana izany, hoy ny didy. Mifanohitra amin'ny lalànan'ny heloka bevava ihany koa ny fandrarana, ka miteraka ahiahy amin'ny raharaha toy ny anisan'izany ny mety hisian'ny fanenjehana roa.

Na dia voafetra aza ny fe-potoana fanenjehana amin'ny fandikan-dalàna ara-pikomiana, dia tsy nisy famerana toy izany ho an'ny fitsarana sivily. Raha ekena ny didy, dia “hisy fiatraikany amin’ny fanafoanana ny fe-potoana voatondro”, izay raharahan’ny mpanao lalàna, hoy ny mpitsara.

Na izany aza, nampian'ny mpitsara fa raha misy “tena ilaina” ilay didy ary tsy mifanohitra amin'ny lalànan'ny heloka bevava, dia ho nekeny ny fangatahan'ny governemanta na dia eo aza ny voka-dratsiny:

I am unable to accept as a valid answer to these concerns the [secretary for justice’s] submission that it is legally permissible for him to choose the enforcement means that best facilitate the protection of national security.

Tsy azoko ekena ho valin-teny marim-pototra amin'ireo olana ireo ny fanambaran'ny [sekretera misahana ny fitsarana] fa azony atao ara-pitsarana ny misafidy ny fomba fampiharana izay manamora indrindra ny fiarovana ny fiarovam-pirenena.

Nolavin'ny mpitsara ihany koa ny tohan-kevitry ny minisitry ny fitsarana fa tsy tokony hisy fanahiana amin'ny mety ho fanenjehana indroa satria manana fahefana hampiato ny raharaha rehetra “izay mety ho fanararaotana ny fizotrany” ny fitsarana. Hoy i Chan tamin'ny didim-pitsarany:

The power to stay proceedings is discretionary, whereas the right of a convicted person not to be subject to double jeopardy is the rule of law.

An'iray manokana ny fahefana hanohy ny fitsarana, raha an'ny fanjakan-dalàna kosa ny zon'ny olona ampangaina tsy hohenjehina indroa.

Nilaza ihany koa ny mpitsara ao amin'ny Fitsarana Avo fa ny porofo natolotry ny sekreteran'ny fitsarana dia “tsy misy dikany firy amin'ny lafiny manokana momba ny fomba ahafahan'ny didy, ohatra, mampihena ny fihanaky ny hira”, satria tsy lasibatra ny hetsika ara-dalàna.

Tsy hanamaivana ny fangatahan'ny governemanta amin'ireo mpamatsy aterineto mba hanaisotra ilay hira ihany koa ny didy, satria “tsy misy antony tokony hinoana” fa “tsy mahalala ny andraikiny amin'ny fanarahana ny lalàna” ireo mpamatsy.

Afaka mahazo toro-hevitra ara-dalàna ihany koa ireo goavan'ny teknolojia raha toa ka manana fisalasalana izy ireo, hoy i Chan, ary “sarotra ny nahatakatra izay mety hampian'ny didy amin'ny fanafoanana ny lalàna momba ny heloka bevava.”

‘Tena mitombina’

Ronson Chan, filohan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Hong Kong, nilaza fa nihevitra izy fa “tena mitombina” ny didy tamin'ny zoma. Hoy ny filohan'ny HKJA:

I agree with the court and the judgement saying that chilling effect will keep innocent people from lawful actions [to] keep away from the injunction.[…] I think that the judgement is very reasonable, and HKJA welcomes it.

Miombon-kevitra amin'ny fitsarana sy ny didim-pitsarana milaza fa fiantraikany ratsy hanalavitra ny olona tsy manan-tsiny amin'ny hetsika ara-dalàna ny didy hitsivolana .[…] Heveriko fa tena mitombina ilay didim-pitsarana, ary mankatoa izany ny HKJA.

Nanampy i Ronson Chan fa “tsy fantany” izay hataon'ny governemanta rehefa nanontaniana izy raha nanantena fampiakarana ny raharaha avy amin'ny governemanta.

Navoakan'ilay mpamoron-kira ao an-toerana, fantatra amin'ny anarana hoe Thomas ihany sy ny ekipany tamin'ny 31 Aogositra 2019 — nandritra ny faratampon'ny korontana sy fihetsiketsehana manohana ny demokrasia manerana ny tanàna ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” .

Nanasongadina tononkira niarahana nanoratra tamin'ireo mpisera aterineto tao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka LIHKG izy io. Nitaky ny demokrasia sy ny fahalalahana izy ireo, ary nampiditra ilay teny faneva efa voaràra ankehitriny hoe “Liberate” (Afaka).

Tsy nety niteny ny governemanta raha tsy ara-dalàna ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” raha nanontanian'ny HKFP, na dia teo aza ny fanamafisan'ny manampahefana fa mazava ny lalàna. Na izany aza, nialohavan'ny hetsika ara-pitsarana sy fisamborana hafa ny ezaka vao haingana handràra ny karazana rehetra amin'ilay hira.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, Cheng Wing-Chun, 27 taona, mpaka sary, no lasa olona voalohany voaheloka noho ny lalàna momba ny hiram-pirenena ao an-tanàna. Voaheloka telo volana an-tranomaizina izy taorian'ny fanovany ny “March of the Volunteers (diaben'ny Mpilatsaka an-tsitrapo” tamin'ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” tamin'ny lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.