Arvin, Kalifôrnia: Very ny hoavy, lasa ny fanantenana, nihemotra ny fanomezan-toky

Oil well in Arvin, California.

Lavaka fisintonana solika, Arvin, Kalifôrnia, 31 May 2023. Sary an'i Ivan Sigal (CC BY 4.0)

Ampahany amin'ny andian-tantara an'i J. Nathan Matias ity lahatsoratra ity, mikasika ny fitsangatsanganana am-bisikileta namakivaky halavirana maherin'ny 500 miles tamin'ny volana Jona 2023 izay nanangonana vola ho an'ny Rising Voices, ny fandaharanasan'ny Global Voices  ho an'ireo fiteny tandindonin-doza/teny indizeny, sy ny Central California Environmental Justice Network. Manolora fanomezana ho an'ilay santatr'andraikitra eto.

Tamin'ny 2005, rehefa nifindra avy any ambanivohitr'i Los Angeles ho any an-tanànan'i Arvin, Kalifôrnia, i Francisco Gonzales, dia nahasarika azy ny fahitana an'ireo tendrombohitra, ireo lohasaha maitso mavana sy ireo hazom-boasary manodidina ny tanàna. “Noheveriko fa mba hadio izany”, hoy izy sady nanondro ny tranokely nohavaoziny izay nampiasàny ny tahiriny avy tamin'ny fisotroan-dronony taorian'ny am-polon-taona maro niasàny ho mpiasa madinika. Avy eo dia notondroin'i Francisco ilay “derrick” nanoloana azy sady nakariny ny sorony. Metàna sy entona hafa. Na dia mitsangana an-jato metatra monja miala amin'ilay lava-tsolika aza aho, dia efa marary an-doha vokatry ny setroka.

Portrait of Francisco Gonzalez in Arvin, CA.

Francisco Gonzalez, Arvin, Kalifôrnia, 31 May 2023. Sary an'i Ivan Sigal (CC BY 4.0)

Androany no andro voalohany amin'ny fitantaràna ilay dia am-bisikileta mirefy 550 miles mahery izay nataonay sy Ivan Sigal avy any Bakersfield nankao Sacramento ary hivoaka ho any amin'ny helodrano manaraka ny lalan'ny Diaben'ireo Mpiasa Mpamboly tamin'ny 1966. Mijoro eo amin'ny tanàna iray manamorona sakeli-dalana, manoloana ny lavaka fantsakana solika tsy mandeha amin'izay laoniny, tantanina tompony maditra, tsy vitako ny tsy hanana fisainana toy ny hoe mijoro eo amin'ny fihaonan'ny hoavy very sy ny fanantenana efa lasana ary ny fanomezan-toky nahemotra.

Raha vao mahare momba an'i Arvin Kalifôrnia ianao, dia mety ho noho ilay tantara nosoratan'i John Steinbeck hoe “The Grapes of Wrath” (Voaloboky ny Hatezerana), izay toerana tena nisy ny Toby Weedpatch, fantatra amin'ny anarana hoe Toby Federaly Famindran-toerana. Rehefa tonga tao Kalifôrnia ny fianakavian'i Joad mba handositra ny loza nateraky teotrandro tao Oklahôma, ny toby Weedpatch dia nanjary fiatoana fohy tamin'ny fikatsahan-dry zareo  fahavelomana sy fiainana mendrika.

Amin'izao fotoana izao, antony roa no hitsidihan'ny olona ny Toby Weedpatch. Mitsidika ny toerana manan-tantara ny mpizahatany toa anay mba hijery ny fonenan'ireo mpifindra monina avy any Great Depression. Aorian'ireo vavahady mihidy, misy saka iray tsy miraharaha na inona na inona  mandehandeha miaraka amin'ireo matoatoa ao amin'ny Dust Bowl, toa an'i Bustopher Jones-n'i T. S. Eliot, sakan'ny tanàna. Efa ho 90 taona aty aoriana dia mbola manome trano fonenana hatrany ho an'ireo mpiasa tany mifindra monina ilay toby, manolotra trano 88 misy efitrano fatoriana roa ka hatramin'ny efatra, tantanin'ny faripiadidiana ao Kern County.

Rehefa mihaino an'i Francisco miresaka an'ireo tompona lavaka fantsakana solika any lavitra any dia sarotra ny tsy hisaina an'i Steinbeck, izay nanoratra tamin'ny taona 1939 mikasika ny tany sy ny fahefana tao Central Valley, manao hoe : “Tsy niasa tao amin'ny toeram-pambolena intsony ny tompony. Mioty an-taratasy izy ireo. Hadinon'izy ireo ny tany, ny fofony, ny fahatsapany azy, ary tsy misy tsaroany afatsy ny fananany azy,  sy izay azony sy veriny teo aminy sisa.

Photo of Weedpatch Camp historical site, Arvin, California.

Toerana manan-tantara nisy ny Toby Weedpatch, Arvin, Kalifôrnia, 31 May 2023. Sary an'i Ivan Sigal (CC BY 4.0)

Photo of buildings used as housing for migrant workers at Weedpatch Camp, Arvin, California.

Fonenan'ireo mpiasa madinika mpamboly nifindra monina tao amin'ny Toby Weedpatch, Arvin, Kalifôrnia, 31 May 2023. Sary an'i Ivan Sigal (CC BY 4.0).

Tamin'ny taona 1899  no hita voalohany tao Kern County ny solika, ary nanjary loharanon-karena fototra ho an'ilay faritra. Na  mihena aza ny tahirin-tsolika dia mbola manome hetra 200 tapitrisa dolara mahery hatrany isan-taona ho an'ny kaominina sy ireo sekoly eo an-toerana ilay indostria. Mitrandraka solika foana araka izay vitany ireo tompona lavaka fantsakana solika, avy eo bankirompitra, namela ny Fanjakana hiantsoroka ny zioga mavesatry ny famahàna ireo olana ara-tontolo iainana. Fantsakana marobe, tahaka ilay namoaka fatrana metàna nampidi-doza tao amin'ny faritra manodidina an'i Francisco no mbola mitohy mihodina mba hialàny amin'ny fanadiovana sy ireo sazy.

Ivan Sigal ao Arvin, California, 31 May 2023. Sary an'i J. Nathan Matias.

Rehefa manontany an'i Francisco aho mikasika ny fianakaviany dia mirana ny endriny. Taorian'ny nifindràna tao Etazonia dia tsy nahay namaky teny na nanoratra izy, nahazo fampianarana izy, nanorina fiainana ho an'ny tenany ary niaraka tamin'ny vadiny, namorona fiainana ho an'ireo taranany. Mizara tantara mikasika ny raiko mpifindra monina aho, ary izy mamariparitra ny hambom-po mamy-mafaitra tsapany ho an'ireo ankizy izay mbola mijanona eo akaikiny sy ireo nandao an'i Arvin mba hanararaotra hirika.

Amin'izao fotoana ao anatin'ny faha-fitopolo taonany mahery izao dia mikarakara ny vondrom-piarahamonina sy ny tany onenany i Francisco. Nandritra ny taona vitsivitsy izy dia niara-niasa tamin'ireo mpifanila vodirindrina tao amin'ny Central Environmental Justice Network sy ireo fikambanana hafa, mba hampandany lalàna iray mitaky fametrahana faritra fisintahana eo anelanelan'ireo lavaka fantsakana solika sy ny sekoly, ny toerana fonenana, ny faritra hafa mety hanohintohinan'ny setroka ny fahasalaman'ny olona. Fotoana fohy taty aoriana, nanaraka ny Fanjakana, na dia nanohitra ilay lalàna aza ny indostrian'ny solika.

Rehefa nametraka ny fiara nofainay teo amin'ny Gasoline Alley izaho sy Ivan ka nanomana ny enina andro handehanana am-bisikileta hitety ny lasa sy ny hoavin'i Central Valley, dia tsapa sahady fa toy ny hoe eo amin'ny tanàna iray ambohim-pihaonana izahay no manomboka, eo am-pototry ny lalantsara mamakivaky ny Tendrombohitra Sierra Nevada, izay manamarika ny tendro atsimon'ilay lohasaha amin'ny zavakanto, literatiora ary ireo fotodrafitrasa fampiantranoana.

Ho an'ny sakafo hariva dia kaopy Birria Ramen iray ny ahy, sakafo iray izay niditra vao haingana avy tao Meksika, fangarona tavolo mamy tonga lafatra ho an'ny dia 70 miles voalohany ho ataonay ny ampitson'io. Miara-miaina eto amin'ny Kern County ny asa sy ny ankehitriny, ny eo an-toerana sy ny iraisam-pirenena, narafitry ny toetrandro, ny tantara, ny injenieria sy ny tanjaka mahagagan'ny finiavana – ireo olona tonga eto hikatsaka fiainana vaovao, ireo olona mandrefy ny androny ao anatin'ny tombana, sy ireo izay nijanona. Maika ny hahafantatra bebe kokoa aho.

Vakio bebe kokoa ny mikasika ilay fitsangatsanganana am-bisikileta, ahitana ny tanjony sy ny diany, ao anatin'ny pejy fandrakofanay manokana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.