Mitsonika haingana kokoa noho ny nieritreretana azy ny ranomandry ao Himalaya

Imja Glacier near Mt Everest has turned into a big lake in the past 20 years. Photo: Kiril Rusev via Nepali Times. Used with permission.

Niova ho farihy lehibe ny Imja Glacier akaikin’ny Tendrombohitra Everest tao anatin’ny 20 taona. Sary: Kiril Rusev tao amin’ny Nepali Times. Nahazoana alalana.

Navoaka tao amin’ny Nepali Times ity lahatsoratra ity tany am-piandohana ary nivoaka indray ato amin’ny Global Voices  ny dika nasiam-panovana araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Taona efatra taorian’ny namoahan’ny siantifika tatitra mampiahiahy mahakasika ny ranomandry mitsonika ao Himalaya, dia mampitandrina izy ankehitriny fa mafy kokoa noho izay noeritreretina teo aloha ity olana ity.

Ny fikarohana vaovao dia manome izay lazaina ho fanombanana marina indrindra momba ny lanezy, ny ranomandry ary ny tany mivaingan’ny hatsiaka any Himalaya hatramin'izao: fa mety hamoy hatramin'ny 80 isanjaton'ny ranomandry ny vongan-dranomandry Himalaya amin'ny faran'ity taonjato ity. Maneho voka-dratsy lehibe ny valin’ny fikarohana, tsy ho an'ny tendrombohitra ihany, fa ho an'ireo olona efa ho 2 lavitrisa monina any amin'ireo firenena Aziatika izay miankina amin'ny rano avy amin'ireo tendrombohitra avo indrindra eran-tany koa.

Hamaky bebe kokoa: Ny krizin'ny toetrandro dia krizin'ny rano ao Himalayas

Namoaka ny fanadihadiana tombana amin'i Hindu Kush Himalaya ny International Centre for Integrated Mountain Development ICIMOD ao Kathamandu tamin’ny taona 2019. Nanambara kosa ny tatitra vaovao fa nanjavona haingana kokoa 65 isanjato ny tamin’ny 2010 noho ireo taompolo alohan’izay ny vongan-dranomandry ao Himalaya. Amin’izany taha izany, dia hihavetivety kokoa ny fitsonika amin’ny folo taona ho avy.

Ny rano, ny ranomandry, fiarahamonina ary ny rohivoary ao amin'ny tatitra Hindu Kush Himalaya (HI-WISE) no manoritra fandrosoana ara-tsiansa hananganan-tsarintany ny fiantraikan'ny fitsonian'ny ranomandry, ny lagilasy ary ny vaingan-drano any an-tendrombohitra amin’ny rano, ny rohivoary ary ny fiarahamonina ao amin'ny fari-driandranon'i Himalaya .

Mampitandrina ny amin'ny voka-dratsy any amin’ny faritra izay mpanome rano madio ho an'ny ampahefatry ny mponina maneran-tany ny fikarohana niarahana natao any amin’ny toerana mafana miisa efatra maneran-tany izay mitahiry zavamananaina.

Maminavina ny “rano ambony indrindra” any amin'ny tapaky ny taonjato ny tatitry ny HI-WISE, ka aorian'izay dia hihena hatrany ny rano fanondrahana, fampiasa ao an-tokantrano, ny indostria ary ny herinaratra ao amin'ireo reniranon'i Himalaya. Mandritra izany fotoana izany, hampitombo ny mety hisian'ny fihotsahan'ny tany sy ny tondra-drano amin'ity faritra tendrombohitra marefo ara-jeolojika sy ara-tontolo iainana ity ny toetr'andro mahery vaika vokatry ny fiovan'ny toetr'andro.

Ny endrika atsimon'i Ssaipal Himal any andrefan'i Nepal, mampiseho ranomandry nihena nandritra ny 15 taona lasa, Sary avy amin'ny Nepali Times. Nahazoana alalana

“Mihamitombo ny tsy fandraisana andraikitra mikasika ny toetr’andro,” hoy ny fampitandremana nataon’I Saleem ul Huq avy ao amin’ny Foibe Iraisam-pirenena ho an'ny Fiovaovan'ny Toetrandro sy ny Fampandrosoana ao Bangladesh. Asehon’ity tatitra ity fa tena marefo tokoa ny faritra Hindu Kush-Himalaya(HKH) noho ny fiantraikan'ny fiovaovan’ny toetrandro. Mila mandray andraikitra isika ankehitriny ho fiarovana ity faritra ity sy ny mponina ao aminy.

Milaza ny tatitra fa mafy indrindra ny fiantraikan'ny “cryosphère” mitsonika amin'ny tendrombohitra marefo, ary hisy fiantraikany goavana eo amin'ny rohivoary sy ny tontolon-javamiaina izany.

“67 isanjaton'ny fari-javamiaina ao amin'ny HKH sy ny 39 isanjaton'ireo faritry ny rohivoary manerantany miisa efatra ivelan'ny faritra arovana, tena marefo ny tontolon-javamiaina miavaka indrindra ao HKH manoloana ny fiantraikan’ny toetr’andro”, hoy ny fampitandremana nataon'ny tatitra.

Olona miisa 240 tapitrisa eo ho eo mipetraka any Himalayas ary 1,65 lavitrisa hafa midina any amin'ny faritra iva miisa 16 any Azia no ho tratran'ny tsy fahampian-drano rehefa mitsonika ny ranomandry any Himalaya. Efa miatrika ny fahaverezan'ny vokatra, ny tsy fahampian'ny tahirin-tsakafom-biby ary ny fahafatesan'ny biby fiompy noho ny toetrandro ratsy ny tantsaha any Himalaya.

“Mihasarotra sy manimba kokoa ny loza.” hoy ny tatitra nataon’ny mpahay siansa miisa 35 avy amin’ny firenena miisa 12.

Mandrisika ny mpanao lalàna ny tatitra hiomana amin'ny fiantraikan'ny fisesisesin'ny fiovan'ny toetrandro izay manome rano madio ho an'ny ampahefatry ny mponina eran-tany. Mitaky fanohanana iraisam-pirenena maika sy fiaraha-miasa isam-paritra amin'ny fatiantoka sy fahasimbana tsy azo ihodivirana izany, ary hanampy ny vondrom-piarahamonina hahay hiaina miaraka amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.